1 Nisafa tagnamin'i Mosesy i Yaveh ka nanao hoe: " Baiko gny vahoakan'Israely ndraiky volagno rozy hoe: " Lafa hilitsy gny tany Kanana nareo, tany ho gnanareo, gny tany Kanana ndraiky gny faritsy gny taniny, 3 ihitatsy magnagn'efits'i Ziona magnaraky gny sisin'i Edoma gny an-timonareo. Gny sisiny an-tignana ami-gny sisiny antimo la ho eo ami-gny tsipiky mifara ami-gny fiafara antimony gny riaky Sira ao. 4 Gny faritaninareo la ihodiky magnantimony gny havoan'i Akrabima voho mandeha mamibajabija gny efits'i Zina. Bakagny, ro mandeha magnantimon'i Kadesi-barnea zay ndraiky mitohy magnaminy Hazara-adara voho magnaminy Azmona. 5 Bakagny, gny sisin-tany la hiolaky baka Azmona magnaminy lohasahan-driak' Egypta ka magnaraky zay magnan-driaky. 6 Gny morontsiraky andrefa ro ho sisin-taniny gny riaky bavata. Io ro ho farin-tany andrefanareo. 7 Gny farin-taninareo avaratsy ihitatsy magnaraky gny tsipiky hivahinareo magnaminy riaky bavata ka la zisiky ami-gny vohitsy Hora, 8 Voho koa baka ami-gny vohitsy Hora agny ka la zisiky a Lebo-kamata, bakeo la zisiky a Zedada. 9 Bakeo gny faritany hitohy zisiky a Zifroma ka mifarana Hazan-Enana ao. Zay ro ho farin-tany avaratrareo. 10 Bakeo mariho gny farin-taninao an-tignana ka la zisiky a Hazar-Enana an-timo ka la zisiky a Sefana. 11 Afarany zay gny farin-tany an-tignana hilia baka a Sefana ka la zisiky a Ribla agny, ami-gny faritsy an-tignanan'i Aina. Gny farin-tany hitohy magnaraky gny faritsy an-tignanany gny Riaky Kinereta. 12 Bakeo gny farin-tany la hitohy magnantimo magnaraky gny Ony Jordana ka la zisiky ami-gny Riakin-tsira. Zay ro ho taninareo, magnaraky gny sisiny magnodidy iaby."' 13 La nandily gny vahoakin'Israely i Mosesy voho nanao hoe: " Intoy ra tany ho azonareo ami-gny filoha, fa nibaikoan'i Yaveh homea ho gnany reo foko sivy ndraiky gny an-tsasaky gny foko. 14 Gny fokony gny taranak'i Gada, araky gny fanendream-panagna ho gnany gny fokon-drazan-drozy, voho gny antsasa-pokon'i Manase iaby fa nandramby gny tanin-drozy. 15 Reo foko roa ndraiky gny antsasa-poko fa nandramby anjaran-tany an-dafiny gny Jordana agny magnantignana gnan'i Jeriko, manandrify gny fiposahany gny masoandro. 16 Nisafa tagnamin'i Mosesy i Yaveh ka nanao hoe: 17 : Ndreto iaby gnagnarany reo johary hizara gny taniny gny lovanareo: Eleazara mpisoro ndraiky Josoa gnanak'i Nona. 18 Ao iha hifily mpitariky raiky isaky gny foko mba hizara gny tany ho gnany gny longoben-drozy. 19 Ndreto iaby gnagnarany reo johary reo: baka ami-gny fokon'i Joda, la Kaleba gnanak'i Jefone. 20 Bala ami-gny fokony gny taranak'i Simeona, la Samoela gnanak'i Amihoda. 21 Baka ami-gny fokon'i Benjamina, la Elidada gnanak'i Kislona. 22 Baka ami-gny fokony gny taranak'i Dana mpitariky raiky, la Boky gnanak'i Jogly. 23 Baka ami-gny taranak'i Josefa, baka ami-gny fokony gny taranak'i Manase mpitariky raiky, la Hamiela gnanak'i Efoda. 24 Baka ami-gny fokony gny taranak'i Efraima mpitariky raiky, la Kamoela gnanak'i Siftana. 25 Baka ami-gny fokony gny taranak'Isakara mpitariky raiky, la Elifaza gnanak'i Parmaka. 26 Baka amigny fokony gny taranak'i Asera mpitariky raiky, la Ahihody gnanak'i Amihoda." 27 Baka ami-gny fokon'ny taranak'i Asera mpitariky raiky, la Ahihody anak'i Selomy. 28 Bakeo ami-gny fokon'ny taranak'i Naftaly mpitariky raiky, la Pedahela anak'i Amihoda." 29 Yaveh nibaiko gny reo Johary reo mba hizara gny tany Kanana ndraiky hagnomea gny isam-pokon'Israely gny anjaran-drozy.