Toko 1

1 Paoly, mpanompon'i Jesôsy Kristy, die vôhaike ho apostoly, ary vôtokagna ho mpilaja ny filajantsaran'Andriamanitra. 2 Io ilay filajantsara ijay nampagnantenainy meloha tamin'ny alalan'ireo mpaminanine tao amin'ny Soratra Masina. 3 Ijany die mahakasika ny Janaka lahy, ijay terake avy amin'ny janak'i Davida araka ny nofo. 4 Tamin'ny fitsanganana tamin'ny mate, die vôlaja ho ilay janaka maherin'Andriamanitra tamin'ny herin'ny Fagnahin'ny fahamasignana Ijy_die Jesôsy Kritsy Tompontsena. 5 Tamin'ny alalany no najahontsena fahasoavana sy ny maha-apôstôly amin'ny fagnikena ny finôna eo amin'ny firenena abiaby, noho ny Agnarane. 6 Amin'ireo firenena ireo, anareo mandy koa die vôhaike ho an'i Jesôsy Kristy. 7 Itoy taratasy itoy die hôn-dreo abiaby ao Roma, ijay malalan'Andriamanitre, ijay vôhaike ho olo-masina. Ho aminareo anie ny fahasoavana, sy fedagnana avy amin'Andriamanitre Iabantsena sy Jesôsy Kristy Tompo. 8 Vôlohane, isôrako ny Andriamanitro amin'i alalan'ny Jesôsy Kristy noho ny amin-dreo abiaby, satria ny finônareo die efa nilajaina magneragna ijao totolo ijao. 9 Fa Andriamanitra no vavolombeloko, ijay tompoiko ao amin'ny fagnahiko ao amin'ny filajantsaran'ny Janagne, fa tsy mijanogna mivoria anareo amin'Aje aho. 10 Mangataka fehijay Aho amin'ny vavake amboariko ny mba ahombiajako amin'ny fomba abiaby araka ny sitrapon'Andriamanitre mba ho avy aminareo. 11 Fa iaho die magniry ny hahita anareo, mba hahafahako magnome fagnomejam-pagnahy sarasaragne hônareo, ba hampatanjaka anareo. 12 Ijany, die magniry aho mba hifankaherejantsena eto amfovôntsena, amin'ny alalan'ny finônan'ny kiraidraike aby,ny anareo sy nenahe. 13 Amin'ijao fotôgna halako anareo tsy hahalala, ry rahalahy, hoe matetika aho no managna eritreritra hagnantogna anareo, (nefa iaho die vôsakagna mandrak'ijao fotôgna), mba hajahôna vokatra eo aminareo, hôtrany efa najahôko ny sisan'ireo Jentilisa mandy koa. 14 Iaho die mpitosa amin'ireo Grika sy ireo vahiny, amin'ny kanty sy môla. 15 Noho ijany, amin'ahe, die vognona mandy koa iaho hagnambara ny filajantsara hôn'anareo ijay agny Roma. 16 Fa iaho die tsy megnatre amin'ny filajantsara, fa ijany no herin'Andriamanitra ho famonjena ireo abiaby ijay mino, hôn'ny Jiosy aloha ary hôn'ny Grika. 17 Fa amin'ijany no anehôna ny fahamarignan'Andriamanitra avy amin'ny finôna hômin'ny finôna, arak'ijay vôsoratra hoe: "Ny marina die ho velogna amin'ny finôna." 18 Fa ny fahavigniran'Andriamanitra die nabôke avy agny an-dagnitre manohitra ny haratsiam-pagnahy sy ny tsy fahamarignan'ny olo, ijay mandrara ny fahamarignana amin'ny alalan'ny tsy fahamarignana. 19 Ijany die satria ijay fantatra mahakasikan'Andriamanitra die hitan-dreo maso. Fa najavain'Andriamanitra areo. 20 Fa ireo endrikane ijay tsy hita maso, ijay heriny tsy misy farane sy maha-Andriamanitra an'Aje, die hita najava tsara, nanomboka tamin'ny famorognana ijao tontolo ijao, tamin'ireo raha ijay noforognina. Noho ijany tsy managna felan-tsigny areo. 21 Ijany die satria, na di'efa nahafantatra ny mahakasikan'Andriamanitra aja areo, die tsy nagnome voninahitra amin'ny maha-Andriamanitra an'Aje, na koa nisôtran'Aje. Fa koja, nanjary môla tao an-tsaigne areo, ary nihamejigna ny fo donton-dreo. 22 Areo die nijaka an'ajy ireo ho kante, kanefa die niha-môla. 23 Ny voninahaitr'Andriamanitra tsy mety lo die natakalon-dreo sarin'endrik'olombelogna, mety lo, vorogna, biby manan-tongotra efatra, sy ireo raha mikisake. 24 Noho ijany die natolotr'Andriamanitra hômin'ny filàn'ny fon-dreo hômin'ny halotôn-dreo, mba ho afa-baraka eo amin-dreo mandy ny tegnan-dreo. 25 Areo no nanakalo ny fahamarignan'Andriamanitra tamin'ny vandy, ary ijay midera sy manompo ny java-boary fa tsy ilay namorogna, ijay deraina madrakijay. Amena. 26 Noho ijany, natolotr'Andriamanitra hômin'ny filàn-dratsy mamoafady areo, fa ireo viavy ireo die nanakalo ireo fifandresana vôjagnahary tamin'ireo ijay tsy vôjagnahare. 27 hôtr'ijany koa, ireo lelahy die nagnabela ny fifandresan-dreo vôjagnahary miaraka amin'ny viavy ka nampirehetin'ny filàna ara-nofo hôn-dreo samby an-dreo. Ireo die lelahy ijay nagnano fihetsike magalalabaraka miaraka amin'ny lelahy ary nandray tao amin-dreo ny sajy ijay mendrika an'ajy ireo nohon'ny fivetavetan-dreo. 28 Satria tsy nagneke ny hanagna an'Andriamanitra ao amin'ny fieritreretany areo, die nameny saigna tsy mendrika areo, mba hanôvana ireo raha ijay tsy mete. 29 Areo die feno ny hadisôna, haratsena, fagnirena, ary lolompo abiaby. Areo die feno fialognana, famonôna, fifampizizôna, fitake, ary eritreri-dratsy. 30 Areo die mpifosa, mpagnendrikendrike, ary mpankahala an'Andriamanitra. Areo die mahery setra, miavogna, ary mihebohebo. Areo die mpamorogna raha ratsy, ary areo die tsy magnaja ny ray aman-drenine. 31 Areo die tsy managna fahalalana; areo die tsy ajo atokisana, tsy managna fitiavana vôjagnahare, ary tsy mamindra fo. 32 Hain-dreo ny lalàn'Andriamanitra, fa ireo ijay magnano raha hôtr'ijany die magneva ny fahafatesana. Fa tsy ireo raha ireo mandy no amboarine, fa magneke ny hafa ijay magnano an'iregny koa.