1 Dia nitodika aho ka nampiandrandra ny masoko, ka nahita, indro, horonan-taratasy manidina! 2 Hoy ilay anjely tamiko hoe: "Inona no hitanao?" Dia namaly aho hoe: "Horonan-taratasy manidina no itako, roapolo hakiho ny halavany ary folo hakiho ny sakany." 3 Dia hoy izy tamiko hoe: "Ity no ozona izay mivoaka manerana izao tontolo izao, fa ny mpangalatra rehetra dia ho fongorina manomboka izao izay mifototra amin'izay lazainy amin'ny andaniny, ary izay rehetra milaza fianianana diso dia ho fongorina izay mifototra amin'izay lazainy amin'ny ankilany, araka ny tenin'izy ireo. 4 "Ho havoakako izany—izany no fanambaran'i Yaveh tompon'ny maro—koa hiditra ao an-tranon'ny mpangalatra sy ao amin'ny tranon'izay mianiana diso amin'ny anarako izany. Hitoetra ao an-tranony izany ary hanimba ny hazony sy ireo vatony." 5 Dia nivoaka ilay anjely izay niresaka tamiko ary niteny tamiko hoe: "Asandrato ny masonao ka jereo izay tonga eo" 6 Dia hoy aho hoe: "Inona iny?" Dia hoy izy hoe: "Harona misy efaha iny tonga iny. Ity no helok'izy ireo amin'ny tany manontolo." [Fanamarihana: Ireo dikan-teny taloha sasany sy ny ankamaroan'ny dikan-teny amin'izao dia manao hoe: "helok'izy ireo". Ny lahatsoratra Hebreo manao hoe "mason'izy ireo", fa izany dia noheverina ho fahadisoana.] 7 Dia nalàna tamin'ny harona ny firaka fandrakofana ary nisy vehivavy tao ambanin'izany izay nipetraka tao! 8 Dia niteny ilay anjely hoe: "Faharatsiana ity!" Natsipiny tao anaty harona indray izy, ary natsipiny teo amin'ny fisokafany ilay firaka fandrakofana. 9 Nampiandrandra ny masoko aho ary nahita vehivavy roa manatona ahy, ary ny rivotra dia teny amin'ny elatr'izy ireo—fa nanana elatra tahaka ny elatry ny vano izy ireo. Nampisandratra ny harona teo anelanelan'ny tany sy ny lanitra izy ireo. 10 Ka niteny tamin'ilay anjely izay niresaka tamiko aho hoe: "Ho entin'izy ireo mankaiza ny harona?" 11 Dia hoy izy tamiko hoe: "Hanamboarana tempoly any amin'ny tanin'i Sinara ho an'izany, ka rehefa vonona ny tempoly, dia hampitoerina any eo amin'ny fototra voahomana ho azy ilay harona."