1 Tamin'ny volana fahavalo tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Dariosa, dia tonga tamin'i Zakaria zanaka lahin'i Berekia zanaka lahin'Ido, mpaminany, ny tenin'i Yaveh, manao hoe: 2 "Tezitra fatratra tamin'ireo razambenao i Yaveh! 3 Lazao izy ireo hoe: 'Izao no lazain'i Yaveh tompon'ny maro: Mitodiha Amiko!—izany no fanambaran'i Yaveh tompon'ny maro —dia hitodika aminareo Aho, hoy Yaveh tompon'ny maro. 4 Aoka ianareo tsy ho tahaka ny razambenareo izay nantsoin'ireo mpaminany teo aloha, manao hoe: "Izao no lazain'i Yaveh tompon'ny maro: Mialà amin'ny lalan-dratsinareo sy ny fampiharan-dratsinareo!" Fa tsy nandre izy ireo ary tsy niraharaha Ahy—izany no fanambaran'i Yaveh.' 5 Ireo razambenareo, aiza izy ireo? Aiza ireo mpaminany, eto mandrakizay ve izy ireo? 6 Fa ireo teniko sy ireo lalàko izay nandidiko an'ireo mpaminany mpanompoko, tsy efa nahatratra ireo razambenareo ve ireo? Koa nibebaka izy ireo ary nanao hoe: 'Araka izay efa nalahatr'i Yaveh tompon'ny maro hatao aminay izay mendrika ireo lalanay sy ireo asanay, no nataony taminay."'' 7 Tamin'ny andro fahefatra amby roapolo tamin'ny fahiraika ambin'ny folon'ny volana, izay volan'ny Sebata, tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Dariosa, dia tonga tamin'i Zakaria, zanaka lahin'i Berekia zanaka lahin'Ido, ilay mpaminany, ny tenin'i Yaveh, manao hoe: 8 "Nahita tamin'ny alina aho, ary, indro! nisy lehilahy iray nitaingina soavaly mena, ary teo amin'ny hazo rotra izay teo amin'ny lohasaha izy; ary teo aoriany dia nisy soavaly mena, volontany manopy mena, ary soavaly fotsy." 9 Hoy aho hoe: "Inona ireto zavatra ireto, ry Tompo?" Avy eo dia nisy anjely iray niresaka tamiko nanao tamiko hoe: "Ho asehoko anao hoe inona ireo zavatra ireo." 10 Ary ilay lehilahy izay nitsangana teo amin'ny hazo rotra namaly ary niteny hoe: "Ireo no nalefan'i Yaveh mba hirenireny manerana ny tany." 11 Namaly ilay anjelin'i Yaveh izay nitsangana teo amin'ny hazo rotra izy ireo; hoy izy ireo taminy hoe: "Efa nirenireny nanerana ny tany izahay; indro, ny tany rehetra dia mbola mipetraka sy mitsahatra." 12 Dia namaly ilay anjelin'i Yaveh ary niteny hoe: "Ry Yaveh tompon'ny maro, mandra-pahoviana no hanehoanao tsy fangoraham-po amin'i Jerosalema sy amin'ireo tanànan'i Joda izay efa niharitra fahatezerana izay fitopolo taona izay?" 13 Namaly ilay anjely izay niresaka tamiko, tamin'ny teny soa, teny fampaherezana i Yaveh. 14 Ka niteny tamiko ilay anjely izay niresaka tamiko hoe: "Miantsoa mafy ary milazà hoe: 'Izao no lazain'i Yaveh tompon'ny maro: Saro-piaro tamim-pitiavana lehibe tamin'i Jerosalema sy tamin'i Ziona Aho! Tezitra mafy amin'ireo firenena izay ao anatin'ny fitoniana ireo Aho. 15 Raha mbola tezitra kely tamin'ireo Aho, dia vao mainka nampaharatsy ny fahoriana izy ireo. 16 Noho izany dia izao no lazain'i Yaveh tompon'ny maro: Efa niverina tamin'i Jerosalema tamim-pamindram-po Aho. Ho voaorina ao anatiny ny tranoko—izany no fanambaran'i Yaveh tompon'ny maro—ary ny famolaina dia ho henjanina amin'i Jerosalema!' 17 Miantsoa mafy indray, manao hoe: 'Izao no lazain'i Yaveh tompon'ny maro: Ho tondraka soa indray ireo tanànako, ary hampahery an'i Ziona indray Yaveh, ary hisafidy an'i Jerosalema indray Izy."' 18 Dia nanandratra ny masoko aho ary nahita tandroka efatra! 19 Niresaka tamin'ilay anjely izay niresaka tamiko aho hoe: "Inona ireo?" Namaly ahy izy hoe: "Ireo no tandroka izay efa nanaparitaka an'i Joda, Israely, ary Jerosalema." 20 Avy eo dia nampiseho mpanao asa tanana efatra tamiko i Yaveh. 21 Hoy aho hoe: "Inona no anton-dian'ireo olona ireo?" Namaly Izy, ary niteny hoe: "Ireo no tandroka izay nanaparitaka an'i Joda mba tsy hisy olona afaka hanandratra ny lohany. Fa ireo olona ireo dia tonga mba handroaka azy ireo, mba handrava ireo tandrok'ireo firenena izay nanandratra tandroka manohitra ny tanin'i Joda mba hanaparitaka azy."