1 Manaraka izany dia nanandratra ny masoko aho ary nahita lehilahy niaraka tamin'ny tady fandrefesana teny an-tanany. 2 Hoy aho hoe: "Andeha ho aiza ianao?" Dia hoy izy tamiko hoe: "Handrefy an'i Jerosalema, hamaritra ny sakany sy ny halavany." 3 Dia lasa ilay anjely izay niresaka tamiko ary nisy anjely iray hafa nivoaka mba hitsena azy. 4 Hoy ilay anjely faharoa taminy hoe: "Mihazakazaha ary miresaha amin'iny tovolahy iny; lazao hoe: 'Hipetraka eo amin'ny tanàna misokatra i Jerosalema nohon'ny hamaroan'ny olona sy ireo biby ao aminy. 5 Fa Izaho — izany no fanambaran'i Yaveh—dia ho tonga manda afo manodidina azy, ary ho voninahitra eo afovoany Aho. 6 Haingana! Haingana! Mitsoaha avy any amin'ny tany avaratra—izany no fanambaran'i Yaveh—fa Izaho efa nampiely anareo toy ny rivotra efatry ny lanitra!—Izany no fanambaran'i Yaveh. 7 Eh! Mandosira mankany Ziona, ianareo izay mipetraka miaraka amin'ny zanaka vavin'i Babylona!"' 8 Fa taorian'ny nanomezan'i Yaveh tompon'ny maro voninahitra ahy sy nandefasany ahy hanohitra ireo firenena izay nandroba anareo—fa na iza na iza mikasika anareo, dia mikasika ny anakandriamason' Andriamanitra!—rehefa avy nanao izany Yaveh, dia hoy Izy hoe: 9 "Izaho mihitsy no haninjitra ny tanako amin'izy ireo, ary dia ho babo ho an'ireo andevony izy ireo." Dia ho fantatrareo fa i Yaveh tompon'ny maro no naniraka ahy. 10 "Mihirà ho amin'ny fifaliana, ry zanaka vavin'i Ziona, fa Izaho mihitsy no ho tonga sy hitoby eo aminareo!—izany no fanambaran'i Yaveh." 11 Avy eo ireo firenen-dehibe hiaraka amin'i Yaveh amin'izany andro izany. Hoy izy hoe: "Ary dia ho tonga vahoakako ianareo; fa hitoby eo afovoanareo Aho," ary ho fantatrareo fa Yaveh tompon'ny maro no naniraka ahy ho eo aminareo. 12 Fa Yaveh hampandova an'i Joda toy ny fananany ara-drariny any amin'ny tany masina ary hifidy indray an'i Jerosalema ho azy. 13 Aza miteny, eo anatrehan'i Yaveh, ry nofo rehetra, fa nitsangana avy tao amin'ny toerany masina Izy!