Salamo nataon'i Davida, rehefa nitsoaka an'i Absaloma zanany izy. 1 Ry Yaveh, firy ireo fahavaloko! Maro no nitsangana nanohitra ahy. 2 Maro no milaza momba ahy hoe: "Tsy misy fanampiana ho azy avy any amin'Andriamanitra. Sela 3 Fa Ianao, ry Yaveh, dia fiarovana manodidina ahy, voninahitro, ary ilay iray izay manandratra ny lohako. 4 Manandratra ny feoko amin'i Yaveh aho, ary mamaly ahy avy any amin'ny havoany masina Izy. Sela 5 Nandry aho ary natory; nifoha aho, satria i Yaveh miaro ahy. 6 Tsy hatahotra olona maro izay mampanohitra ny tenan'izy ireo amiko amin'ny zohy rehetra aho. 7 MitsangĂ na, ry Yaveh! Vonjeo aho, ry Andriamanitro! Fa hamely ireo fahavalo rehetra amin'ny takolaka Ianao; hamaky ny nifin'ireo ratsy fanahy Ianao. 8 Avy amin'i Yaveh ny famonjena. Ho amin'ny olonao anie ireo fitahianao. Sela