Salamo faha 2

1 Nahoana ny firenena no ao anaty korontana, ary nahoana ny olona no manao teti-dratsy izay tsy hahomby? 2 Miara-mitsangana ireo mpanjakan'ny tany ary miara-mioko manohitra an'i Yaveh sy ny Mesiany ireo mpanapaka, manao hoe: 3 "Aoka isika hamiravira ireo rojo vy izay apetrany eto amintsika ary hanipy ireo rojon'izy ireo." 4 Izy izay mipetraka any an-danitra hihomehy azy ireo; haneso azy ireo ny Tompo. 5 Avy eo dia hiteny amin'izy ireo amin'ny fahatezerany izy ary hampihorohoro azy ireo amin'ny fahavinirany, manao hoe: 6 "Izaho tenako no nanendry ny mpanjakako ao Ziona, tendrombohitro masina." 7 Hanambara lalàn'i Yaveh iray aho. Hoy Izy tamiko: "Zanako ianao! Amin'ity andro ity dia tonga rainao Aho." 8 Hangataho Aho, dia homeko anao ho lovanao ireo firenena ary ho fanananao ireo faritra lavitra indrindran'ny tany. 9 Hovakinao amin'ny tehim-by, tahaka ny siny tany ireo, hamotipotika ireo ianao." 10 Koa ankehitriny, ry mpanjaka, mitandrema; mahitsy; ry mpanapaky ny tany. 11 Midera an'i Yaveh amin-tahotra ary mifalia amin'ny fangovitana. 12 Orohy ny zanaka sao ho tezitra aminao izy, ka ho faty amin'ny lalan'ny firehetan-katezerany mandritra ny fotoana fohy ianao. Sambatra ireo rehetra izay mitady fialofana ao Aminy.