Toko faha 31

1 Ireo tenin'i Lemoela mpanjaka—anatra nampianarin'ny reniny azy. 2 Inona, ry zanako? Inona izany, ry zanaka naterako? Inona no tadiavinao, ry zanaky ny voadiko? 3 Aza omena ny vehivavy ny herinao, na ny lalanao ho an'ireo izay mamotika ny mpanjaka. 4 Izany dia tsy ho an'ny mpanjaka, ry Lemoela, tsy ho an'ireo mpanjaka ny fisotroana divay, na koa ho an'ny mpanapaka mba hanontany hoe: "Aiza ny zava-pisotro mahery?" 5 Fandrao hadinoin'izy ireo izay efa voadidy, ary hamadika ny marina ho amin'ny fahoriana rehetra. 6 Omeo zava-pisotro mahery ny olona izay efa ho faty ary divay ho an'ireo anaty fahoriana mangidy. 7 Hisotro izy ary hanadino ny fahantrany ary tsy hahatsiaro ny fahoriany izy. 8 Mitenena ho an'ireo izay tsy afaka miteny, ho an'ny adin'izay rehetra efa ho faty. 9 Mitenena mafy ka mitsarà araka ny rariny ary misoloa vava ho an'ny olona mahantra sy ory. 10 Iza no afaka mahita vehivavy mahay? Ny lanjany dia mihoatra lavitra noho ny firavaka. 11 Ny fon'ny vadiny mitoky aminy, ary tsy hahantra mihitsy izy. 12 Manao zava-tsoa ho azy izy ary tsy manao ratsy amin'ny androm-piainany rehetra. 13 Misafidy volon'ondry sy rongony izy, ary miasa an-kafaliana amin'ny tanany. 14 Tahaka ireo sambon'ny mpivarotra izy; avy lavitra no itondrany ny sakafony. 15 Mifoha izy raha mbola alina ary manome hanina ho an'ny ankohonany, ary mizara ny asa ho an'ireo mpanompo vaviny. 16 Izy no mandinika ny saha ary mividy izany, amin'ny vokatry ny tanany no amboleny voaloboka. 17 Mampitafy hery ny tenany izy ary mampatanjaka ny sandriny. 18 Mahafantatra izay mety ho tombony tsara ho azy izy; mandritra ny alina tontolo ny jirony dia tsy maty. 19 Apetrany eo amin'ny ampela ny tanany, ary tazominy ny fihazonam-bohavoha. 20 Manatsotra ny tanany amin'ny olona ory izy; manatsotra ny tanany amin'ny olona mahantra izy. 21 Tsy matahotra oram-panala ho amin'ny ankohonany izy, satria ny ankohonany rehetra dia mitafy volon'ondry mena. 22 Manamboatra firakotra ho an'ny fandriany izy, ary miakanjo fitafy rongony manify volomparasy. 23 Ny vadiny no fantatra ao amin'ny vavahady, rehefa mipetraka miaraka amin'ny loholon'ny tany izy. 24 Manamboatra akanjo rongony fotsy izy ary mivarotra ireo, ary namatsy samboady ho an'ireo mpivarotra izy. 25 Mitafy ny hery sy ny voninahitra izy, ary mihomehy amin'ny fotoana ho avy izy. 26 Manokatra ny vavany amin'ny fahendrena izy ary eo amin'ny lelany ny lalànan'ny hatsaram-panahy. 27 Miambina ny lalan'ny ankohonany izy ary tsy mihinana ny mofon'ny fahalainana. 28 Mitsangana ny zanany ka miantso azy hoe voatahy, ary midera azy ny vadiny, manao hoe: 29 "Maro ny vehivavy efa nanao ny tsara, saingy mihoatra azy rehetra ianao." 30 Fitaka ny fahatsarana, zava-poana ny hatsaran-tarehy, fa ny vehivavy matahotra an'i Yaveh, dia ho deraina izy. 31 Omeo azy ny vokatry ny tanany ary aoka ny asany hidera azy eny amin'ny vavahady.