1 Ny tenin'i Agora zanak'i Jake—fampitana: nitory tamin'i Itiela io lehilahy io, tamin'i Itiela sy Okala: [Fanamarihana: Ireo dikan-teny sasany dia misy hoe: "Nambaran'io lehilahy io hoe: "Reraka aho, Andriamanitra o, reraka aho. Tsy afaka manao na inona na inona aho."'] 2 Toy ny biby tokoa aho mihoatra ny olona ary tsy manana ny fahazavan-tsain'ny olombelona aho. 3 Tsy nianatra fahendrena aho, na manana ny fahalalana ilay Iray Masina. 4 Iza no niakatra sy nidina tany an-danitra? Iza no nanangona ny rivotra teny an-tanany? Iza no navoangona ny rano teo amin'ny lambany? Iza no nanorina ny faran'ny tany rehetra? Iza no anarany, ary iza no anaran-janany? Fantatrao tokoa izany! 5 Voazaha toetra avokoa ny tenin'Andriamanitra; ampinga ho an'ireo izay mialoka aminy Izy. 6 Aza manampy amin'ny teniny, sao ho faiziny ianao, ary ho voaporofo fa mpandainga. 7 Zavatra roa no angatahiko Aminao, ary aza mihazona ireo mialohan'ny hahafatesako: 8 Alaviro ahy ny zava-poana sy ny lainga. Aza omena ahy na ny fahantrana na ny harena, fa omeo ahy fotsiny ny hanina izay ilaiko. 9 Fa raha manana be loatra aho, dia mety handà anao ka hiteny hoe: "Iza moa Yaveh?" Na raha tonga mahantra aho, dia mety hangalatra ka handoto ny anaran'ny Andriamanitro. 10 Aza manendrikendrika ny andevo eo anatrehan'ny tompony, sao hanozona anao izy ary ho voatana ho meloka ianao. 11 Misy taranaka manozona ny rainy sady tsy misaotra ny reniny. 12 Misy taranaka madio eo imasony ihany, kinanjo tsy voasasa tamin'ny lotony akory. 13 Misy taranaka manandratra ny masony, ary endrey ny fisandratan'ny hodi-masony! 14 Misy taranaka izay sabatra ny nifiny, ary ny valanoranony tahaka ny antsy, mba handrapahany ny mahantra hiala amin'ny tany ary ny ory tsy ho eo amin'ny zanak'olombelona. 15 Ny dinta manan-janaka vavy roa: "Omeo, Omeo" hoy ny fihiakiakany. Misy zavatra telo izay tsy mety afapo, efatra izay tsy mba milaza mihitsy hoe: "Ampy izay": 16 dia ny Fiainan-tsy hita; ny kibo momba; ny tany tsy vonton-drano; ary ny afo no tsy mba milaza mihitsy hoe: "Ampy izay!" 17 Ny maso izay maniratsira ny ray sady mandrabiraby ny fankatoavana ny reny, ho tsaingohan'ny goaika any an-tsaha ny mason'izany, ary ho lanin'ny volotoro izy. 18 Misy zavatra telo izay mahagaga loatra ho ahy, eny efatra izay tsy takatro: 19 ny lalan'ny voromahery eny an-danitra; ny lalan'ny bibilava eo amin'ny vatolampy; ny lalan'ny sambo eny afovoan'ny ranomasina; ary ny lalan'ny lehilahy miaraka amin'ny tovovavy. 20 Izao no fomban'ny vehivavy janga: mihinana izy ka mamafa ny vavany ary miteny hoe: "Tsy nanao ratsy aho." 21 Mihovitrovitra eo ambanin'ny zavatra telo ny tany, ary ambanin'ny zavatra efatra no tsy zakany: 22 dia ny andevo raha tonga mpanjaka, ny adala raha voky hanina; 23 ny vehivavy ankahalaina raha ampakarina; ary ny mpanompo vavy raha maka ny toeran'ny tompo vaviny. 24 Zavatra efatra eto an-tany no kely kanefa hendry tokoa: 25 ny vitsika dia voahary tsy matanjaka, kanefa manomana ny sakafony amin'ny fahavaratra izy ireo; 26 ny hyraky ny vato dia tsy voahary mahery, kanefa manao ny fonenany anaty vatolampy. 27 Ny valala dia tsy manana mpanjaka, kanefa mirindra milahatra tsara ny diany. 28 Ary ny amin'ny antsiantsy, dia azonao hazonina amin'ny tananao roa izany, kanefa dia hita any amin'ireo lapan'ny mpanjaka. 29 Misy zavatra telo izay tsara famindra ary efatra izay tsara ny fomba fandehany: 30 ny liona, izay mahery indrindra amin'ireo bibidia— tsy miery amin'ny inona na inona izany; 31 ny akoholahy mpiady; ny osilahy; ary ny mpanjaka izay eo anilany ny miaramilany. 32 Raha adala ianao, nanandra-tena, na raha nisaintsain-dratsy—dia ataovy eo am-bavanao ny tananao. 33 Ny fanontsankontsanana ny ronono no mahatonga ronono mandry ary toy ny fivoahan-drà amin'ny oron'ny olona raha ahodikodina izany, dia toy izany koa ny asa atao amin-katezerana dia miteraka ady.