1 Halan'i Yaveh ireo mizàna izay tsy marina, fa mankasitraka ny lanja marina izy. 2 Raha tonga ny fireharehana, dia avy ny fahafaham-baraka, fa amin'ny fanetre-tena no hiavian'ny fahendrena. 3 Ny tsy fivadihan'ny mahitsy no mitari-dalàna azy ireo, fa ny lalà-meloky ny mpivadika dia mamotika azy ireo. 4 Zava-poana ny harena amin'ny andron'ny fahavinirana, fa ny fanaovana ny marina dia miaro anao amin'ny fahafatesana. 5 Ny fitondran-tena marin'ny tsy manan-tsiny dia mampahitsy ny lalàny, fa ny ratsy fanahy dia ho lavo nohon'ny haratsiam-panahiny ihany. 6 Ny fitondran-tena tsaran'izay mahafaly an'Andriamanitra dia miaro azy, fa ny mpivadika dia voafandriky ny filan'izy ireo. 7 Rehefa maty ny olona ratsy fanahy, dia levona ny fanantenany ary ny fanantenana izay tao amin'ny tanjany dia tonga zava-poana. 8 Ny olo-marina arovana lavitry ny fahoriana fa tonga amin'ny ratsy fanahy kosa izany. 9 Amin'ny vavany no amotehan'ny mpaniratsira ny namany, fa amin'ny fahalalana no iarovana ny olo-marina. 10 Rehefa ambinina ny olo-marina, dia miravoravo ny tanàna; rehefa levona ny ratsy fanahy, dia misy hiakam-pifaliana. 11 Amin'ny alalan'ireo fanomezan-tsoa izay an'ireo mahafaly an'Andriamanitra, no mahatonga ny tanàna ho lehibe; amin'ny vavan'ny ratsy fanahy, no hahapotika ny tanàna. 12 Ny olona izay manamavo ny namany dia tsy misy saina, fa ny olona manana fahazavan-tsaina dia mangina. 13 Izay rehetra mizotra amin'ny fanendrikendrehana dia mamoaka tsiambaratelo, fa ny olona mahatoky dia mitazona ny raharaha iray hisarona. 14 Raha tsy misy mpitondra hendry, dia hirodana ny firenena, fa ny fandresena dia tonga amin'ny fakana hevitra amin'ny mpanolotsaina maro. 15 Na iza na iza miantoka findramam-bola ho an'ny vahiny dia hijaly mafy tokoa, fa ny iray izay mankahala ny fanomezana antoka amin'izany karazana toky izany no voaaro, 16 Ny vehivavy tsara fanahy dia mahazo voninahitra, fa ny olona masiaka mambabo harena. 17 Ny olona tsara fanahy manome tombony ho an'ny tenany, fa ny iray izay lozabe mandratra ny tenany. 18 Ny olona ratsy fanahy dia mandainga mba hahazoany ny karamany, fa ny iray izay mamafy ny marina dia mijinja ny karaman'ny fahamarinana. 19 Ny olona marina izay manao ny mety dia ho velona, fa ny iray izay manaraka ny ratsy dia ho faty. 20 Yaveh mankahala ireo izay manana fo mivadika, fa mankasitraka ireo izay mandeha tsy manan-tsiny Izy. 21 Izao no ataovy azo antoka—ny olona ratsy fanahy dia tsy ho afa-maina, fa ireo taranaky ny olo-marina dia ho voaaro. 22 Ny vehivavy tsara tarehy tsy misy fahamalinana dia toy ny kavim-bolamena eo amin'ny oron-kisoa . 23 Ny fanirian'ny olo-marina miafara amin'ny tsara, fa fahavinirana ihany no azon'ny olona ratsy fanahy antenaina. 24 Misy izay mamafy voa—mahavoangona betsaka lavitra izy; ny hafa tsy mamafy—dia tonga amin'ny fahantrana izy. 25 Ny olona mahalala-tanana dia hambinina ary ny iray izay manome rano ho an'ny hafa dia hanana rano ho an'ny tenany. 26 Ozonin'ny olona ny lehilahy izay mandà tsy hivarotra voa, fa ireo fanomezan-tsoa no satro-boninahitry ny lohan'izay mivarotra izany. 27 Izay mitady fatratra ny soa dia mitady sitraka ihany koa, fa ny iray izay mitady ny ratsy dia hahita izany. 28 Ireo izay mitoky amin'ny hareny dia ho lavo, fa tahaka ny ravina, no hamokaran'ny olo-marina. 29 Izay mitondra korontana ao amin'ny ankohonany ihany dia handova rivotra ary ny adala dia ho tonga mpanompon'ny hendry am-po. 30 Ny olo-marina dia ho toy ny hazon'aina, fa ny herisetra manala aina. 31 Indro! Ny olo-marina mandray izay sahaza azy; mainka fa ny ratsy fanahy sy ny mpanota!