Toko faha 10

1 Ohabolan'i Solomona. Ny zanaka hendry mahafaly ny rainy fa ny zanaka adala mitondra alahelo ho an'ny reniny. 2 Ny harena nangonina tamin'ny faharatsiana dia tsy manan-danja, fa ny fanaovana ny marina no miaro anao amin'ny fahafatesana. 3 Tsy avelan'i Yaveh ho noana ny fanahin'ny olo-marina, fa manafoana ireo fanirian'ny ratsy fanahy Izy. 4 Ny tanana kamo no antony mampahantra ny olona, fa ny tanan'ny olona mazoto mahazo harena. 5 Ny zanaka hendry manangona vokatra amin'ny fahavaratra, fa mahamenatra azy ny matory manditra ny fijinjana. 6 Ireo fanomezana avy amin'Andriamanitra dia eo amin'ny lohan'ny olo-marina, fa ny vavan'ny ratsy fanahy dia mandrakotra herisetra. 7 Ny olo-marina mampifaly ireo izay mahatsiaro azy, fa ny anaran'ny ratsy fanahy dia ho lo. 8 Ireo izay hendry manaiky ireo didy, fa ny adala mahay vava dia ho rava. 9 Izy izay mandeha am-pahamarinana dia mandeha am-pilaminana, fa izay manao ny lalany ho meloka, dia ho hita. 10 Izy izay mipi-maso dia hahatonga alahelo, fa ny adala be resaka dia hazera. [Fanamarihina: Ireo dikan-teny taty aoriana dia misy hoe: Fa ny iray izay manitsy amin-kerim-po no mampihavana]. 11 Ny vavan'ny olona marina dia loharanon'aina, fa ny vavan'ny ratsy fanahy dia mandrakotra herisetra. 12 Ny fankahalana manestika ady, fa ny fitiavana manarona ny fahadisoana rehetra. 13 Hita amin'ny molotry ny olona manan-tsaina ny fahendrena, fa tsora-kazo no ho amin'ny lamosin'ny tsy misy saina. 14 Ny olona hendry dia mitahiry fahalalana, fa ny vavan'ny adala hitondra faharavana hanakaiky. 15 Ny haren'ny olona manan-karena dia ny tanàna mafy oriny; ny fahantran'ny mahantra dia faharavan'izy ireo. 16 Mitondra ho amin'ny fiainana ny karaman'ny olo-marina; ny tombony azon'ny ratsy fanahy dia mitondra azy ireo ho amin'ny fahotana. 17 Misy lalana mankany amin'ny fiainana ho an'izay manaraka ny fitsipi-pifehezana, fa izay mandà famaizana dia mandeha amin'ny lalan-diso. 18 Izay manafina fankahalana dia manana molotra mpandainga, ary izay mampiely endrikendrika dia adala. 19 Raha misy teny maro, dia tsy ilaozan'ny heloka, fa izay mitandrina izay lazainy no hendry. 20 Volafotsy voafantina ny lelan'ny olo-marina; tsy dia misy lanjany ny ao am-pon'ny ratsy fanahy. 21 Ny molotry ny olo-marina mamelona ny maro, fa maty ny adala nohon'ny tsy fahampian'izy ireo saina. 22 Ny fanomezana tsara avy amin'i Yaveh no mitondra harena ary tsy ampiany fanaintainana izany. 23 Kilalao fanaon'ny adala ny fanaovan-dratsy, fa ny fahendrena no fahafinaretan'ny olona manana fahazavan-tsaina. 24 Ny tahotry ny olona ratsy fanahy dia hahavoa azy, fa ny fanirian'ny olo-marina dia homena azy. 25 Ny ratsy fanahy dia toy ny tafio-drivotra izay mandalo, ary tsy eo intsony izy ireo, fa ny olona marina dia fototra izay maharitra mandrakizay. 26 Toy ny vinaingitra eo amin'ny nify ary setroka eo amin'ny maso, dia mba toy izany koa ny malaina amin'izay maniraka azy. 27 Ny tahotra an'i Yaveh no mahela velona, fa ny taonan'ny mpanao ratsy dia ho fohy. 28 Ny fanantenan'ny olo-marina no fifalian'izy ireo, fa ny taonan'ny ratsy fanahy dia ho fohy. 29 Ny lalan'i Yaveh dia miaro ireo izay marina, fa fandriganana ho an'ny ratsy fanahy izany. 30 Ny olona marina tsy ho rava mandrakizay, fa ny ratsy fanahy dia tsy hitoetra amin'ny tany. 31 Avy ao amin'ny vavan'ny olona marina no ihavian'ny vokatry ny fahendrena, fa ny lela mpandainga dia hofongorana. 32 Ny molotry ny olona marina mahalala izay mety, fa ny vavan'ny ratsy fanahy, mahalala izay fitaka.