Toko 1

1 Paoly sy Timoty, mpanompon'i Jesosy Kristy, ho an'ireo rehetra voatokana ho an'i Jesosy Kristy izay any Filipy, miaraka amin'ireo mpiandraikitra sy ireo diakona. 2 Ho aminareo anie ny fahasoavana sy fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo. 3 Misaotra ny Andriamanitro aho amin'ny fahatsiarovako anareo. 4 Ao amin'ny fivavahako ho anareo rehetra, dia amin'ny fifaliana hatrany no anaovako ny fivavahako. 5 Manome fisaorana aho nohon'ny amin'ny fiombonanareo amin'ny filazantsara nanomboka tamin'ny andro voalohany ka hatramin'izao. 6 Mahatoky an'izao zavatra izao aho, fa Izy izay nanomboka asa tsara taminareo dia hanohy hanatanteraka izany hatramin'ny andron'i Jesosy Kristy. 7 Fa tsara amiko ny mahatsapa toy izany ny amin'ny momba anareo rehetra satria ato am-poko ianareo. Ianareo rehetra dia mpiara-miasa tamiko tamin'ny fahasoavana na tamin'ny figadrako sy tamin'ny fiarovako na koa tamin'ny fanamafisana ny filazantsara. 8 Fa Andriamanitra no vavolombeloko, fa manina anareo fatratra aho amin'ny famindram-pon'i Kristy Jesosy. 9 Ary izaho mivavaka an'izao: mba hitombo hatrany hatrany ny fitiavanareo amin'ny fahalalana sy amin'ny fahazavan-tsaina rehetra. 10 Mivavaka ho an'izany aho mba hanaiky izay tsara dia tsara ianareo, mba ho tso-po sy tsy misy tsiny amin'ny andron'i Kristy. 11 Mivavaka aho mba ho fenon'ny vokatry ny fahamarinana izay avy amin'i Jesosy Kristy ianareo, ho voninahitra sy fiderana an'Andriamanitra. 12 Ary tiako ho fantatrareo, ry rahalahy, fa ireo zavatra izay nitranga tamiko dia niasa ho amin'ny fampandrosoana ny filazantsara tokoa. 13 Vokatr'izany, ny fatorako ao amin'i Kristy dia niharihary mazava nanerana ireo mpiambin'ny lapa manontolo sy ireo olona hafa. 14 Ny ankamaroan'ireo rahalahy dia manana toky lehibe kokoa ao amin'ny Tompo nohon'ny fatorako, ary sahy manambara tsy amin-tahotra ny teny izy ireo. 15 Ny sasany aza dia mitory an'i Kristy amin'ny fialonana sy fifandirana tokoa, ary ireo hafa kosa amin'ny sitrapo tsara. 16 Ireto farany dia manao izany amin'ny fitiavana, mahafantatra fa izaho dia napetraka eto ho fiarovana ny filazantsara. 17 Fa iretsy voalohany dia mitory an'i Kristy amin'ny fitiavan-tena, fa tsy tso-po. Izy ireny dia mihevitra fa hanakorontana ahy raha mbola ao amin'ny fifatorako aho. 18 Inona ary? Amin'ny fomba rehetra, na amin'ny fihatsaram-belatsihy na amin'ny fahamarinana, Kristy no toriana, ary mifaly ny amin'izany aho. Eny, ho faly aho, 19 fa fantatro fa izany dia hiafara amin'ny fanafahana ahy amin'ny alalan'ireo vavakareo sy ny fanampian'ny Fanahin'i Jesosy Kristy. 20 Izany dia araka ny fiandrasako fatratra sy ny antoka fa izaho dia tsy ho menatra mihitsy, ary mbola amin'ny fahasahiana rehetra ihany, ankehitriny tahaka ny hatrizay, dia hisandratra ato amin'ny tenako Kristy, na amin'ny fiainana na amin'ny fahafatesana. 21 Ho ahy ny hoe miaina dia Kristy ary ny hoe maty dia tombony. 22 Fa raha miaina amin'ny nofo aho, dia midika asa mahavokatra ho ahy izany. Kanefa inona no ho fidiako? Tsy fantatro. 23 Fa voatery mafy eo anelanelan'izy roa aho. Ny faniriako dia ny handeha ary hiaraka amin'i Kristy, izay tsara lavitra, 24 kanefa ny mitoetra ao amin'ny nofo dia ilaina kokoa noho ianareo. 25 Resy lahatra ny amin'izany, dia fantatro fa hitoetra sy hanohy hiaraka aminareo rehetra aho, ho an'ny fandrosoanareo sy fifaliana ao amin'ny finoana. 26 Mba ho ao amiko dia hanana antony hireharehana ao amin'i Kristy Jesosy ianareo rehefa miverina any aminareo indray aho. 27 MatondrĂ  tena amin'ny fomba mendrika ny filazantsara an'i Kristy, ka na tonga hijery anareo aho na tsy eo, dia afaka ny handre momba anareo, fa mijoro mafy amin'ny fanahy iray ianareo, amin'ny saina iray miara-miezaka ho an'ny finoana ny filazantsara. 28 Ary aza mety ampitahorin'ireo izay fahavalonareo. Mariky ny fahapotehan'izy ireo izany, fa mariky ny famonjenareo kosa _ ary izany dia avy amin'Andriamanitra. 29 Fa nomena anareo izany, ho an'i Kristy, tsy hoe mba hinoana Azy fotsiny, fa hijaliana ho Azy koa, 30 fa ianareo dia manana ady mitovy amin'izay hitanareo tamiko, ary izay henonao amiko ankehitriny.