Toko faha 2

1 Raha misy fampaherezana ao amin'i Kristy, raha misy fampiononana avy amin'ny fitiavany, raha misy firaisana ao amin'ny Fanahy, raha misy famindrampo lehibe sy fiantrana, 2 dia ataovy feno ny fifaliako amin'ny fisainana tahaka izany, amin'ny fananana fitiavana mitovy, amin'ny firaisana am-panahy, ary amin'ny fananana tanjona mitovy. 3 Aza manao na inona na inona amin'ny fitiavan-tena na fanandratan-tena foana. Fa amin'ny fanetren-tena kosa dia mihevera ny hafa mihoatra ny tenanareo. 4 Tokony tsy hitady izay mahasoa ny tenanareo ihany ny tsirairay aminareo, fa izay mahasoa ny hafa ihany koa. 5 Mihevera tahaka ny fisainana izay tao amin'i Kristy Jesosy ihany koa. 6 Efa nisy araka ny endrik'Andiamanitra Izy, fa tsy nihevitra izany fitoviany amin'Andriamanitra izany ho zavatra hifikirana Izy. 7 Ny mifanohitra amin'izany, nofoanany ny tenany. Naka ny endriky ny mpanompo Izy. Ary niseho ho tahaka ny olombelona Izy. Ary hita nitovy tamin'olombelona Izy. 8 Nanetry tena Izy ary tonga mpankatoa hatramin'ny fahafatesana, dia ilay fahafatesan'ny hazofijaliana! 9 Noho izany dia nasandratr'Andriamanitra avo dia avo ihany koa Izy. Nomeny ilay Anarana izay ambonin'ny anarana rehetra Izy. 10 Nataony izany mba ho amin'ny Anaran'i Jesosy no handohalihan'ny lohalika rehetra, ny lohalik'ireo izay any an-danitra sy ety an-tany ary any ambanin'ny tany. 11 Nataony izany haneken'ny lela rehetra fa i Jesosy Kristy no Tompo, ho voninahit'Andriamanitra Ray. 12 Noho izany, ry malalako, tahaka ny ankatoavanareo hatrany, tsy eo amin'ny fanatrehako ihany fa mihoatra lavitra aza ankehitriny rehefa tsy eo aho, dia asehoy amin'ny tahotra sy hovitra ny famonjena anareo. 13 Satria Andriamanitra no miasa ao aminareo mba ho vonon-kanao no sady hiasa ho an'ny fifaliany ianareo. 14 Ataovy tsy am-pitarainana na fiadian-kevitra ny zavatra rehetra. 15 Manaova toy izany mba ho tonga zanak'Andriamanitra tsy misy tsiny sady marina, tsy misy kilema ianareo. Miasà toy izany mba hamirapiratanareo tahaka ny fahazavana eo amin'izao tontolo izao, eo afovoan'ny taranaka meloka sady maditra. 16 Mifikira mafy amin'ilay Tenin'ny fiainana mba hananako antony hireharehàna amin'ny andron'i Kristy. Fa amin'izany dia ho fantatro fa tsy very maina ny nihazakazahako ary tsy very maina ny niasàko. 17 Fa na dia ahidina ho fanatitra eo amin'ny sorona sy fanompom-pinoana aza aho, dia mifaly aho, ary miara-mifaly aminareo rehetra aho. 18 Ary tahaka izany koa no hifalianareo, ary miara-mifaly amiko ianareo. 19 Fa manantena ao amin'i Tompo Jesosy aho fa handefa an'i Timoty any aminareo faingana, mba hahery ihany koa aho rehefa fantatro ny zavatra momba anareo. 20 Fa tsy manana olona hafa mitovy toe-tsaina aminy aho, izay tena manahy ny aminareo. 21 Fa izy rehetra dia mitady ny tombon-tsoany, fa tsy ny zavatr'i Jesosy Kristy. 22 Fa fantatrareo ny fahamendrehany, satria tahaka ny zaza manompo ny rainy, no nanompoany niaraka tamiko tao amin'ny filazantsara. 23 Koa manantena ny handefa azy aho raha vao hitako hoe manao ahoana ny fandehan-javatra aty amiko. 24 Fa matoky ny Tompo aho fa ho avy any faingana koa ny tenako. 25 Fa mieritreritra aho fa ilaina ihany koa ny mampiverina an'i Epafrodito any aminareo. Ralahiko izy sy mpiara-miasa no mpiara-miady, sady mpitondra hafatrareo izy no mpanompo amin'izay ilaiko. 26 Fa tra-pahoriana mafy izy, ary manina ny hiaraka taminareo rehetra izy, satria renareo fa narary izy. 27 Fa tena narary izy ka efa saika maty. Fa namindra fo taminy Andriamanitra, ary tsy taminy irery, fa tamiko koa, mba tsy hananako alahelo ambonin'ny alahelo. 28 Koa dia amim-paharisihana lehibe rehetra no handefasako azy, ka rehefa hahita azy indray ianareo dia mba hifaly ka dia ho afaka kokoa amin'ny fanahiako aho. 29 Raiso ao amin'ny Tompo Epafrodito miaraka amin'ny fifaliana rehetra. Hajao ny olona tahaka azy. 30 Fa ho an'ny asan'i Kristy no nanakaikezany ny fahafatesana. Fa nanao vy verin'ny ainy izy hanompoana ahy mba hanatanterahany izay tsy afaka nataonareo tamin'ny fanompoana tamiko.