Toko faha 7

1 Tamin'ny andro nahavitan'i Mosesy ny tabernakely, dia nosorany izany ary natokany ho an'i Yaveh, niaraka tamin'ny fanaka rehetra. Nataony toy izany koa ny alitara sy ny fanaka rehetra. Nosorany izany ary natokany ho an'i Yaveh. 2 Tamin'izany andro izany dia nanolotra sorona ireo mpitarik'Israely, sy ireo lohan'ny fianakavian'ny razambeny. Ireo lehilahy ireo no nitarika ny foko. Izy ireo no nanara-maso ny fanisana ny olona tamin'ny fanisam-bahoaka. 3 Nentin'izy ireo teo anatrehan'i Yaveh ny fanatitr'izy ireo. Nitondra sarety misarona enina sy omby roa ambin'ny folo izy ireo, ary ny mpitarika tsirairay dia nitondra omby iray. Nitondra sarety iray isaky ny mpitarika roa avy izy ireo, ary ny mpitarika tsirairay dia nitondra omby iray avy. Naterin'izy ireo teo anatrehan'ny tabernakely ireo zavatra rehetra ireo. 4 Dia niresaka tamin'i Mosesy i Yaveh. Hoy Izy hoe: 5 "Ekeo ny fanatitra avy amin'izy ireo ary ampiasao ho amin'ny asa ao amin'ny trano-lay fihaonana ny fanatitra. Omeo an'ireo Levita ireo fanatitra, dia amin'ny tsirairay araka ny ilain'izy ireo amin'ny asany avy." 6 Nalain'i Mosesy ireo sarety sy ireo omby, ary nomeny an'ireo Levita. 7 Nanome sarety roa sy omby efatra ho an'ny taranak'i Gersona izy, nohon'ny filan'izy ireo amin'ny asany. 8 Nanome sarety efatra sy omby valo ho an'ny taranak'i Merary izy, ho eo amin'ny fiahian'i Itamara zanak'i Arona mpisorona. Nataony izany noho izay notakian'ny asan'izy ireo. 9 Fa tsy nanome na inona na inona tamin'ireo zavatra ireo ho an'ny taranak'i Kehata izy, satria ny azy ireo dia asa mifandraika amin'ny zavatra izay an'i Yaveh izay ho lanjainy eo an-tsorony. 10 Nanolotra ireo fanomezany ireo mpitarika mba ho an'ny fanokanana ny alitara tamin'ny andro izay nanosoran'i Mosesy ny alitara. Nanolotra ny sorony teo anoloan'ny alitara ireo mpitarika. 11 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Aoka ny mpitarika tsirairay hanolotra ny sorony amin'ny androny avy ho an'ny fanokanana ny alitara." 12 Tamin'ny andro voalohany, dia Nasona zanak'i Aminadaba, avy amin'ny fokon'i Joda, no nanolotra ny sorony. 13 Ny sorony dia lovia volafosty iray milanja sekely 130 sy lovia jobo iray milanja sekely fitopolo, araka ny sandan'ny lanjan'ny sekelin'ny toerana masina. Ireo zavatra ireo dia samy feno divay sy lafarina tsara toto miharo menaka hatao fanatitra hohanina. 14 Nanome lovia volamena iray milanja sekely folo sady feno ditin-kazo manitra izy. 15 Nanome vantotr'ombilahy iray, ondry iray, ary zanak'ondry lahy herintaona, ho fanatitra dorana izy. 16 Nanome osilahy ho fanatitra nohon'ny ota izy. 17 Nanome omby roa, ondry dimy, osilahy dimy, ary zanak'ondry lahy dimy izay herintaona, ho sorona hatao fanati-pihavanana izy. Izany no soron'i Nasona zanak'i Aminadaba. 18 Tamin'ny andro faharoa, Netanela zanak'i Zoara, mpitarik'i Isakara, no nanolotra ny sorony. 19 Nanolotra lovia volafotsy milanja sekely 130 sy lovia jobo milanja sekely fitopolo izy ho sorony, araka ny sandan'ny lanjan'ny sekelin'ny toerana masina. Samy feno lafarina tsara toto miharo menaka ho fanatitra hohanina ireo zavatra ireo. 20 Nanome lovia volamena milanja sekely folo, feno ditin-kazo manitra ihany koa izy. 21 Nanome vantotr'ombilahy iray, ondry iray, ary zanak'ondry lahy herintaona, ho fanatitra dorana ihany koa izy. 22 Nanome osilahy iray ho fanatitra nohon'ny ota izy. 23 Nanome omby roa, ondry dimy, osilahy dimy, ary zanak'ondry lahy izay herintaona, ho sorona hatao fanati-pihavanana izy. Izany no soron'i Netanela zanak'i Zora. 24 Tamin'ny andro fahatelo, Eliaba zanak'i Helona, mpitarika ireo taranak'i Zebolona, no nanolotra sorona. 25 Ny sorony dia lovia volafotsy iray milanja sekely 130, ary lovia jobo iray milanja sekely fitopolo araka ny sandan'ny lanjan'ny sekelin'ny toerana masina. Samy feno lafarina tsara toto miharo menaka ho an'ny fanatitra hohanina ireo zavatra ireo. 26 Nanome lovia volamena milanja sekely folo, feno ditin-kazo manitra ihany koa izy. 27 Nanome vantotr'ombilahy iray, ondry iray, ary zanak'ondry lahy herintaona ho fanatitra dorana izy. 28 Nanome osilahy iray ho fanatitra nohon'ny ota izy. 29 Nanome omby roa, ondry dimy, osilahy dimy, ary zanak'ondry lahy dimy izay herintaona, ho sorona ho an'ny fanati-pihavanana izy. Izany no soron'i Eliaba zanak'i Helona. 30 Tamin'ny andro fahefatra, Elizora zanak'i Sedeora, mpitarika ireo taranak'i Robena, no nanolotra ny sorony. 31 Ny sorony dia lovia volafotsy milanja sekely 130 sy lovia jobo iray milanja sekely fitopolo, araka ny sandan'ny lanjan'ny sekelin'ny toerana masina. Samy feno lafarina tsara toto miharo menaka ho fanatitra hohanina ireo zavatra ireo. 32 Nanome lovia volamena iray milanja sekely folo, feno ditin-kazo manitra ihany koa izy. 33 Nanome vantotr'ombilahy iray, ondy iray, ary zanak'ondry lahy herintaona ho fanatitra dorana izy. 34 Nanome osilahy ho fanatitra nohon'ny ota izy. 35 Nanome omby roa, ondry dimy, osilahy dimy, ary zanak'ondry lahy dimy izay herintaona, ho sorona ho an'ny fanati-pihavanana izy. Izany no soron'i Elizora zanak'i Sedora. 36 Tamin'ny andro fahadimy, Selomiela zanak'i Zorisaday, mpitarika ny taranak'i Simeona, no nanolotra ny sorony. 37 Ny sorony dia lovia volafotsy milanja sekely 130 sy lovia jobo milanja sekely fitopolo, araka ny sandan'ny lanjan'ny sekelin'ny toerana masina. Samy feno lafarina tsara toto miharo menaka ho fanatitra hohanina ireo zavatra ireo. 38 Nanome lovia volamena milanja sekely folo, feno ditin-kazo manitra ihany koa izy. 39 Nanome vantotr'ombilahy iray, ondry iray, ary zanak'ondry lahy herintaona ho fanatitra dorana izy. 40 Nanome osilahy iray ho fanatitra nohon'ny ota izy. 41 Nanome omby roa, ondry dimy, osilahy dimy, ary zanak'ondry lahy izay herintaona, ho sorona ho an'ny fanati-pihavanana izy. Izany no soron'i Selomiela zanak'i Zorisaday. 42 Tamin'ny andro fahenina, Eliasafa zanak'i Doela, mpitaraka ny taranak'i Gada, no nanolotra ny sorony. 43 Ny sorony dia lovia volafotsy iray milanja sekely 130 sy lovia jobo iray milanja sekely fitopolo, araka ny sandan'ny lanjan'ny sekelin'ny toerana masina. Samy feno lafarina tsara toto miharo menaka ho fanatitra hohanina ireo zavatra ireo. 44 Nanome lovia volamena iray milanja sekely folo, feno ditin-kazo manitra ihany koa izy. 45 Nanome vantotr'ombilahy iray, ondry iray, ary zanak'ondry lahy herintaona ho fanatitra dorana izy. 46 Nanome osilahy iray ho fanatitra nohon'ny ota izy. 47 Nanome omby roa, ondry dimy, osilahy dimy, ary zanak'ondry lahy izay herintaona, ho sorona ho an'ny fanati-pihavanana izy. Izany no soron'i Eliasafa zanak'i Doela. 48 Tamin'ny andro fahafito, Elisama zanak'i Amihoda, mpitarika ny taranak'i Efraima, no nanolotra ny sorony. 49 Ny sorony dia lovia volafotsy irsekely ay milanja 130 sy lovia jobo iray milanja sekely fitopolo, araka ny sandan'ny lanjan'ny sekelin'ny toerana masina. Samy feno lafarina tsara toto miharo menaka ho fanatitra hohanina ireo zavatra ireo. 50 Nanome lovia volamena milanja sekely folo, feno ditin-kazo manitra ihany koa izy. 51 Nanome vantotr'ombilahy iray, ondry iray, ary zanak'ondry lahy herintaona ho fanatitra dorana izy. 52 Nanome osilahy iray ho fanatitra nohon'ny ota izy. 53 Nanome omby roa, ondry dimy, osilahy dimy, ary zanak'ondry lahy izay herintaona, ho sorona ho an'ny fanati-pihavanana izy. Izany no soron'i Elisama zanak'i Amihoda. 54 Tamin'ny andro fahavalo, Gamaliela zanak'i Pedazora, mpitarika ny taranak'i Manase, no nanolotra ny sorony. 55 Ny sorony dia lovia volafotsy milanja sekely 130 sy lovia jobo milanja sekely topolo, araka ny sandan'ny lanjan'ny sekelin'ny toerana masina. Samy feno lafarina tsara miharo menaka ho fanatitra hohanina ireo zavatra ireo. 56 Nanome lovia volamena milanja sekely folo, feno ditin-kazo manitra ihany koa izy. 57 Nanome vantotr'ombilahy iray, ondry iray, ary zanak'ondry lahy herintaona ho fanatitra dorana izy. 58 Nanome osilahy iray ho fanatitra nohon'ny ota izy. 59 Nanome omby roa, ondry dimy, osilahy dimy, ary zanak'ondry lahy izay herintaona, ho sorona ho an'ny fanati-pihavanana izy. Izany no soron'i Gamaliela zanak'i Pedazora. 60 Tamin'ny andro fahasivy, Abidana zanak'i Gideony, mpitarika ny taranak'i Benjamina, no nanolotra ny sorony. 61 Ny sorony dia lovia volafotsy milanja sekely 130 sy lovia jobo milanja sekely fitopolo, araka ny sandan'ny lanjan'ny sekelin'ny toerana masina. Samy feno lafarina tsara toto miharo menaka ho fanatitra hohanina ireo zavatra ireo. 62 Nanome lovia volamena milanja sekely folo, feno ditin-kazo manitra ihany koa izy. 63 Nanome vantotr'ombilahy iray, ondry iray, ary zanak'ondry lahy herintaona ho fanatitra dorana izy. 64 Nanome osilahy iray ho fanatitra nohon'ny ota izy. 65 Nanome omby roa, ondry dimy, osilahy dimy, ary zanak'ondry lahy izay herintaona, ho sorona ho an'ny fanati-pihavanana izy. Izany no soron'i Abidana zanak'i Gideony. 66 Tamin'ny andro fahafolo, Ahiezera zanak'i Amisaday, mpitarika ny taranak'i Dana, no nanolotra ny sorony. 67 Ny sorony dia lovia volafotsy milanja sekely 130 sy lovia jobo milanja sekely fitopolo, araka ny sandan'ny lanjan'ny sekelin'ny toerana masina. Samy feno lafarina tsara toto miharo menaka ho fanatitra hohanina ireo zavatra ireo. 68 Nanome lovia volamena milanja sekely folo, feno ditin-kazo manitra ihany koa izy. 69 Nanome vantotr'ombilahy iray, ondry iray, ary zanak'ondry lahy herintaona ho fanatitra dorana izy. 70 Nanome osilahy iray ho fanatitra nohon'ny ota izy. 71 Nanome omby roa, ondry dimy, osilahy dimy, ary zanak'ondry lahy izay herintaona, ho sorona ho an'ny fanati-pihavanana izy. Izany no soron'i Ahiezera zanak'i Amisaday. 72 Tamin'ny andro fahiraika ambin'ny folo, Pagiela zanak'i Okrana, mpitarika ny taranak'i Asera, no nanolotra ny sorony. 73 Ny sorony dia lovia volafotsy milanja sekely 130 sy lovia jobo milanja sekely fitopol, araka ny sandan'ny lanjan'ny sekelin'ny toerana masina. Samy feno lafarina tsara toto miharo menaka ho fanatitra hohanina ireo zavatra ireo. 74 Nanome lovia volamena milanja sekely folo, feno ditin-kazo manitra ihany koa izy. 75 Nanome vantotr'ombilahy iray, ondry iray, ary zanak'ondry lahy herintaona ho fanatitra dorana izy. 76 Nanome osilahy iray ho fanatitra nohon'ny ota izy. 77 Nanome omby roa, ondry dimy, osilahy dimy, ary zanak'ondry lahy izay herintaona, ho sorona ho an'ny fanati-pihavanana izy. Izany no soron'i Pagiela zanak'i Okrana. 78 Tamin'ny andro faharoa ambin'ny folo, Ahira zanak'i Enana, mpitarika ny taranak'i Naftaly, no nanolotra ny sorony. 79 Ny sorony dia lovia volafotsy milanja sekely 130 sy lovia jobo milanja sekely fitopolo, araka ny sandan'ny lanjan'ny sekelin'ny toerana masina. Samy feno lafarina tsara toto miharo menaka ho fanatitra hohanina ireo zavatra ireo. 80 Nanome lovia volamena milanja sekely folo, feno ditin-kazo manitra ihany koa izy. 81 Nanome vantotr'ombilahy iray, ondry iray, ary zanak'ondry lahy herintaona ho fanatitra dorana izy. 82 Nanome osilahy iray ho fanatitra nohon'ny ota izy. 83 Nanome omby roa, ondry dimy, osilahy dimy, ary zanak'ondry lahy izay herintaona, ho sorona ho an'ny fanati-pihavanana izy. Izany no soron'i Ahira zanak'i Enana. 84 Natokan'ireo mpitarika ny Israely tamin'ny andro nanosoran'i Mosesy ny alitara ireo zavatra ireo. Natokan'izy ireo ny lovia volafotsy roa ambin'ny folo, ireo lovia jobo roa ambin'ny folo, ary ireo lovia volamena roa ambin'ny folo. 85 Ny lovia volafotsy tsirairay dia samy nilanja sekely 130 avy ary ny lovia jobo dia nilanja sekely fitopolo avy. Ireo fanaka volafosty rehetra dia nilanja sekely 2.400, araka ny sandan'ny lanjan'ny sekelin'ny toerana masina. 86 Ny tsirairay amin'ireo lovia volamena roa ambin'ny folo, feno ditin-kazo manitra, dia nilanja sekely folo araka ny sandan'ny lanjan'ny sekelin'ny toerana masina. Ny lovia volamena rehetra dia nilanja sekely 120. 87 Natokan'izy ireo avokoa ireo biby ho fanatitra dorana, dia ombilahy roa ambin'ny folo, ondry roa ambin'ny folo, ary zanak'ondry lahy herintaona roa ambin'ny folo. Nomen'izy ireo ny fanatitra hohaniny. Nanome osilahy roa ambin'ny folo ho fanatitra nohon'ny ota izy ireo. 88 Nanome ombilahy efatra amby roapolo, ondry enimpolo, osilahy enimpolo, ary zanak'ondry lahy herintaona enimpolo avy tamin'ny biby fiompiny izy ireo, ho sorona ho an'ny fanati-pihavanana. Izany dia ho an'ny fanokanana ny alitara taorian'ny nanosorana azy. 89 Rehefa niditra tao amin'ny trano-lay fihaonana mba hiresaka tamin'i Yaveh i Mosesy, dia nandre ny feony niteny taminy izy. Niteny taminy avy teo ambonin'ny saronam-panavotana teo amin'ny fiaran'ny vavolombelona, avy teo anelanelan'ny kerobima anankiroa Yaveh. Niresaka taminy Izy.