Toko faha 6

1 Yaveh niteny tamin'i Mosesy. Hoy Izy hoe: 2 "Mitenena amin'ny vahoakan'i Israely. Lazao amin'izy ireo hoe: 'Raha misy lehilahy na vehivavy mitokan-tena ho an'i Yaveh amin'ny voady manokan'ny Nazirita, 3 dia aoka hifady divay na zava-pisotro mahery izy. Aoka tsy hisotro vinaingitra natao tamin'ny divay na tamin'ny zava-pisotro mahery izy. Aoka tsy hisotro ranom-boaloboka izy na hihinana voaloboka tsara na voaloboka maina. 4 Amin'ny andro rehetra izay hitokanany ho Ahy, dia aoka tsy hihinana na inona na inona izay vita amin'ny voaloboka izy, anisan'izany ny zavatra rehetra vita hatramin'ny voany ka hatramin'ny hodiny. 5 Mandritra ny fotoan'ny voadim-pitokanany rehetra, dia tsy hisy hareza hampiasaina amin'ny lohany mandra-pahatapitry ny andron'ny fitokanany ho an'i Yaveh. Aoka hatokana ho an'i Yaveh izy. Aoka hamela ny volony hihalava amin'ny lohany izy. 6 Mandritra ny fotoana rehetra izay hitokanany ho an'i Yaveh, dia aoka tsy hanakaiky faty izy. 7 Aoka tsy handoto ny tenany izy eny fa na dia ho an'ny rainy, reniny, rahalahiny, na anabaviny aza, raha maty ireo. Izany dia satria efa nitokana ho an'Andriamanitra izy, izay hitan'ny olona amin'ny halavan'ny volony. 8 Mandritra ny fotoan'ny fitokanany rehetra dia masina izy, voatokana ho an'i Yaveh. 9 Raha misy olona maty tampoka eo akaikiny ka mandoto ny lohany voamasina, dia aoka hanaratra ny lohany izy amin'ny andron'ny fanadiovana azy—amin'ny andro fahafito no tsy maintsy hanaratany izany. 10 Amin'ny andro fahavalo dia aoka hitondra voromailala roa na zana-boromailala roa ho an'ny mpisorona eo amin'ny fidirana mankao amin'ny trano-lay fihaonana izy. 11 Aoka hanolotra vorona iray ho fanatitra nohon'ny ota ary iray hafa ho fanatitra dorana ny mpisorona. Ireo dia hanonitra azy satria nanota tamin'ny naha-teo akaikin'ny faty azy izy. Aoka hanamasina ny lohany indray izy amin'izany andro izany. 12 Aoka hanoka-tena ho an'i Yaveh mandritra ny andron'ny fanamasinana azy izy. Aoka hitondra zanak'ondry lahy herintaona ho fanatitra noho ny heloka izy. Ny andro nialohan'ny nandotoany ny tenany dia aoka tsy hisaina, satria nolotoina ny fahamasinany. 13 Izany no lalàna momba ny Nazirita rehefa feno ny fotoan'ny fitokanany. Aoka ho entina eo amin'ny fidirana mankao amin'ny trano-lay fihaonana izy. 14 Aoka hanolotra ny fanatiny ho an'i Yaveh izy. Aoka hanolotra zanak'ondry lahy herintaona sady tsy misy kilema ho fanatitra dorana izy. Aoka hanolotra zanak'ondry vavy herintaona sady tsy misy kilema ho fanatitra noho ny ota izy. Aoka hitondra ondrilahy izay tsy misy kilema ho fanati-pihavanana izy. 15 Aoka hitondra mofo tsy misy lalivay eran'ny harona, mofo vita amin'ny kobam-bary tsara toto miharo menaka, mofo manify tsy misy lalivay natsoboka tao amin'ny menaka, miaraka amin'ny fanatitra hohanina sy fanatitra sotroina ihany koa izy. 16 Aoka hanolotra ireo eo anatrehan'i Yaveh ny mpisorona. Aoka hanolotra ny fanatitra noho ny otany sy ny fanatitra dorany izy. 17 Miaraka amin'ny mofo tsy misy masirasira eran'ny harona, no aoka hanolorany ny ondrilahy ho sorona, dia ny fanati-pihavanana ho an'i Yaveh. Aoka hanolotra ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra sotroina ihany koa ny mpisorona. 18 Aoka hanaratra ny lohany ilay Nazirita ho fanehoana ny fitokanany ho an'Andriamanitra eo amin'ny fidirana mankao amin'ny trano-lay fihaonana. Aoka haka ny volo eo an-dohany izy ka handefa izany ao anaty afo izay ao ambanin'ny sorona ho fanati-pihavanana. 19 Aoka haka ny soroky ny ondrilahy mangotraka, singa-mofo tsy misy lalivay ao amin'ny harona, ary mofo manify tsy misy lalivay iray ny mpisorona. Aoka hametraka ireo eo an-tanan'ilay Nazirita izy rehefa avy nanaratra ny lohany hanehoana ny fitokanany izy. 20 Ny mpisorona dia aoka hanevaheva ireo ho fanatitra eo anatrehan'i Yaveh, anjara masin'ny mpisorona, miaraka amin'ny tratra izay nahevaheva sy ny fe izay natolotra ho an'ny mpisorona. Aorian'izay, dia afaka misotro divay ilay Nazirita. 21 Izany no lalàna ho an'ny Nazirita izay mivoady hitondra ny fanatiny ho an'i Yaveh ho an'ny fitokanany. Na inona na inona mety omeny, dia aoka hitandrina ireo adidin'ny voady nataony izy, mba hitàna ny fampanantenana lazain'ny lalàna ho an'ny Nazirita.''' 22 Niteny tamin'i Mosesy indray Yaveh. Hoy Izy: 23 "Mitenena amin'i Arona sy ireo zanany lahy. Lazao hoe: 'Tsofinareo rano amin'izao fomba izao ny vahoakan'i Israely. Lazaonao amin'izy ireo hoe: 24 "Hitahy anao sy hiaro anao anie Yaveh. 25 Hampamirapiratra ny tavany aminao sy hamindra fo aminao anie Yaveh. 26 Hijery anao amim-pankasitrahana sy hanome fiadanana anao anie Yaveh.''' 27 Amin'izany fomba izany no tsy maintsy hametrahan'izy ireo ny anarako eo amin'ny vahoakan'ny Israely. Dia hitahy azy ireo Aho.''