1 Niresaka tamin'i Mosesy sy Arona i Yaveh. Hoy Izy hoe: 2 "Manaova fanisana an'ireo lehilahin'ny taranak'i Kehata eo amin'ireo Levita, araka ny fokon'izy ireo sy ny razamben'ny ankohonan'izy ireo. 3 Isao ireo lehilahy rehetra izay telopolo hatramin'ny dimampolo taona. Ireo lehilahy ireo dia tsy maintsy manatevin-daharana ny antoko mba hanompo ao amin'ny trano-layfihaonana. 4 Ireo taranak'i Kehata dia tsy maintsy mikarakara ireo zavatra masina indrindra natokana ho Ahy ao amin'ny trano-lay fihaonana. 5 Rehefa miomana hifindra toerana ny toby, dia tsy maintsy miditra ao amin'ny lay i Arona sy ireo zanany lahy, mampidina ny lamba fanakonana izay manasaraka ny toerana masina indrindra amin'ny toerana masina ary manarona ny fiaran'ny vavolombelona miaraka amin'izany. 6 Tsy maintsy manarona ilay fiara amin'ny hodi-takasy izy ireo. Tsy maintsy mamelatra lamba manga eo ambonin'izany izy ireo. Tsy maintsy apetany ireo bao mba hilanjana izany. 7 Tsy maintsy mamelatra lamba manga eo ambonin'ny latabatry ny mofon'ny fanatrehana izy ireo. Izy ireo dia tsy maintsy mametraka ireo lovia, ireo sotro, ireo lovia boribory, ary siny fandrarahana eo ambonin'izany. Tsy maintsy misy mofo foana eo ambonin'ny latabatra. 8 Tsy maintsy saronan'izy ireo amin'ny lamba jaky sy amin'ny hodi-takasy ireo. Tsy maintsy apetak'izy ireo ireo bao mba hilanjana ny latabatra. 9 Tsy maintsy maka lamba manga izy ireo ary manarona ny fitoeran-jiro, miaraka amin'ny fanilon'izany, ireo hety, ireo fitoeran-davenona, ary ireo fitoeran-diloilo rehetra ho an'ireo fanilo. 10 Tsy maintsy apetrak'izy ireo ao anatin'ny fanaronana vita amin'ny hodi-takasy ny fanaovan-jiro sy ireo fitaovana rehetra miaraka amin'izany, ary tsy maintsy apetrak'izy ireo eo ambonin'ny rafitra filanjana izany. 11 Tsy maintsy mamelatra lamba manga eo ambonin'ny alitara volamena izy ireo. Tsy maintsy manarona izany amin'ny fanaronana vita amin'ny hodi-takasy izy ireo, ary avy eo mametaka ireo bao filanjana. 12 Tsy maintsy maka ireo fitaovana hiasana rehetra any amin'ny toerana masina izy ireo ary mamono izany ao anatin'ny lamba manga. Tsy maintsy manarona izany amin'ny hodi-takasy izy ireo ary mametraka ireo fitaovam-piasana eo amin'ny rafitra filanjana. 13 Tsy maintsy manala ireo lavenona amin'ny alitara izy ireo ary mamelatra lamba voloparasy eo amin'ilay alitara. 14 Tsy maintsy apetrak'izy ireo ny rafitra filanjana ireo fitaovam-piasana rehetra izay ampiasain'izy ireo amin'ny asan'ny alitara. Ireo fitaovana ireo dia ny fitondrana afo, fitreby, lapelina, lovia famafazana, ary ireo fitaovam-piasana hafa rehetra ho an'ny alitara. Tsy maintsy manarona ny alitara amin'ny hodi-takasy izy ireo ary avy eo mametaka ireo bao filanjana. 15 Rehefa avy nanarona tanteraka ny toerana masina sy ireo fitaovam-piasana rehetra niaraka tamin'izany i Arona sy ireo zanany lahy, ary rehefa mifindra toerana ny toby, dia tsy maintsy manatona mba hilanja ilay toerana masina ireo taranak'i Kehata. Raha mikasika ireo fitaovana masina izy ireo, dia tsy maintsy maty. Izao no asan'ireo taranak'i Kehata, dia ny milanja ireo fanaka ao amin'ny trano-lay fihaonana. 16 Eleazara zanaka lahin'i Arona mpisorona no manara-maso ny fikarakarana ny solika ho an'ny fanilo, ny ditin-kazo manitra, ny fanatitra voa mahazatra, ary ny diloilo fanosotra. Manara-maso ny fikarakarana ny tabernakely manontolo sy izay rehetra ao anatin'izany izy, dia ilay toerana masina sy ireo fitaovam-piasana rehetra miaraka amin'izany." 17 Niresaka tamin'i Mosesy sy Arona i Yaveh. Hoy Izy hoe: 18 "Aza avela ho alàna eo amin'ireo Levita ny fokon'ny fianakaviamben'ny Kehatita. 19 Arovy izy ireo, mba ho velona fa tsy ho faty, amin'ny alalan'ny fanaovana izao. Rehefa manatona ireo zavatra masina indrindra izy ireo 20 dia tsy tokony hiditra mba hijery ny toerana masina na dia fotoana kely aza, sao ho faty izy ireo. Arona sy ireo zanany lahy no tsy maintsy miditra ao, ary avy eo Arona sy ireo zanany lahy dia tsy maintsy manendry ny tsirairay amin'ireo Kehatita amin'ny asany avy, amin'ny andraikiny manokana." 21 Niresaka tamin'i Mosesy indray i Yaveh. Hoy Izy hoe: 22 "Manaova ihany koa fanisana an'ireo taranak'i Gersona, araka ny ankohonan'ny razamben'izy ireo, araka ny fokon'izy ireo. 23 Isao ireo izay telopolo hatramin'ny dimampolo taona. Isao izay rehetra hanatevin-daharana ny antoko mba hanompo ao amin'ny trano-lay fihaonana. 24 Izao no asan'ireo fokon'ny Gersonita, rehefa manompo izy ireo ary mitondra entana. 25 Tsy maintsy mitondra ireo lamba fanakonana ny tabernakely, ny trano-lay fihaonana, ny fanaronana izany, ny fanaronana vita amin'ny hodi-takasy izay eo amin'izany, ary ireo lamba fanakonana ny fidirana ao amin'ny trano-lay fihaonana izy ireo. 26 Tsy maintsy mitondra ireo lamba fanakonana ny fitsaràna izy ireo, ny lamba fanakonana ny vavahadin'ny fitsaràna, izay eo akaikin'ny tabernakely sy eo akaikin'ny alitara, ny tadin'ireo, ary ireo fitaovana rehetra ho an'ny fanompoan'izy ireo. Izay rehetra tokony ho vita amin'ireo zavatra ireo, dia tsy maintsy ataon'izy ireo. 27 Arona sy ny zanany lahy dia tsy maintsy manoro ireo asan'ny taranak'ireo Gersonita rehetra, amin'izay rehetra entin'izy ireo, ary amin'ny fanompoan'izy ireo rehetra. Tsy maintsy tendrenareo amin'ny andraikiny rehetra izy. 28 Izany no fanompoan'ireo fokon'ireo taranaky ny Gersonita ho an'ny trano-lay fihaonana. Itamara zanaka lahin'i Arona mpisorona dia tsy maintsy mitarika azy ireo amin'ny fanompoany. 29 Tsy maintsy manisa ireo taranak'i Merary araka ny fokon'izy ireo ianareo, ary mandahatra azy ireo araka ny ankohonan'ny razamben'izy ireo, 30 manomboka amin'ny telopolo taona no ho mihoatra ka hatramin'ny dimampolo taona. Isao ireo rehetra izay handeha hanatevin-daharana ny antoko sy hanompo ao amin'ny trano-lay fihaonana. 31 Izao no andraikitr'izy ireo sy ny asan'izy ireo amin'ny fanompoan'izy rehetra ho an'ny trano-lay fihaonana. Tsy maintsy mikarakara ny entan'ny tabernakely, ny hidin'izany, ireo andry, ary ireo faladia, 32 miaraka amin'ireo andrin'ny fitsaràna manodidina ny tabernakely, ny faladian'ireo, ireo tsatokany, ary ireo tadiny, miaraka amin'ireo fitaovany rehetra izy ireo. Soraty araka ny anarana ireo fanaka izay tsy maintsy entin'izy ireo. 33 Izao no asan'ireo fokon'ny taranak'i Merary, izay ataon'izy ireo ho an'ny trano-lay fihaonana, eo ambany fitarihan'Itamara zanaka lahin'i Arona mpisorona." 34 Mosesy sy Arona ary ireo mpitarika ny fivondronana no nanisa ireo taranak'i Kehatita araka ny fokon'ny razamben'izy ireo. 35 Nisain'izy ireo manomboka amin'ny telopolo ka hatramin'ny dimampolo taona izy ireo. Nanisa izay rehetra hanatevin-daharana ny antoko mba hanompo ao amin'ny trano-lay fihaonana izy ireo. 36 Olona 2.750 no voaisan'izy ireo araka ny fokony. 37 Mosesy sy Arona dia nanisa ireo olona rehetra tao amin'ireo foko sy ireo fianakavian'ireo Kehatita izay manompo ao amin'ny trano-lay fihaonana. Tamin'ny fanaovana izany, dia nankatoa izay nodidian'i Yaveh ho ataon'izy ireo tamin'ny alalan'i Mosesy izy ireo. 38 Ireo taranak'i Gersona dia nisaina tao amin'ny fokon'izy ireo, araka ny ankohonan'ny fianakavian'izy ireo, 39 manomboka amin'ny telopolo ka hatramin'ny dimampolo taona, izay rehetra hiditra ao amin'ny antoko mba hanompo ao amin'ny trano-lay fihaonana. 40 Ny olona rehetra, dia nisaina araka ny fokon'izy ireo sy ny ankohonan'ny razamben'izy ireo avy, 2.630 isa. 41 Mosesy sy Arona dia nanisa ireo fokon'ny taranak'i Gersona izay hanompo ao amin'ny trano-layfihaonana. Tamin'ny fanaovana izany, dia nankatoa izay nodidian'i Yaveh ho ataon'izy ireo amin'ny talalan'i Mosesy izy ireo. 42 Ireo taranak'i Merary dia nisaina tao amin'ny fokon'izy ireo araka ny ankohonan'ny razamben'izy ireo, 43 manomboka amin'ny telopolo ka hatramin'ny dimampolo taona, izay rehetra hiditra ao amin'ny antoko mba hanompo ao amin'ny trano-lay fihaonana. 44 Ny olona rehetra, dia nisaina araka ny fokon'izy ireo sy ny ankohonan'ny razamben'izy ireo avy, 3.200 isa. 45 Nanisa ireo olona rehetra ireo i Arona sy Mosesy, dia ireo taranak'i Merary. Tamin'ny fanaovana izany, dia nankatoa izay nodidian'i Yaveh ho ataon'izy ireo tamin'ny alalan'i Mosesy izy ireo. 46 Koa nanisa ireo Levita rehetra araka ny fokon'izy ireo tao amin'ny fianakavian'ny razambeny 47 nanomboka tamin'ny telopolo ka hatramin'ny dimampolo taona i Mosesy, Arona, ary ireo mpitarik'Israely. Nisain'izy ireo izay rehetra hiasa ao amin'ny tabernakely, sy izay hitondra ary hikarakara ireo fanaka ao amin'ny trano-lay fihaonana. 48 Olona 8.580 no voaisan'izy ireo. 49 Araka ny didin'i Yaveh, dia nanisa ny olona tsirairay i Mosesy, araka ny karazan'asa izay nanendrena azy avy. Nanisa ny olona tsirairay araka ny karazan'andraikitra nosahaniny avy izy. Tamin'ny fanaovana izany, dia nankatoa izay nodidian'i Yaveh ho ataon'izy ireo tamin'ny alalan'i Mosesy izy ireo.