1 Ary izao no tantaran'ny taranak'i Arona sy Mosesy rehefa niteny tamin'i Mosesy tany amin'ny tendrombohitra Sinay i Yaveh. 2 Ny anaran'ireo zanaka lahin'i Arona dia i Nadaba lahimatoa, sy Abiho, Eleazara, ary Itamara. 3 Ireo no anaran'ireo zanaka lahin'i Arona, ireo mpisorona izay voahosotra sy voatokana hanompo ho mpisorona. 4 Fa Nadaba sy Abiho kosa lavo maty teo anatrehan'i Yaveh rehefa nanolotra Azy afo tsy azo ekena tany amin'ny efitr'i Sinay izy ireo. Tsy nanan-janaka i Nadaba sy Abiho, ka dia Eleazara sy Itamara ihany no nanompo ho mpisorona niaraka tamin'i Arona rain'izy ireo. 5 Niteny tamin'i Mosesy i Yaveh. Hoy izy: 6 "Ento ny fokon'i Levy ka ampisehoy amin'i Arona mpisorona izy ireo mba hanampy azy. 7 Aoka hanao ireo adidy amin'ny anjaran'i Arona sy ny fivondronana manontolo eo anoloan'ny trano-layfihaonana izy ireo. Aoka izy ireo hanompo ao amin'ny tabernakely. 8 Aoka hikarakara ireo fanaka rehetra ao amin'ny trano-lay fihaonana izy ireo, ary hanampy ireo fokon'Israely hanatanteraka ny asa fanompoana ny tabernakely. 9 Aoka hatolotrao an'i Arona sy ireo zanany lahy ireo Levita. Atolotra manontolo izy ireo mba hanampy azy hanompo ny vahoakan'Israely. 10 Tsy maintsy tendrenao ho mpisorona i Arona sy ireo zanany lahy, fa izay olona hafa firenena tonga manakaiky dia tsy maintsy vonoina ho faty." 11 Niteny tamin'i Mosesy i Yaveh. Hoy Izy hoe: 12 "Indro, efa naka ireo Levita avy tamin'ireo vahoakan'Israely Aho. Izany no nataoko raha tokony naka ny lahimatoa tsirairay izay teraka tamin'ny vahoakan'Israely. Ahy ireo Levita. 13 Ahy ny voalohan-teraka rehetra. Tamin'ny andro namelezako ny lahimatoa rehetra tany amin'ny tany Egypta, no nanokanako ho Ahy ny voalohan-terak'Israely rehetra, na ny vahoaka na ny biby fiompy. Ahy ireny. Izaho no Yaveh." 14 Niteny tamin'i Mosesy tany an'efitr'i Sinay i Yaveh. Hoy Izy hoe: 15 "Isao isaky ny ankohonana ny taranak'i Levy, isaky ny ankohonan'ny razamben'izy ireo. Isao ny lehilahy rehetra izay iray volana no ho miakatra." 16 Nanisa azy ireo i Mosesy, araka ny tenin'i Yaveh, araka ny nandidiana azy ho atao. 17 Ny anaran'ireo zanaka lahin'i Levy dia Gersona, Kohata, ary Merary. 18 Ny fianakaviam-be avy amin'ireo zanaka lahin'i Gersona dia Libny sy Simey. 19 Ny fianakaviam-be avy amin'ireo zanaka lahin'i Kohata dia Amrama, Izara, Hebrona, Ary Oziela. 20 Ny fianakaviam-be avy amin'ireo zanaka lahin'i Merary dia Maly sy Mosy. Ireo no fianakaviam-ben'ireo Levita, izay nalahatra araka ny fianakaviany avy. 21 Ireo fianakaviam-ben'ireo Libnita sy ireo Simeita dia avy amin'i Gersona. Ireo avy no fianakaviamben'ireo Gersonita. 22 Ny lahy rehetra manomboka iray volana no miakatra dia nisaina, niisa 7.500. 23 Ny fianakaviam-ben'ireo Gersonita dia hitoby eo amin'ny ilany andrefan'ny tabernakely. 24 Eliasafa zanaka lahin'i Laela no tsy maintsy hitarika ireo fianakaviam-ben'ny taranaky ny Gersonita. 25 Ny fianakavian'i Gersona dia tsy maintsy mikarakara ny trano-lay fihaonana ka ao anatin'izany ny tabernakely. Hikarakara ny trano-lay izy ireo, ny firakony, sy ireo lamba ampiasaina amin'ny fidirana ao amin'ny trano-lay fihaonana. 26 Tsy maintsy mikarakara ny lamban-kianja izy ireo, ny lamba eo amin'ny fidiran'ny kianja—ny kianja izay mihodidina ny fitoerana masina sy ny alitara. Aoka hikarakara ireo tadin'ny trano-lay fihaonana sy izay rehetra ao aminy izy ireo. 27 Avy amin'i Kohata ireo fianakaviam-be ireo: fianakavian'ny Amramita, ny fianakavian'ny Izarita, ny fianakavian'ny Hebronita, ary ny fianakavian'ny Ozielita. 28 An'ireo Kohatita ireo fianakaviam-be ireo. 8.600 lahy iray volana no ho miakatra no efa voaisa mba hikarakara ireo fananan'i Yaveh. 29 Ireo fianakavian'ny taranak'i Kohata dia tsy maintsy mitoby mianatsimon'ny tabernakely. 30 Elifaza zanaka lahin'i Oziela no tsy maintsy hitarika ny fianakaviam-ben'ireo Kohatita. 31 Izy ireo no tsy maintsy mikarakara ny fiara, ny latabatra, ny fitoeran-jiro, ireo alitara, ireo zava-masina izay ampiasaina amin'ny fanompoany, ny lamba, ary izay asa rehetra mahakasika izany. 32 Eleazara zanaka lahin'i Arona mpisorona no tsy maintsy hitarika ireo lehilahy izay mitarika ireo Levita. Tokony hanara-maso ireo lehilahy izay mikarakara ny fitoerana masina izy. 33 Fianakaviam-be roa no avy amin'i Merary: ny fianakavian'ny Malita sy ny fianakavian'ny Mosita. Ireo fianakaviambe ireo dia avy amin'i Merary. 34 6.200 lahy iray volana no ho miakatra no efa voaisa. 35 Zoriela zanaka lahin'i Abihaila no tsy maintsy hitarika ireo fianakaviamben'i Merary. Tsy maintsy mitoby mianavaratry ny tabernakely izy ireo. 36 Ny taranak'i Merary dia tokony hikarakara ny rafitry ny tabernakely, ireo barany, tsanganana, faladiany, ny fitaovana rehetra, sy izay rehetra mahakasika ireo, ao anatin'izany 37 ireo andry sy tsanganan'ny kianja izay mihodidina ny tabernakely, miaraka amin'ny faladian'ireo, fihantonan-javatra, sy tady. 38 Mosesy sy Arona ary ireo zanaka lahin'izy ireo dia tsy maintsy hitoby miatsinanan'ny tabernakely, eo anoloan'ny trano-lay fihaonana, tandrifin'ny fiposahan'ny masoandro. Izy ireo no tompon'andraikitra ho an'ny fanatanterahana ireo adidy amin'ny fitoerana masina sy ireo adidy amin'ny vahoakan'Israely. Na iza na iza olona hafa firenena manatona ny fitoerana masina dia tsy maintsy ho faty. 39 Mosesy sy Arona nanisa ny lahy rehetra tamin'ny fianakaviam-ben'i Levy izay iray volana no ho miakatra, araka izay nandidian'i Yaveh. Niisa roa arivo sy roa alina izy ireo. 40 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy: "Isao ny voalohan-teraky ny vahoakan'Israely rehetra izay iray volana no ho miakatra. Raiso ny anaran'izy ireo. 41 Aoka halainao ho Ahy ireo Levita—Izaho Yaveh— ho solon'ny voalohan-teraky ny vahoakan'Israely, sy ny biby fiompin'ireo Levita ho solon'ny voalohan-teraky ny biby fiompin'ny taranak'Israely." 42 Mosesy nanisa ny voalohan-teraky ny vahoakan'Israely rehetra araka izay efa nandidian'i Yaveh azy hatao. 43 Nanisa ny lahimatoa rehetra araka ny anarana izy, iray volana no ho miakatra. Nahavoaisa 22.273 lahy izy. 44 Niteny tamin'i Mosesy indray i Yaveh. Hoy Izy hoe: 45 "Alaivo ireo Levita ho solon'ny voalohan-teraka amin'ny vahoakan'Israely, ary alaivo ny biby fiompin'ireo Levita ho solon'ny biby fiompin'ny vahoaka. Ahy ireo Levita— Izaho no Yaveh. 46 Manangòna sekely dimy ho an'ny fanavotana isan'olona amin'ireo voalohan-teraky ny vahoakan'Israely izay mihoatra ny isan'ireo Levita. 47 Ampiasao araka ny fenitry ny lanjanao ny sekelin'ny fitoerana masina. Gera roapolo ny sekely. 48 Homenao an'i Arona sy ireo zanany lahy ny vidim-panavotana izay naloanao." 49 Ka dia nanangona ny vidin'ny fanavotana avy tamin'ireo izay nihoatra isa tamin'ireo navotan'ireo Levita i Mosesy. 50 Nanangona ny vola avy tamin'ny voalohan-teraky ny vahoakan'Israely i Mosesy. Nahangona sekely 1.365 izy, nolanjaina tamin'ny sekelin'ny fitoerana masina. 51 Mosesy nanome ny volam-panavotana ho an'i Arona sy ireo zanany lahy. Mosesy nanao izay nasain'ny tenin'i Yaveh nataony, araka izay efa nandidian'i Yaveh azy.