1 Ary ireo mpitarika ny fianakavian-drazamben'ny fianakaviam-ben'i Gileada zanak'i Makira (izay zanak'i Manase), izay avy amin'ireo fokon'ny taranak'i Josefa, dia tonga ka niteny teo anoloan'i Mosesy sy teo anoloan'ireo mpitarika izay lohan'ny fianakavian-drazamben'ny vahoakan'ny Israely. 2 Hoy izy ireo: "Yaveh no nandidy anao, ry tomponay, mba hanome anjara tany ho an'ny vahoakan'ny Israely amin'ny filokana. Nodidian'i Yaveh ianao mba hanome ny anjaran'i Zelofada rahalahinay ho an'ireo zanany vavy. 3 Nefa raha manambady lehilahy avy amin'ny fokon'ny vahoakan'ny Israely hafa ireo zanany vavy, dia hesorina tsy ho anjaran'ny razambentsika ny anjaran'izy ireo. Hanampy ny anjaran'ireo foko izay andehanan'izy ireo izany. Amin'izany, dia hesorina tsy ho anjara voatendry ho lovantsika izany. 4 Amin'izany, rehefa tonga ny taon-Jobilin'ny vahoakan'ny Israely, dia hikambana amin'ny anjaran'ny foko izay nandehanan'izy ireo ny anjarany. Ka izany, no hanalana ny anjaran'izy ireo amin'ny anjaran'ny fokon-drazambentsika. 5 Dia nanome baiko ny vahoakan'ny Israely, tamin'ny tenin'i Yaveh i Mosesy. Hoy izy: ''Marina ny voalazan'ny fokon'ny taranak'i Josefa. 6 Izany no andidian'i Yaveh mahakasika ireo zanaka vavin'i Zelofada. Hoy Izy: 'Avelao izy ireo hanambady izay heveriny fa tsara, nefa hanambady izay ao amin'ny fokon-drainy ihany izy ireo.' 7 Tsy misy anjaran'ny vahoakan'ny Israely hiova foko ho amin'ny foko hafa. Ny tsirairay amin'ny vahoakan'ny Israely dia hitana ny anjaran'ny fokon-drazambeny. 8 Ny vehivavin'ny vahoakan'ny Israely tsirairay izay manan-jara ao amin'ny fokony dia tsy maintsy manambady olona avy amin'ireo fianakaviamben'ny fokon-drainy. Izany dia mba hananan'ny tsirairay amin'ny vahoakan'ny Israely lova avy amin'ireo razambeny. 9 Tsy tokony hisy anjara hifindra tanana ho an'ny foko hafa. Ny olon-drehetra amin'ireo fokon'ny vahoakan'ny Israely dia hitana ny lovany ihany.'' 10 Dia nanao araka izay nandidian'i Yaveh an'i Mosesy ireo zanakavavin'i Zelofada . 11 Mahala, Tirza, Hogla, Milka, ary Noa, ireo zanakavavin'i Zelofada, dia nanambady ny taranak'i Manase. 12 Nanambady tao amin'ireo fianakaviamben'ireo taranak'i Manase zanak'i Josefa izy ireo. Ka izany, no nitoeran'ny lovan'izy ireo tao amin'ny foko izay an'ireo fianakaviamben-drain'izy ireo. 13 Ireo no didy sy lalàna izay nomen'i Yaveh tamin'ny alalan'i Mosesy ho an'ny vahoakan'ny Israely teo amin'ireo lemak'i Moaba amoron'i Jordana tao Jeriko.