1 Ary Yaveh niteny tamin'i Mosesy teo amin'ny tany hain'i Moaba teo akaikin'ny Jordana tao Jeriko ka nanao hoe: 2 "Mandidia ny vahoakan'ny Israely mba hanome ny sasany amin'ireo zara-taniny ho an'ireo Levita. Aoka hanome azy ireo tanàna mba honenany sy tany firaofam-bilona manodidina ireo tanàna ireo izy ireo. 3 Hahazo izany tanàna izany mba ho fonenany ireo Levita. Ny firaofam-bilona dia ho an'ny biby fiompiny, ny ondry aman'osiny, ary ireo bibiny rehetra. 4 Ny firaofam-bilona manodidina ny tanàna izay homenao ireo Levita dia hihitatra arivo hakiho manomboka eo amin'ny mandan'ny tanàna isaky ny lalana rehetra. 5 Handrefy roa arivo hakiho eo ivelan'ny tanàna amin'ny lafiny atsinanana ianao, ary roa arivo hakiho amin'ny lafiny atsimo, roa arivo hakiho amin'ny lafiny andrefana, ary roa arivo hakiho amin'ny lafiny avaratra. Ho firaofam-bilona ho an'ireo tanànany izany. Ny tanàna dia ho eo afovoany. 6 Ny enina amin'ireo tanàna izay homenao ireo Levita dia atokana ho tanàna fialofana. Aoka homenareo ho toerana hahafahan'ireo olona izay namono olona mandositra ireo. Hanome tanàna roa amby efa-polo hafa ihany koa. 7 Ny tanàna izay nomenao ireo Levita dia hiisa valo amby efa-polo. Aoka homenao azy ireo miaraka amin'ny firaofam-bilony izany. 8 Ny foko lehiben'ny vahoakan'Israely, ny foko izay manana tany bebe kokoa, dia tsy maintsy hanome tanàna bebe kokoa. Ny foko kely hanome tanàna kely. Ny foko tsirairay dia tsy maintsy hamatsy ho an'ireo Levita araka ny fizarana izay efa noraisiny avy." 9 Dia niteny tamin'i Mosesy i Yaveh ka nanao hoe: 10 "Mitenena amin'ireo vahoakan'ny Israely ary lazao azy ireo hoe: 'Rehefa miampita eo amin'i Jordana ho any amin'ny tany Kanana ianareo, 11 dia aoka hifidy tanàna hanompo toy ny tanàna fialofana ho anao, toerana handosirana ho an'izay namono olona tsy nahy. 12 Ho fialofana ho anareo amin'ny mpamaly faty izany tanàna izany, mba tsy ho faty mandra-pitsangany hotsaraina eo anoloan'ny fiaraha-monina ny voapanga. 13 Aoka hifidy tanàna enina ho tanàna fialofana ianareo. 14 Tsy maintsy manome tanàna telo ao an-dafin'i Jordana sy tanàna telo ao amin'ny tany Kanana ianareo. Ho tanàna fialofana ireo. 15 Ho an'ireo vahoakan'ny Israely, ho an'ireo vahiny, ho an'izay monina eo aminareo, ireo tanàna enina ireo dia hatokana ho fialofana ho an'izay rehetra namono olona tsy nahy mandositra . 16 Fa raha namely ny lasibany tamin'ny fitaovana vy ilay olona voapanga, ary raha maty ilay lasibany, dia ho mpamono olona tokoa ilay voapanga. Aoka ho atao maty tokoa izy. 17 Raha namely ny lasibany tamin'ny vato teny an-tanany izay mety hahafaty ilay voapanga, ary raha maty ilay lasibany, dia ho mpamono olona tokoa ilay voapanga. Ho atao maty tokoa izy. 18 Raha namely ny lasibany tamin'ny fitaovam-piadina hazo izay hahafaty azy ilay voapanga, ary maty ilay lasibany, dia ho mpamono olona tokoa ilay voapanga. Ho vonoina tokoa izy. 19 Ny mpamaly rà dia mety hamono ilay mpamono olona. Rehefa mifanena aminy izy, dia hamono azy ilay mpamaly rà. 20 Raha mamely ny hafa amin'ny fankahalana na manipy zavatra aminy izy, raha miafina mba hanotrika hamely azy, dia ho faty ilay lasibany, 21 na raha mamely azy amin'ny fankahalana amin'ny tanany ka mahafaty ilay lasibatra dia ho vonoina tokoa ilay voapanga izay namely azy. Mpamono olona izy. Ny mpamaly rà dia hamono ilay mpamono olona rehefa mifanena aminy izy. 22 Fa raha mamely ny lasibatra tampoka ny olona voapanga ka tsy nisy fanomanana mialoha nohon'ny fankahalana na mitoraka zavatra izay hamely ilay lasibatra ka tsy niandriandry nanotrika 23 na raha mitoraka vato izay mety hahafaty ilay lasibatra nefa tsy hitany ilay lasibatra, dia tsy ho fahavalon'ilay lasibatra ilay voapanga; tsy nitady handratra ilay niharam-boina izy. Fa toy izao no atao rehefa maty ilay lasibatra. 24 Amin'izany toe-javatra izany, dia hitsara ilay voapanga sy ny mpamaly rà amin'ny fototr'ireo lalàna ireo ny fiarahamonina. 25 Tsy maintsy mamonjy ilay voapanga amin'ny fahefan'ilay mpamaly rà ny fiaraha-monina. Ny fiaraha-monina dia tsy maintsy hamerina ny voapanga any amin'ny tanàna fialofana izay nandosirany tany am-boalohany. Honina any izy mandra-pahafatin'ny mpisoronabe amin'izany fotoana, ilay tokana izay voahosotra tamin'ny diloilo masina. 26 Fa raha mivoaka amin'ny fotoana rehetra mihoatra ny faritr'ilay tanàna fialofana ho any amin'izay nandosirany ny voapanga, 27 ary raha hitan'ny ny mpamaly rà any ivelan'ny faritry ny tanàna fialofany, ary raha mamono ilay olona voapanga izy, ny mpamaly rà dia tsy ho melohina ho mpamono olona. 28 Izany dia nohon'ny tokony nitoeran'ny olona voapanga teo amin'ny tanàna fialofany mandra-pahafatin'ny mpisorona be. Aorian'ny fahafatesan'ny mpisorona be, ilay voapanga dia hiverina any amin'ny tany izay misy ny fananany manokana. 29 Izany lalàna izany dia ho lalàna ho anareo amin'ny taranaky ny vahoaka rehetra any amin'ny toerana rehetra izay honenanareo. 30 Na iza na iza mamono olona, ny mpamono olona dia hovonoina, araka ny voamarin'ny tenin'ireo vavolombelona. Fa tenin'ny vavolombelona iray monja dia tsy afaka ny hahatonga ny olona iray ho vonoina ho faty. 31 Ary koa, aoka tsy hanaiky ny vidim-panavotana ho an'ny ain'ny mpamono olona izay meloka nohon'ny famonoan'olona ianareo. Tsy maintsy vonoina tokoa izy. 32 Aoka tsy hanaiky ny vidim-panavotana ho an'ny olona izay mandositra any amin'ny tanàna fialofana ianareo. Aoka tsy ho amin'izany fomba izany no hamelanao azy honina ao amin'ny fitoerany mandra-pahafatin'ny mpisorona be. 33 Aza lotoina amin'izany fomba izany ny tany izay onenanao, satria ny ràn'ny mpamono olona no mandoto ny tany. Tsy misy fanavotana ho an'ny tany rehefa latsaka amin'ny tany ny rà, afa-tsy amin'ny ràn'izay nandatsaka izany. 34 Ary aoka tsy handoto ny tany izay onenanareo ianareo satria monina ao amin'izany Aho. Izaho, Yaveh, dia monina eo amin'ny vahoakan'ny Israely.'''