1 ''Amin'ny volana fahafito, amin'ny andro voalohan'ny volana, dia tsy maintsy hanao fivoriana masina hankalazana an'i Yaveh ianareo. Tsy hanao ny raharaha mahazatra ianareo amin'izany andro izany. Ho andro fitsofana ireo trompetra ho anareo izany. 2 Tsy maintsy manolotra fanatitra dorana hahatonga hanitra mamerovero ho an'i Yaveh ianareo. Tsy maintsy manolotra vantotr'ombilahy iray, ondrilahy iray, ary zanak'ondry lahy herintaona fito, samy tsy misy kilema ianareo. 3 Tsy maintsy manolotra miaraka amin'ireo ny fanatitra hohanina, koba tsara toto voaharo diloilo, telo ampahafolon'ny efaha ho an'ny ombilahy, roa ampahafolony ho an'ny ondrilahy, 4 ary ampahafolony ho an'ny zanak'ondry tsirairay amin'ireo zanak'ondry fito ianareo. 5 Tsy maintsy manolotra osilahy iray ho fanatitra nohon'ny fahotana ho fanavotana anareo ianareo. 6 Ataovy ireto fanatitra ireto amin'ny volana fahafito ho fanampin'ny fanatitra rehetra izay hataonareo isaky ny voaloham-bolana: ny fanatitra dorana voatokana sy ny fanatitra hohanina no hiaraka amin'izany. Ireo dia ho fanampin'ny fanatitra dorana mahazatra, ny fanatitra hohanina momba ireo, ary ny fanatitra ahidin'izany. Rehefa manao izany fanatitra izany ianareo, dia hankatoa izay voadidy mba hahatonga hanitra mamerovero, fanatitra natao tamin'ny afo ho an'i Yaveh. 7 Amin'ny andro fahafolon'ny volana fahafito dia tsy maintsy hisy fivoriana masina hankalazana an'i Yaveh. Tsy maintsy hanetry ny tenanareo ianareo ary tsy hiasa. 8 Tsy maintsy manolotra fanatitra dorana mba hahatonga hanitra mamerovero ho an'i Yaveh ianareo. Tsy maintsy manolotra vantotr'ombilahy iray, ondrilahy iray, ary zanak'ondry lahy fito herintaona ianareo. Aoka ho samy tsy misy kilema ireo. 9 Tsy maintsy hatolotrareo miaraka amin'ireo ny fanatitra hohanina, koba tsara toto voaharo diloilo, telo ampahafolon'ny efaha ho an'ny ombilahy, roa ampahafolony ho an'ny ondrilahy, 10 ary ampahafolon'ny efaha ho an'ny tsirairay amin'ireo zanak'ondry fito. 11 Tsy maintsy manolotra osilahy iray ho fanatitra nohon'ny fahotana ianareo. Ho fanampin'ny fanatitra nohon'ny fahotana ho fanavotana, ny fanatitra dorana mahazatra, ny fanatitra hohanina momba ireo, ary ny fanatitra sotroina amin'izany. 12 Amin'ny andro fahadimy ambin'ny folon'ny volana fahafito dia tsy maintsy hisy fivoriana masina hankalazana an'i Yaveh. Tsy mahazo manao ny raharaha mahazatra ianareo amin'izany andro izany, ary tsy maintsy mitandrina ny firavoravoana ho Azy mandritra ny fito andro. 13 Tsy maintsy manolotra fanatitra dorana ianareo, sorona natao tamin'ny afo hahatonga hanitra mamerovero ho an'i Yaveh. Tsy maintsy manolotra vantotr'ombilahy telo ambin'ny folo, ondrilahy roa, ary zanak'ondry lahy herintaona efatra ambin'ny folo. Aoka ho samy tsy misy kilema ireo. 14 Tsy maintsy atolotrareo miaraka amin'ireo ny fanatitra hohanina, koba tsara toto voaharo diloilo, telo ampahafolon'ny efaha ho an'ny ombilahy tsirairay amin'ireo ombilahy telo ambin'ny folo, roa ampahafolony ho an'ny ondrilahy tsirairay amin'ireo ondrilahy roa, 15 ary ampahafolon'ny efaha ho an'ny tsirairay amin'ireo zanak'ondry efatra ambin'ny folo. 16 Tsy maintsy manolotra osilahy iray ho fanatitra nohon'ny fahotana ho fanampin'ny fanatitra dorana mahazatra, ny fanatitra hohanina momba ireo, ary ny fanatitra sotroina amin'izany ianareo. 17 Amin'ny andro faharoan'ny fivoriana, dia tsy maintsy manolotra vantotr'ombilahy roa ambin'ny folo, ondrilahy roa, ary zanak'ondry lahy efatra ambin'ny folo herintaona, samy tsy hisy kilema ianareo. 18 Tsy maintsy hampiarahanareo amin'ireo ny fanatitra hohanina, ny fanatitra sotroina ho an'ireo ombilahy, ho an'ireo ondrilahy, sy ho an'ireo zanak'ondry, manaova fanatitra maro araka izay voadidy. 19 Tsy maintsy manolotra osilahy iray ho fanatitra nohon'ny fahotana ho fanampin'ny fanatitra dorana mahazatra, ny fanatitra hohanina momba ireo, ary ireo fanatitra sotroina amin'izany ianareo. 20 Amin'ny andro fahatelon'ny fivoriana, dia tsy maintsy manolotra ombilahy iraika ambin'ny folo, ondrilahy roa, ary zanak'omby lahy herintaona efatra ambin'ny folo, samy tsy misy kilema ianareo. 21 Tsy maintsy hampiarahanareo amin'ireo ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra sotroina ho an'ireo ombilahy, ho an'ireo ondrilahy, ary ho an'ireo zanak'ondry, manaova fanatitra maro araka izay voadidy. 22 Tsy maintsy manolotra osilahy iray ho fanatitra nohon'ny fahotana ho fanampin'ny fanatitra dorana mahazatra, ny fanatitra hohanina momba izany, ary ireo fanatitra sotroina amin'izany ianareo. 23 Amin'ny andro fahefatry ny fivoriana, dia tsy maintsy hanolotra ombilahy folo, ondrilahy roa, ary zanak'ondry lahy herintaona efatra ambin'ny folo, samy tsy hisy kilema ianareo. 24 Tsy maintsy hampiarahanareo amin'ireo ny fanatitra hohanina, ny fanatitra sotroina ho an'ireo ombilahy, ho an'ireo ondrilahy, sy ho an'ireo zanak'ondry, manaova fanatitra maro araka izay voadidy. 25 Tsy maintsy manolotra osilahy iray ho fanatitra nohon'ny fahotana ho fanampin'ny fanatitra dorana mahazatra, ny fanatitra hohanina momba ireo, ary ireo fanatitra aidiny ianareo. 26 Amin'ny andro fahadimin'ny fivoriana, dia tsy maintsy hanolotra ombilahy sivy, ondrilahy roa, ary zanak'ondry lahy herintaona efatra ambin'ny folo, samy tsy misy kilema ianareo. 27 Tsy maintsy hampiarahanareo amin'ireo ny fanatitra hohanina, ny fanatitra sotroina ho an'ireo ombilahy, ho an'ireo ondrilahy, sy ho an'ireo zanak'ondry, manaova fanatitra maro araka izay voadidy. 28 Tsy maintsy manolotra osilahy iray ho fanatitra nohon'ny fahotana ho fanampin'ny fanatitra dorana mahazatra, ny fanatitra hohanina momba ireo, ary ireo fanatitra sotroina amin'izany ianareo. 29 Amin'ny andro fahenin'ny fivoriana, dia tsy maintsy manolotra ombilahy valo, ondrilahy roa, ary zanak'ondry lahy herintaona efatra ambin'ny folo, samy tsy hisy kilema ianareo. 30 Tsy maintsy hampiarahanareo amin'ireo ny fanatitra hohanina, ny fanatitra sotroina ho an'ireo ombilahy, ho an'ireo ondrilahy, sy ho an'ireo zanak'ondry, manaova fanatitra maro araka izay voadidy. 31 Tsy maintsy manolotra osilahy iray ho fanatitra nohon'ny fahotana ho fanampin'ny fanatitra dorana mahazatra, ny fanatitra hohanina momba ireo, ary ireo fanatitra sotroina amin'izany ianareo. 32 Amin'ny andro fahafiton'ny fivoriana, dia tsy maintsy manolotra ombilahy fito, ondrilahy roa, ary zanak'ondry lahy herintaona efatra ambin'ny folo, samy tsy misy kilema ianareo. 33 Tsy maintsy hampiarahanareo amin'ireo ny fanatitra hohanina, ny fanatitra sotroina ho an'ireo ombilahy, ho an'ireo ondrilahy, sy ho an'ireo zanak'ondry, manaova fanatitra maro araka izay voadidy. 34 Tsy maintsy manolotra osilahy iray ho fanatitra nohon'ny fahotana ho fanampin'ny fanatitra dorana mahazatra, ny fanatitra hohanina momba ireo, ary ireo fanatitra sotroina amin'izany ianareo. 35 Amin'ny andro fahavalo dia tsy maintsy hanao fivoriana manetriketrika hafa ianareo. Tsy mahazo manao ny asa mahazatra ianareo amin'izany andro izany. 36 Tsy maintsy manolotra fanatitra dorana ianareo, fanatitra natao tamin'ny afo mba hahatonga hanitra mamerovero ho an'i Yaveh. Tsy maintsy manolotra ombilahy iray, ondrilahy iray, ary zanak'ondry lahy herintaona fito, samy tsy misy kilema ianareo. 37 Tsy maintsy manolotra ireo fanatitra hohanin'izy ireo sy fanatitra sotroina ho an'ny ombilahy, ho an'ny ondrilahy, ary ho an'ny zanak'ondry, manaova fanatitra maro araka izay voadidy ianareo. 38 Tsy maintsy manolotra osilahy iray ho fanatitra nohon'ny fahotana ho fanampin'ny fanatitra dorana mahazatra, ny fanatitra hohanina momba azy ireo, ary ireo fanatitra sotroina amin'izany ianareo. 39 Ireo no tsy maintsy haterinao ho an'i Yaveh amin'ireo firavoravoana izay efa voafaritra. Ho fanampin'ireo voady sy fanatitra an-tsitraponao izany. Tsy maintsy manolotra izany ho fanatitra dorana, fanatitra hohanina, fanatitra aidina, sy fanati-pihavanana ianareo." 40 Nolazain'i Mosesy tamin'ny vahoakan'Israely ny zavatra rehetra izay nandidian'i Yaveh azy holazaina.