1 Niresaka tamin'i Mosesy i Yaveh ary nanao hoe: 2 "Baikoy ny vahoakan'Israely ary lazao izy ireo hoe: 'Tsy maintsy manolotra sorona ho Ahy ianao amin'ny fotoana voatondro, dia ny sakafo fanatitro natao tamin'ny afo mba hamokarana hanitra ankasitrahana ho Ahy.' 3 Tsy maintsy lazainao ihany koa izy ireo hoe: "Izao no fanatitra natao tamin'ny afo izay tsy maintsy atolotrao ho an'i Yaveh—zanak'ondrilahy herintaona tsy misy kilema, roa isan'andro, ho fanatitra dorana mahazatra. 4 Zanak'ondry iray no tsy maintsy atolotrao amin'ny maraina, ary ny zanak'ondry iray hafa dia tsy maintsy atolotra amin'ny hariva. 5 Tsy maintsy manolotra koba tsara toto ampahafolon'ny efaha, mifangaro diloilo voakapoka iray ampahefatry ny hina ho fanatitra hohanina ianao. 6 Izany no fanatitra dorana mahazatra izay nodidiana tao an-Tendrombohitra Sinay mba hamokatra hanitra mamerovero, fanatitra iray natao tamin'ny afo ho an'i Yaveh. 7 Ny fanatitra sotroina miaraka amin'izany dia tsy maintsy iray ampahefatry ny hina ny an'ny zanak'ondry iray. Tsy maintsy ararakao eo amin'ny toerana masina ny fanatitra sotroin'ny zava-pisotro mahery ho an'i Yaveh. 8 Ilay zanak'ondry hafa dia tsy maintsy hatolotrao miaraka amin'ny fanatitra hohanina hafa amin'ny hariva tahaka ilay natolotra tamin'ny maraina. Tsy maintsy manolotra fanatitra sotroina miaraka amin'izany ihany koa ianao, fanatitra natao tamin'ny afo, mba hamokatra hanitra ankasitrahana ho an'i Yaveh. 9 Amin'ny andro Sabata dia tsy maintsy manolotra zanak'ondrilahy roa ianao, samy herintaona tsy misy kilema, sy koba tsara toto roa ampahafolon'ny efaha ho fanatitra hohanina, mifangaro diloilo, sy fanatitra sotroina miaraka amin'izany. 10 Izany dia ho an'ny fanatitra dorana isaky ny Sabata, ho fanampin'ny fanatitra dorana mahazatra sy ny fanatitra dorana miaraka amin'izany. 11 Isaky ny fiandohan'ny volana, dia tsy maintsy manolotra fanatitra dorana ho an'i Yaveh ianao. 12 Tsy maintsy manolotra vantotr'ombilahy roa, ondrilahy iray, ary zanak'ondrilahy herintaona tsy misy kilema. Tsy maintsy manolotra koba tsara toto telo ampahafolon'ny efaha ho fanatitra hohanina mifangaro diloilo ho an'ny ondrilahy iray ihany koa ianao. 13 Tsy maintsy manolotra koba tsara toto mifangaro diloilo ampahafolon'ny efaha ho fanatitra hohanina isaky ny zanak'ondry ihany koa ianao. Izany no ho fanatitra dorana, mba hamoaka hanitra mamerovero, fanatitra natao tamin'ny afo ho an'i Yaveh. 14 Tsy maintsy antsasaky ny hinan-divay ho an'ny omby iray ny fanatitra sotroin'ny vahoaka, ampahatelon'ny hina ny an'ny ondrilahy iray, ary iray ampahefatry ny hina ny an'ny zanak'ondry iray. Dia izany no fanatitra dorana isam-bolana mandritra ireo volan'ny taona. 15 Ondrilahy iray ho fanatitra nohon'ny fahotana ho an'i Yaveh no tsy maintsy atolotra. Izany dia ho fanampin'ny fanatitra dorana mahazatra sy ny fanatitra sotroina miaraka amin'izany. 16 Mandritra ny volana voalohany, amin'ny fahefatra ambin'ny folon'ny volana, no tonga ny Pask'i Yaveh. 17 Amin'ny andro fahadimy ambin'ny folon'izany volana izany no hanaovana ny fety. Mandritra ny fito andro, tsy maintsy mofo tsy misy masirasira no hohanina. 18 Amin'ny andro voalohany, dia tsy maintsy hisy fiangonana masina hanomezana voninahitra an'i Yaveh. Aoka tsy hanao ny asa mahazatra ianao amin'izany andro izany. 19 Fa kosa, tsy maintsy manolotra fanatitra atao amin'ny afo ianao, dia fanatitra dorana ho an'i Yaveh. Tsy maintsy manolotra vantotr'ombilahy roa, ondrilahy iray, ary zanak'ondry herintaona fito, tsy misy kilema ianao. 20 Miaraka amin'ny ondry, dia tsy maintsy manolotra fanatitra hohanina koba tsara toto mifangaro diloilo telo ampahafolon'ny efaha ianao, ary miaraka amin'ny ondrilahy, roa ampahafolony. 21 Isaky ny iray amin'reo zanak'ondry fito, dia tsy maintsy manolotra koba tsara toto ampahafolon'ny efaha ianao, 22 sy osilahy iray ho fanatitra nohon'ny fahotana mba hanaovana fanavotana ho an'ny tenanareo. 23 Tsy maintsy hatolotrao ho fanampin'ny fanatitra dorana mahazatra takiana isa-maraina ireo. 24 Araka ny voafaritra eto, tsy maintsy atolotrao isan'andro ireo sorona ireo, mandritra ny fito andron'ny Paska, dia ny fanatitra hohanina natao tamin'ny afo, hanitra ankasitrahana ho an'i Yaveh. Tsy maintsy atolotra izany ho fanampin'ny fanatitra dorana mahazatra sy ny fanatitra sotroina miaraka amin'izany. 25 Amin'ny andro fahafito dia tsy maintsy miaraka amin'ny fiangonana masina mba hanome voninahitra an'i Yaveh ianao, ary aoka tsy hanao ny raharaha mahazatra ianao amin'izany andro izany. 26 Amin'ny andron'ny voaloham-bokatra ihany koa, rehefa manatitra fanatitra hohanina vaovao ho an'i Yaveh amin'ny Herinandron'ny Firavoravoana ianao, dia tsy maintsy miaraka amin'ny fiangonana masina mba hanome voninahitra an'i Yaveh ianao, ary tsy mahazo manao ny asa mahazatra ianao amin'izany andro izany. 27 Tsy maintsy manolotra fanatitra dorana mba hahazoana hanitra mamerovero ho an'i Yaveh ianao.Tsy maintsy manolotra vantotr'ombilahy roa, ondrilahy iray, ary zanak'ondrilahy herintaona fito ianao. 28 Manolora ihany koa fanatitra hohanina miaraka amin'ireo: dia koba tsara toto mifangaro diloilo, koba tsara toto mifangaro diloilo telo ampahafolon'ny efaha ho an'ny ombilahy tsirairay ary roa ampahafolony ho an'ny ondrilahy iray. 29 Manolora koba tsara toto mifangaro diloilo ho an'ny zanak'ondry fito tsirairay avy, 30 sy osilahy iray mba hanaovana fanavotana ho an'ny tenanareo. 31 Rehefa manolotra ireo biby tsy misy kilema ireo ianao, miaraka amin'ireo fanatitra sotroiny, izany dia fanampin'ny fanatitra mahazatra sy ny fanatitra dorana miaraka amin'izany."