1 Ary nitaraina momba ny olan'izy ireo ny vahoaka raha nihaino Yaveh. Nandre ireo olona Yaveh ka nanjary tezitra. Nisy afon'i Yaveh nandoro azy ireo ary nandevona ny sasany tamin'ireo toby teny amorony. 2 Avy eo dia niantso an'i Mosesy ireo vahoaka, koa dia nivavaka tamin'i Yaveh i Mosesy, ary nitsahatra ny afo. 3 Nantsoina hoe Tabera izany toerana izany, satria nirehitra teo amin'izy ireo ny afon'i Yaveh. 4 Nanomboka niara-nitoby tamin'ny taranak'Israely ny sasany tamin'ireo hafa firenena. Naniry ny hihinana sakafo tsara kokoa izy ireo. Ary nanomboka nitomany ireo vahoakan'Israely ka nanao hoe: "Iza no hanome sakafo hohaninay? 5 Tsaroanay ny trondro izay nohaninay maimaimpoana tany Egypta, ireo kaokaombra, ireo voatavo, ireo tongolo raviny, ireo tongolo, ary ny tongolo gasy. 6 Ankehitriny lasa ny homantsika, satria ny hany hitantsika dia ity mana ity." 7 Ny mana dia toy ny voan-drafy. Miendrika toy ny dinti-kazo izany. 8 Nandeha niodidina ireo olona ary nanangona izany. Nototoin'izy ireo tamin'ny fikosoham-bary izany, nototoina tamin'ny laona, nampangotrahina tao anaty vilany, ary natao mofomamy. Nitovy tsiro tamin'ny menaka oliva vaovao izany. 9 Rehefa nilatsaka teo amin'ny toby ny ranon'ando ny alina, dia nilatsaka ihany koa ny mana. 10 Nandre ireo olona nitomany tao amin'ny fianakavian'izy ireo Mosesy, ary ny lehilahy rehetra dia teo amin'ny fidirana ho any amin'ny lainy. Tezitra mafy Yaveh, ary diso teo imason'i Mosesy ny fitarainan'izy ireo. 11 Hoy Mosesy tamin'i Yaveh hoe: "Nahoana Ianao no mampijaly ny mpanomponao? Nahoana Ianao no tsy faly amiko? Nampilanjanao ny enta-mavesatr'ireo olona rehetra ireo aho. 12 Izaho ve no namorona ireo olona rehetra ireo? Izaho ve no niteraka azy ireo no hilazanao amiko hoe: 'Trotroy eo an-tratranao toy ny fitrotron'ny ray zaza izy ireo?' Tokony hitondra azy ireo any amin'ilay tany izay nampanantenainao homena ny razamben'izy ireo ve aho? 13 Aiza no ahitako sakafo omena ity vahoaka rehetra ity? Mitomany eo anoloako izy ireo ary miteny hoe: 'Omeo sakafo ho hanina izahay.' 14 Tsy afaka ny hilanja ireo olona ireo irery aho. Be loatra ho ahy izy ireo. 15 Satria entinao tahaka izany aho, dia vonoy aho anio, raha tia ahy Ianao, ary esory amiko ny fahoriako." 16 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Hitondray loholon'Israely fito-polo Aho. Ataovy azo antoka fa loholona sy manam-boninahitry ny vahoaka tokoa izy ireo. Ento ao amin'ny trano-lay fihaonana izy ireo mba hiara-hijoro aminao. 17 Hidina ary hiresaka aminareo any Aho. Haka ny sasany amin'ireo Fanahy izay ao aminao Aho ary hametraka izany amin'izy ireo. Hiara hilanja ny enta-mavesatr'ireo vahoaka hiaraka aminao izy ireo. Tsy hitondra izany irery ianao. 18 Lazao amin'ireo vahoaka hoe: 'Manokàna tena ianareo, ho amin'ny rahampitso ary hihinana hena tokoa ianareo, satria nitomany ianareo ary henon'i Yaveh. Ianao nilaza hoe: "Iza no hanome hena hohaninay? Tsara taminay ny tany Egypta." Noho izany Yaveh dia hanome sakafo ho anareo, ary hihinana izany ianareo. 19 Tsy hihinana sakafo mandritra ny iray andro, roa andro, dimy andro, folo andro, na roa-polo andro fotsiny ianareo, 20 fa hihinana sakafo mandritra ny iray volana manontolo mandra-pivoakan'izany eny amin'ny lavak'oronareo. Hahatsiravina anareo izany satria nandà an'i Yaveh, izay eo aminareo ianareo. Nitomany teo anatrehany ianareo. Hoy ianareo hoe: "Nahoana izahay no nandao an'i Egypta?""' 21 Ary hoy Mosesy hoe: "Miaraka amin'ny olona 600.000 aho, ary hoy Ianao hoe: 'Hanome sakafo ho hanina ho azy ireo Aho mandritra ny iray volana.' 22 Tokony hamono ireo ondry aman'osy sy ny omby ve izany izahay hampifaliana azy ireo? Tokony hanjono ny trondro rehetra ao anaty ranomasina ve izahay mba hampifaliana azy ireo?" 23 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Fohy ve ny tanako? Izao dia ho hitanao raha marina ny teniko na tsia." 24 Nivoaka Mosesy ary nilaza tamin'ireo vahoaka ny tenin'i Yaveh. Nanangona loholona fito-polo tamin'ireo vahoaka izy ary nandahatra azy ireo nanodidina ny lay. 25 Nidina avy eny amin'ny rahona Yaveh ary niresaka tamin'i Mosesy. Naka ny Fanahy sasany izay tao amin'i Mosesy i Yaveh ary nametraka izany teo amin'ireo loholona fito-polo. Rehefa nitoetra tao amin'izy ireo ilay Fanahy, dia naminany izy ireo, saingy tamin'io fotoana io ihany fa tsy niverina intsony. 26 Lehilahy roa no nijanona tao amin'ny toby, nantsoina hoe Eldada sy Medada. Nitoetra tao amin'izy ireo ihany koa ilay Fanahy. Ny anaran'izy ireo dia voasoratra tao amin'ny lisitra, saingy tsy nivoaka ny lay izy ireo. Na dia izany aza, naminany tao amin'ny toby izy ireo. 27 Nisy tovolahy iray tao amin'ilay toby nihazakazaka ary niteny tamin'i Mosesy hoe: "Eldada sy Medada dia maminany ao amin'ny toby." 28 Josoa zanaka lahin'i Nona, mpanampin'i Mosesy, iray tamin'ireo lehilahy voafidiny, dia niteny tamin'i Mosesy hoe: "Ry Mosesy tompoko, sakano izy ireo." 29 Hoy Mosesy taminy hoe: "Saropiaro nohon'ny amiko ve ianao? Maniry aho raha mba mpaminany avokoa ny vahoakan'i Yaveh rehetra ary hametraka ny Fanahiny amin'izy rehetra ireo Izy!" 30 Avy eo Mosesy sy ireo loholon'Israely niverina tao amin'ny toby. 31 Avy eo dia nisy rivotra tonga avy any amin'i Yaveh ary nitondra papelika avy any anaty ranomasina. Nianjera teo akaikin'ny toby ireo, teo amin'ny lalana iray andro tany amin'ny andaniny ary lalana iray andro tany amin'ny ankilany. Nanodidina ny toby ireo papelika teo amin'ny roa akiho ambonin'ny tany. 32 Sahirana ireo olona nanangona ireo papelika tamin'izany andro izany, ny alina manontolo, ary ny andro manaraka. Tsy nisy nanangona papelika latsaky ny folo homera. Nizara ireo papelika nanerana ny toby rehetra izy ireo. 33 Raha mbola teo anelanelan'ny nifin'izy ireo ny sakafo, raha mbola nitsako izany izy ireo, dia tezitra tamin'izy ireo Yaveh. Namely ireo olona tamin'ny aretina lehibe Izy. 34 Nantsoina hoe Kibrota Hatava izany toerana izany satria tao no nandevenan'izy ireo ny olona izay naniry hena fatratra. 35 Niainga avy any Kibrota Havata ireo olona mba ho any Hazerota, izay nijanonan'izy ireo.