Toko faha 10

1 Niresaka tamin'i Mosesy i Yaveh. Hoy Izy: 2 "Manaova trompetra volafotsy roa. Amin'ny tefy tanana no hanaovanao ny volafotsy. Tsy maintsy mampiasa ireo trompetra ianao hiantsoana ny fiangonana miaraka sy hiantsoana ny fiangonana hamindra ny tobin'izy ireo. 3 Ireo mpisorona dia tsy maintsy hitsoka ireo trompetra mba hiantsoana ny fiangonana rehetra hitambatra eo anoloanao eo amin'ny fidirana mankao amin'ny trano-lay fihaonana. 4 Raha trompetra iray ihany no tsofin'ireo mpisorona, dia hivory eo aminao ireo mpitarika, ireo lohan'ny fokon'Israely. 5 Rehefa mitsoka famantarana mafy ianareo,dia hanomboka ny dian'izy ireo ny toby any atsinanana. 6 Rehefa mitsoka ny fanairana mafy fanindroany ianareo, dia hanomboka ny dian'izy ireo ny toby any atsimo. Tsy maintsy mitsoka fanairana mafy ho an'ny diany izy ireo. 7 Rehefa mivory miaraka ny fiangonana, dia tsofy ireo trompetra, fa tsy mafy loatra. 8 Ireo zanaka lahin'i Arona, ireo mpisorona, no tsy maintsy mitsoka ireo trompetra. Izany dia ho lalàna mandrakariva ho anareo hatramin'ny taranak'ireo vahoakanao. 9 Rehefa mandeha miady any amin'ny taninareo hanohitra ny mpifanandrina izay mampahory anareo ianareo, dia tsy maintsy hampaneno fanairana amin'ireo trompetra. Izaho, Yaveh Andriamanitrareo, no hahatsiaro anareo ka hamonjy anareo amin'ireo fahavalonareo. 10 Ary koa, amin'ireo fotoanan'ny fankalazana, dia ireo firavoravoana mahazatra sy amin'ireo fiandohan'ireo volana, dia tsy maintsy hitsoka ireo trompetra ianareo ho fankalazana ny fanatitra doranareo sy ireo sorona hafa ho an'ny fanati-pihavananareo. Hatao izany ho fahatsiarovanareo Ahy, ilay Andriamanitrareo. Izaho no Yaveh Andriamanitrareo." 11 Tamin'ny taona faharoa, tamin'ny volana faharoa, tamin'ny andro faha roapolon'ny volana, dia niakatra avy eo amin'ny tabernakelin'ny lalàn'ny fanekena ny rahona. 12 Nanohy ny diany niala tany an'efitr'i Sinay ny vahoakan'Israely. Nijanona teo amin'ny efitr'i Parana ny rahona. 13 Nanao ny dian'izy ireo voalohany, araka ny didin'i Yaveh izay nomeny tamin'ny alalan'i Mosesy izy ireo. 14 Ny toby ambanin'ny fanevan'ny taranak'i Joda no nivoaka voalohany, namoaka ireo fiadiany avy. Nasona zanaka lahin'i Aminadaba nitarika ny tafik'i Joda. 15 Netanela zanaka lahin'i Zoara nitarika ny tafiky ny fokon'ny taranak'Isakara. 16 Eliaba zanaka lahin'i Helona nitarika ny tafiky ny fokon'ny taranak'i Zebolona. 17 Ireo taranak'i Gersona sy Merary, izay niandraikitra ny tabernakely, dia nampidina ny tabernakely ary nianga tamin'ny dian'izy ireo. 18 Avy eo, ireo tafika teo ambanin'ny fanevan'ny tobin'i Robena dia niainga. Elizora zanaka lahin'i Sedeora nitarika ny tafik'i Robena. 19 Selomiela zanaka lahin'i Zorisaday nitarika ny tafiky ny fokon'ny taranak'i Simeona. 20 Eliasafa zanaka lahin'i Doela nitarika ny tafiky ny fokon'ny taranak'i Gada. 21 Niainga ireo Kehatita. Nitondra ny fitaovana masina tao amin'ny fitoerana masina. Ny sasany dia nanangana ny tabernakely mialohan'ny nahatongavan'ny Kehatita teo amin'ny toby manaraka. 22 Ireo tafika teo ambanin'ny fanevan'ny taranak'i Efraima no niainga nanaraka. Elisama zanaka lahin'i Amihoda nitarika ny tafik'i Efraima. 23 Gamaliela zanaka lahin'i Pedazora nitarika ny tafiky ny fokon'ny taranak'i Manase. 24 Abidana zanaka lahin'i Gideony nitarika ny tafiky ny fokon'ny taranak'i Benjamina. 25 Ireo tafika izay nitoby teo ambany fanevan'ny taranak'i Dana no niainga farany. Ahiezera zanaka lahin'i Amisaday nitarika ny tafik'i Dana. 26 Pagiela zanaka lahin'i Okrana nitarika ny tafiky ny fokon'ny taranak'i Asera. 27 Ahira zanaka lahin'i Enana nitarika ny tafiky ny fokon'ny taranak'i Naftaly. 28 Tamin'izany fomba izany no niaingan'ireo tafiky ny vahoakan'Israely tamin'ny diany. 29 Niresaka tamin'i Hobaba zanaka lahin'i Regoela Midianita i Mosesy. Regoela no rain'ny vadin'i Mosesy. Niresaka tamin'i Hobaba i Mosesy ka niteny hoe: "Andeha hankany amin'ny toerana izay nofaritan'i Yaveh izahay. Hoy Yaveh: 'Homeko anareo izany.' Ndeha hiaraka aminay dia hanaovanay soa ianareo. Yaveh efa nampanantena ny hanao soa ny Israely." 30 Fa hoy Hobaba tamin'i Mosesy: "Tsy andeha hiaraka aminao aho. Handeha ho any amin'ny taniko sy ny oloko aho." 31 Ary dia namaly Mosesy hoe: "Aoka re mba tsy handao anay ianao. Ianao mahalala ny hitobiana any an'efitra. Tokony hitandrina anay ianao. 32 Raha andeha hiaraka aminay ianao, dia hataonay aminao araka ny soa izay nataon'i Yaveh taminay." 33 Nandeha niala ny tendrombohitr'i Yaveh nandritra ny telo andro izy ireo. Ny fiaran'ny faneken'i Yaveh nandeha teo alohan'izy ireo nandritra ny hateloana mba hitady toerana hialana sasatra ho azy ireo. 34 Ny rahon'i Yaveh dia teo ambonin'izy ireo tamin'ny andro raha nandeha izy ireo. 35 Rehefa miainga ny fiara, dia miteny Mosesy hoe: "Mitsangàna, ry Yaveh. Ahelezo ireo fahavalonao. Ampandosiro hiala eo Aminao izay mankahala Anao." 36 Rehefa mijanona ny fiara, dia miteny Mosesy hoe: "Miverena, ry Yaveh, amin'ny Israely an'aliny maro."