Toko faha 20

1 Niresaka tamin'i Mosesy Yaveh, nanao hoe: 2 "Lazao amin'ny zanak'Israely hoe: 'Izay rehetra eo amin'ny zanak'Israely, na vahiny izay mitoetra any Israely ka manolotra ny zanany amin'i Moloka, dia aoka ho faty. Aoka hitora-bato azy ny olon'ny tany. 3 Hampifanandrina ny tavako amin'izany olona izany ihany koa Aho ary ho fongoriko eo amin'ireo olony izy satria efa natolony an'i Moloka ny zanany, mba handotoana ny toerako masina sy haniratsirana ny Anarako masina. 4 Raha manakipy ny masony amin'izany olona izany ny olon'ny tany rehefa manolotra ny zanany amin'i Moloka, raha tsy mamono azy izy ireo, 5 dia Izaho mihitsy no hampifanandrina ny tavako amin'izany olona izany sy ny fokony, dia hofongoriko izy sy ireo hafa rehetra izay mivarotra amin'ny tenany mba hijangajangana miaraka amin'i Moloka. 6 Ny olona izay mitodika amin'ireo izay miresaka amin'ny maty, na ireo izay miresaka amin'ny fanahy mba hivarotra ny tenany amin'izy ireo, dia hanandrina ny tavako amin'izany olona izany Aho; ho fongoriko eo amin'ny olony izy. 7 Noho izany hamafiso ny tenanareo ary aoka ho masina, satria Izaho ilay Yaveh Andrimanitrareo. [Fanamarihana: Maro ny andian-teny vaovao misy hoe: "...satria Izaho, Yaveh Andriamanitrareo, Masina Aho."] 8 Aoka hitandrina ny didiko ianareo ary hanaraka ireo. Fa Izaho no Yaveh izay nanokana anareo ho masina. 9 Aoka ho faty tokoa izay rehetra manozona ny rainy na ny reniny. Efa nanozona ny rainy na reniny izy, ka meloka ary mendrika ho faty. 10 Ny lehilahy izay manitsakitsa-bady amin'ny vadin'olon-kafa, izany hoe, izay mijangajanga amin'ny sakaizam-badiny—aoka ilay mpijangajanga sy ilay nijangajangana samy ho faty tokoa. 11 Ny lehilahy izay miara-mandry amin'ny vadin-drainy mba handry aminy dia efa nanala baraka ny rainy. Aoka ho faty tokoa ny zanaka lahy sy ny vadin'ny rainy. Meloka izy ireo ary mendrika ny ho faty. 12 Raha misy lehilahy miara-mandry amin'ny vinanto vaviny, dia aoka samy ho faty tokoa izy roa. Efa nanao fahavetavetana izy ireo. Meloka izy ireo ary mendrika ny ho faty. 13 Raha misy lehilahy miara-mandry amin'ny lehilahy hafa, tahaka ny miaraka amin'ny vehivavy, dia samy efa nanao zavatra marikoriko izy ireo. Aoka ho faty tokoa izy ireo. Meloka izy ireo ary mendrika ny ho faty. 14 Raha misy lehilahy manambady vehivavy ary manambady ny reniny ihany koa, dia faharatsiana izany. Aoka ho dorana izy ireo, izy sy ilay vehivavy, mba tsy hisy faharatsiana eo aminareo. 15 Raha misy olona miara-mandry amin'ny biby, dia aoka ho faty tokoa izy, ary aoka ianareo hamono ilay biby. 16 Raha misy vehivavy manatona biby mba hiara-mandry amin'izany, dia aoka hamono ilay vehivavy sy ilay biby ianareo. Aoka ho faty tokoa izy ireo. Meloka sy mendrika ho faty izy ireo. 17 Raha misy lehilahy miara-mandry amin'ny anabaviny, na koa amin'ny zanaka vavin'ny rainy na ny zanaka vavin'ny reniny—raha miara-mandry aminy izy ary izy miaraka aminy, dia zavatra mahamenatra izany. Aoka hofongorana eo amin'ny fanatrehan'ny olony izy ireo, satria niara-nandry tamin'ny anabaviny. Dia hibaby ny helony izy. 18 Raha misy lehilahy miara-mandry amin'ny vehivavy mandritra ny fadimbolany ary efa niara-mandry taminy, dia efa nampiseho ny rà nikorina taminy, ny nipoiran'ny ràny izy. Dia aoka samy hofongorana tsy ho eo amin'ny olony izy roa. 19 Aoka tsy hiara-mandry amin'ny rahavavin-dreninao ianao, na amin'ny anabavin-drainao, satria hanala baraka ny havanao hakaiky anao ianao. Tsy maintsy hibaby ny helokao ianao. 20 Raha misy lehilahy miara-mandry amin'ny nenitoany, dia nanala baraka ny dadatoany izy. Rehefa maty izy ireo, dia samy ho saziako, ary rehefa maty izy ireo, dia hohalaiko ny lovan'ny zanak'izy ireo izay mety ho azony avy amin'ireo ray aman-dreniny. 21 Raha misy lehilahy manambady ny vadin-drahalahiny raha mbola velona ny rahalahiny, dia fahafaham-baraka, izany. Efa nanala baraka ny rahalahiny izy, ary hohalaiko amin'ny zanany ny fananana rehetra mety efa nolovan'izy ireo avy amin'ireo ray aman-dreniny. 22 Koa aoka ianareo hitandrina ny didy aman-dalako rehetra; aoka hankatò izany ianareo mba tsy handoa anareo ny tany izay hitondrako anareo mba honenanareo. 23 Aoka tsy handeha amin'ny fomban'ireo firenena izay horoahiko tsy eo alohanareo ianareo, satria efa nanao izany zavatra rehetra izany izy ireo, ary halako ireo. 24 Hoy Aho aminareo hoe: ''Handova ny tanin'izy ireo ianareo; hanome izany ho fananana ho anareo Aho, tany tondra -dronono sy ny tantely. Izaho ilay Yaveh Andriamanitrareo, izay efa nanavaka anareo tamin'ireo olon-kafa. 25 Noho izany aoka ianareo hanavaka ny biby madio sy ny maloto, ny voro-manidina maloto sy madio. Aoka ianareo tsy handoto ny tenanareo amin'ireo biby maloto na ireo voro-manidina na amin'ny zava-manan'aina rehetra izay mandady amin'ny tany, izay efa navahako ho maloto taminareo. 26 Aoka ho masina ianareo, fa Izaho, Yaveh, dia masina, ary efa nanavaka anareo tamin'ireo olon-kafa Aho, satria Ahy ianareo. 27 Aoka ho faty tokoa ny lehilahy na ny vehivavy izay miresaka amin'ny faty na miresaka amin'ireo fanahy. Aoka hitora-bato azy ireo ny olona. Meloka izy ireo ary mendrika ny ho faty."'