1 Ny teny izay tonga tamin'i Jeremia mahakasika ny Jiosy rehetra izay nipetraka tany amin'ny tany Egypta, dia ireo olona nitoetra tao Migdola, Tapanesa, Memfisa, ary tao amin'ny tany Patrosa. 2 ''Yaveh Tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely, manao izao: Ianareo mihitsy no efa nahita ireo loza rehetra izay nentiko tamin'i Jerosalema sy ny tanànan'ny Joda rehetra. Indro, rava izy ireo ankehitriny. Tsy misy olona mipetraka ao amin'izy ireo. 3 Izany dia nohon'ireo zavatra ratsy nataon'izy ireo mba hanafintohinana Ahy tamin'ny nandehanany nandoro ditin-kazo manitra sy nanompoany ireo andriamanin-kafa. Ireo dia andriamanitra izay tsy fantatr'izy ireo, na ianareo, na ireo razambenareo. 4 Ka nirahiko matetika ho any amin'izy ireo mpanompoko mpaminany rehetra . Nirahiko izy ireo mba hiteny hoe: 'Atsaharo ny fanaovana izao zava-betaveta izay halako izao.' 5 Nefa tsy nihaino izy ireo. Nandà tsy hihaino izy ireo na niala tamin'ny faharatsiany tamin'ny fandorana ditin-kazo manitra ho an'ireo andriamanin-kafa. 6 Koa niraraka ny fahavinirako sy ny fahatezerako ary nandrehitra afo tao amin'ireo tanànan'i Joda sy ireo lalan'i Jerosalema. Koa nanjary faharavana sy fahapotehana, tahaka ny amin'izao andro anio izao ireo." 7 ''Koa ankehitriny, dia milaza izao Yaveh Andriamanitra Tompon'ny maro sy Andriamanitr'Israely: "Nahoana no manao faharatsiana lehibe amin'ny tenanareo ianareo? Nahoana ianareo no manao izay hahafongotra anareo amin'ireo Joda—dia ireo vehivavy sy lehilahy, ireo ankizy sy zaza? Tsy hisy ho tavela aminareo. 8 Tamin'ny faharatsianareo no nanafintohinanareo Ahy noho ireo asan'nny tananareo, tamin'ny fandoroana ditin-kazo manitra ho an'ireo andriamanin-kafa tany amin'ny tany Egypta, izay nandehananareo hitoerana. Nandeha tany ianareo mba ho potehina, mba hanozonana sy hanalana baraka anareo eo amin'ireo firenen'ny tany rehetra. 9 Moa ve adinonareo ny faharatsiana nataon'ireo razambenareo sy ny faharatsiana nataon'ireo mpanjakan'i Joda sy ireo vadiny? Moa ve adinonareo ny ratsy nataonareo sy ny vadinareo tany amin'ny tanin'ny Joda sy ireo lalamben'i Jerosalema? 10 Mandrak'androany, dia tsy mbola nanetry tena izy ireo. Tsy manaja ny lalàko na ireo didiko izay napetrako teo anoloan'izy ireo sy ny razambeny izy ireo, na mandeha amin'ireny.'' 11 Noho izany Yaveh Tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely, dia milaza izao: "Indro, efa hanapa-kevitra ny hanandrina ny tavako aminao Aho . 12 Fa halaiko ny tavela amin'ny Joda izay navoaka handeha ho any amin'ny tany Egypta mba hitoetra any. Hataoko izany mba hahafatesan'izy rehetra any amin'ny tany Egypta. Ho lavon'ny sabatra sy mosary izy ireo. Manomboka amin'ny kely indrindra ka hatramin'ny lehibe indrindra dia ho fatin-tsabatra sy mosary. Ho faty izy ireo ary ho tonga zavatra fianianana, fanozonana, fandatsana, ary zavatra mampihorohoro. 13 Fa hanafay ny olona monina ao amin'ny tany Egypta tahaka ny nanafaizako an'i Jerosalema tamin'ny tsabatra, mosary, ary aretin-mandringana Aho. 14 Tsy hisy ho tafatsoaka na ho velona ireo sisan'ny Joda izay andeha mba hitoetra any ao amin'ny tany Egypta no ho tafaverina ao amin'ny tanin'i Joda, na dia te hiverina sy hitoetra any aza izy ireo. Tsy misy ho tafaverina izy ireo, afa-tsy izay vitsy handositra hiala eto.'' 15 Ary ny lehilahy rehetra izay nahalala fa nandoro ditin-kazo manitra ho an'ireo andriamanin-kafa ny vadin'izy ireo, sy ny vehivavy rehetra izay tao amin'ny fiangonana lehibe, ary ny olona rehetra izay nipetraka tany amin'ny tany Egypta tany Patrosa dia namaly an'i Jeremia. 16 Hoy izy ireo: "Momba ny teny izay nambaranao taminay tamin'ny anaran'i Yaveh—dia tsy hihaino anao izahay. 17 Fa ho ataonay avokoa ny zavatra rehetra izay nolazainay fa ho ataonay—dia handoro ditin-kazo manitra ho an'ny Mpanjakavavin'ny Lanitra ary handraraka fanatitra sotroina ho azy tahaka ny nataonay, ireo razambenay, ireo mpanjakanay, ary ireo mpitarikay tao amin'ireo tanànan'i Joda sy ireo lalan'i Jerosalema. Dia ho voky sakafo izahay ka ho ambinina, no sady tsy hiharan-doza. 18 Raha nitsahatra tsy manao ireo zavatra ireo izahay, tsy nanolotra ditin-kazo manitra ho an'ny Mpanjakavavin'ny Lanitra ary tsy nandraraka fanatitra sotroina ho azy, dia nijaly tamin'ny fahantrana izahay ary ho fatin-tsabatra sy mosary.'' 19 Hoy ireo vehivavy: "Rehefa manao fanatitra ditin-kazo manitra eo anoloan'ny Mpanjakavavin'ny Lanitra izahay ary mandraraka fanatitra sotroina ho azy, moa ve hanohitra ny vadinay no nanaovanay ireo zavatra ireo, manao mofomamy amin'ny endriny ary mandraraka fanatitra sotroina ho azy?'' 20 Dia hoy Jeremia tamin'ny vahoaka rehetra—tamin'ny lehilahy sy ny vehivavy, ary tamin'ny vahoaka rehetra izay namaly azy—nanambara izy ka nanao hoe: 21 "Moa ve tsy tsaroan'i Yaveh ny ditin-kazo manitra izay nodoranareo tao amin'ireo tanànan'i Joda sy ireo lalan'i Jerosalema—ianareo sy ireo razambenareo, ireo mpanjakanareo sy ireo mpitarika, ary ny mponin'ny tany rehetra? Fa efa nahatsiaro izany Yaveh; tonga tao an'eritreriny izany. 22 Koa tsy zakany intsony izany nohon'ny fanaovan-dratsinareo, nohon'ny fahavetavetana izay nataonareo. Dia hanjary ho lao, ho horohoro, ary ho ozona ny taninareo mba tsy hisian'ny mponina tahaka izao andro anio izao intsony. 23 Satria nandoro ditin-kazo manitra ary nanota tamin'i Yaveh ianareo, ary satria tsy nihaino ny feony, ny lalàny, ny fitsipiny, na ireo lalàn'ny fanekeny ianareo, dia nitranga taminareo izao loza izao tahaka izao andro anio izao.'' 24 Dia hoy Jeremia tamin'ny vahoaka rehetra sy ny vehivavy rehetra: "Mandrenesa ny tenin'i Yaveh, ry Joda rehetra izay ao amin'ny tany Egypta. 25 Yaveh Tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely, manao hoe: 'Ianareo sy ny vadinareo dia efa samy nilaza tamin'ny vavanareo ary nanatanteraka tamin'ny tananareo izay nolazainareo hoe: "Hotanterahinay tokoa ireo voady izay nataonay hanompoana ny Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba handraraka fanatitra sotroina ho azy.'' Ankehitriny efao ny voadinareo; tanteraho ireo.' 26 Koa dia, mandrenesa ny tenin'i Yaveh, ry Joda rehetra izay mitoetra ao amin'ny tany Egypta, 'Indro, efa nianiana tamin'ny anarako lehibe Aho—hoy Yaveh. Tsy ho antsoina amin'ny vavan'ireo olon'i Joda ao amin'ny tany Egypta rehetra intsony ny anarako, dia ianareo izay miteny ankehitriny hoe: "Raha velona koa ny Tompo Yaveh.'' 27 Indro, miambina azy ireo ho amin'ny loza fa tsy ho amin'ny soa Aho. Ny olon'i Joda rehetra ao amin'ny tany Egypta dia ho fatin-tsabatra sy mosary mandra-pahatapitra azy rehetra. 28 Ary ireo tsy matin-tsabatra dia hiverina avy ao amin'ny tany Egypta ho any amin'ny tanin'ny Joda, ny vitsy an'isa amin'izy ireo ihany. Koa ny tavela tamin'ny Joda rehetra izay nandeha tany amin'ny tany Egypta mba honina any dia hahafantatra hoe ny tenin'iza no ho tanteraka: ny ahy sa ny azy ireo. 29 Izao no ho famantarana ho anareo—izany no fanambaran'i Yaveh—fa hanohitra anareo ao amin'izany toerana izany Aho, mba ahafantaranareo fa hamely anareo amin'ny loza tokoa ny teniko.' 30 Izao no lazain'i Yaveh: 'Indro, efa hanolotra an'i Farao-Hofra mpanjakan'i Egypta eo an-tanan'ireo fahavalony sy eo an-tanan'ireo izay mifofo ny ainy Aho. Izany dia ho tahaka izay nanolorako an'i Zedekia mpanjakan'ny Joda teo an-tanan'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona, ilay fahavalony izay nifofo ny ainy.''