1 Ary nifarana ny fanambaran'i Jeremia ny teny rehetra an'i Yaveh Andriamanitr'izy ireo izay nolazainy taminy mba ho teneniny amin'ny vahoaka rehetra. 2 Azaria zanaka lahin'i Hosaia, Johanana zanaka lahin'i Karea, ary ny olona miavonavona rehetra dia niteny tamin'i Jeremia hoe: "Milaza lainga ianao. Yaveh Andriamanitray dia tsy naniraka anao hilaza hoe: 'Aza mandeha mitoetra any Egypta.' 3 Fa i Baroka zanaka lahin'i Neria dia niantsy anao hanohitra anay mba hanafaka anay eo an-tanan'ireo Kaldeana, satria ianao no mahatonga ny fahafatesanay ary manao anay ho babo any Babylona." 4 Koa nandà ny hihaino ny feon'i Yaveh mba hitoetra any amin'ny tanin'i Joda i Johanana zanaka lahin'i Karea, ireo andrian'ny tafika rehetra, ary ireo vahoaka rehetra. 5 Johanana zanaka lahin'i Karea sy ireo lehiben'ny tafika rehetra dia nitondra izay tavela rehetra tamin'i Joda izay niverina avy any amin'ny firenena rehetra tany amin'izay nanaparitahana azy ireo mba hitoetra any amin'ny tanin'ny Joda. 6 Nalain'izy ireo ny lehilahy sy ny vehivavy, ny ankizy sy ireo zanaka vavin'ny mpanjaka, ary ny olona rehetra izay navelan'i Nebozaradana, mpifehy ireo mpiambin'ny mpanjaka tamin'i Gedalia zanaka lahin'i Ahikama zanaka lahin'i Safana. Nalain'izy ireo ihany koa i Jeremia mpaminany sy i Baroka zanaka lahin'i Neria. 7 Nankany amin'ny tany Egypta izy ireo, any Tapanesa, satria izy ireo dia tsy nihaino ny feon'i Yaveh. 8 Ka tonga tamin'i Jeremia ny tenin'i Yaveh tany Tapanesa, nanao hoe: 9 'Mandraisa vato lehibe maromaro amin'ny tananao, ary, afeno eo imason'ny vahoakan'i Joda ao amin'ny fetan'ny rarivato eo amin'ny fidirana mankany amin'ny tranon'i Farao any Tapanesa ireo." 10 Ary lazao izy ireo hoe: 'Yaveh Tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely, milaza izao: 'Indro, handefa iraka haka an'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona toy ny mpanompoko Aho. Ho apetrako eo amin'ireo vato ireo ny seza fiandrianany izay nalevinao, ry Jeremia. Hametraka ny lainy eo amin'izy ireo i Nebokadnezara. 11 Fa ho avy izy ary hanafika ny tanin'i Egypta. Izay voatendry ho faty dia ho atolotra ho vonoina. Izay voatendry ho babo dia hotratra babo. Izay voatendry ho amin'ny sabatra dia homena ny sabatra. 12 Dia handrehitra afo eo amin'ny tempolin'ireo andriamanitr'i Egypta aho. Nebokadnezara dia handoro azy ireo na hisambotra azy ireo. Hanadio ny tanin'i Egypta tahaka ireo mpiandry ondry manadio ny bibikely amin'ny akanjon'izy ireo izy. Dia hivoaka amin'izany toerana izany amin'ny fandresena izy. [Fanamarihana: Raha tokony hoe: "Handrehitra ny afo aho", ny dikan-teny sasany taloha sy vaovao kosa dia misy hoe: ''Handrehitra afo izy."] 13 Hamotika ny tsangam-bato any Neopolisa any amin'ny tanin'i Egypta izy. Handoro ny tempolin'ireo andriamanitr'i Egypta izy.'"