1 Ary tamin'ny volana fahafito dia tonga tany amin'i Gedalia zanak'i Ahikama, tany Mizpa i Isimaela zanak'i Netania zanak'i Elisama, avy amin'ny fianakavian'ny mpanjaka, sy ny sasany tamin'ny manam-boninahitry ny mpanjaka—olona folo no niaraka taminy. Niara nihinana sakafo tany Mizpa izy ireo. 2 Fa Isimaela zanak'i Netania, ary ireo olona folo izay niaraka taminy dia nitsangana ary nanafika an'i Gedalia zanak'i Ahikama zanak'i Safana, tamin'ny sabatra. Novonoin'i Isimaela i Gedalia, izay napetraky ny mpanjakan'i Babylona hiandraikitra ny tany. 3 Ary novonoin'ny Isimaela ireo Jiosy rehetra izay niaraka tamin'i Gedalia tany Mizpa sy ireo Kaldeana mpiady hita tao. 4 Ary tonga ny andro faharoa taorian'ny namonoana an'i Gedalia, saingy tsy nisy nahalala. 5 Ny sasany tamin'ireo olona dia tonga avy any Sekema, avy any Silo, ary avy any Samaria—olona valopolo izay nanarata ny volombavany, nandriatra ny ankajony, ary nandidy ny tenany—niaraka tamin'ny fanatitra hoanina sy emboka manitra teny an-tanan'izy ireo mba handehanana ao amin'ny tranon'i Yaveh. 6 Koa niala tao Mizpa i Isimaela zanak'i Natania mba hitsena azy ireo teny am-pandehanana, sady nitomany. Ary raha nihaona tamin'izy ireo iny izy, dia hoy izy tamin'izy ireo hoe: ''Mandehana any amin'i Gedalia zanak'i Ahikama!'' 7 Ary rehefa tonga tany amin'ny tanàna izy ireo, dia novonoin'i Isimaela zanak'i Netania sady nariany tao an-davaka izy ireo, izy sy ireo olona niaraka taminy. 8 Kanefa nisy olona folo tamin'izy ireo nilaza tamin'i Isimaela hoe: ''Aza mamono anay, fa misy vatsinay any an-tsaha: vary hordea, menaka sy tantely.'' Koa tsy novonoiny niaraka tamin'ireo namany hafa izy ireo. 9 Ny famorian-drano izay nandatsahan'i Isimaela ny maty rehetra izay novonoiny, dia famorian-drano lehibe izay nohadian'i Asa Mpanjaka ho fiarovana hanoherana an'i Basa mpanjakan'ny Israely. Nofenoin'i Isimaela zanak'i Natania an'ireo faty izany. 10 Avy eo dia nosamborin'i Isimaela ireo olona rehetra izay tany Mizpa, ireo zanaka vavin'ny mpanjaka sy ireo olona rehetra izay sisa tavela tany Mizpa izay efa notendren'i Nebozaradana lehiben'ny mpiambina ho an'i Gedalia zanak'i Ahikama. Koa nisambotra azy ireo i Isimaela zanak'i Natania ary nandeha nanavatsava teo amin'ny olon'i Amona. 11 Fa i Johanana zanak'i Karea sy ireo mpifehin'ny tafika niaraka taminy dia nandre ny loza rehetra izay nataon'i Isimaela zanak'i Natania. 12 Koa nalain'izy ireo ny olony rehetra ary nentiny hiady hanohitra an'i Isimaela zanak'i Natania. Hitan'izy ireo tany amin'ny dobo lehiben'i Gibeona izy. 13 Ary rehefa hitan'ny olona rehetra izay niaraka tamin'i Isimaela i Johanana zanak'i Karea sy ireo mpifehin'ny tafika rehetra niaraka taminy, dia tena faly izy ireo. 14 Koa nitodika ireo olona rehetra izay nosamborin'Isimaela tao Mizpa ka nandeha tany amin'i Johanana zanak'i Karea. 15 Fa nandositra niaraka tamin'ny lehilahy valo avy tany Johanana i Isimaela zanak'i Netania. Nankany amin'ny vahoakan'i Amona izy. 16 Nalain'i Johanana zanak'i Karea avy any Mizpa ireo olona rehetra izay navotana tamin'i Isimaela zanak'i Netania. Izany dia taorian'ny namonoan'Isimaela an'i Gedalia zanak'i Ahikama. Naka ireo lehilahy mahery, ireo lehilahy mpiady, ireo zaza amam-behivavy, ary ireo tandapa izay avotra tao Gibeona i Johanana sy ireo namany. 17 Dia nandeha izy ireo ka nitoetra fotoana fohy tany Gerota Kimama, izay teo akaikin'i Betlehema. Nandeha tany Egypta izy ireo noho ireo Kaldeana. 18 Izy ireo dia natahotra azy ireo satria novonoin'i Isimaela zanak'i Netania i Gedalia zanak'i Ahikama, izay nampiandraiketan'ny mpanjaka ilay tany.