Toko faha 40

1 Tonga tamin'i Jeremia ny teny avy tamin'i Yaveh taorian'ny nanafahan'i Nebozaradana ilay mpifehy ireo mpiambina ny mpanjaka azy tany Rama. Nahita an'i Jeremia nifatotra rojo teo amin'ireo babon'i Jerosalema rehetra sy Joda izay nentina natao sesitany tany Babylona. 2 Ny lehiben'ny mpiambina naka an'i Jeremia ary nanao taminy hoe: "Nandidy izao loza izao ho an'ity toerana ity i Yaveh Andriamanitrao. 3 Koa nanatanteraka izany i Yaveh. Nanao araka izay nambarany Izy, satria ianareo ry vahoaka dia nanota taminy ary tsy nankatò ny feony. Izany no antom-pisian'izao zavatra izao aminareo ry vahoaka. 4 Fa indro ankehitriny, manafaka anao amin'ny rojo izay eny an-tananao aho anio. Raha sitrakao ny hiaraka amiko ho any Babylona, dia andao, ary hikarakara anao aho. Fa raha tsy sitrakao kosa ny hiaraka amiko ho any Babylona, dia aza atao izany. Jereo ny tany rehetra manoloana anao. Ka mandehana amin'izay tsara izay mety eo imasonao ." 5 Rehefa tsy namaly Jeremia, dia hoy Nebozaradana hoe: "Mandehana any amin'i Gedalia zanaka lahin'i Ahikama zanaka lahin'i Safana, izay nampiandraiketin'ny mpanjakan'i Babylona ny tanànan'i Joda. Miaraha mipetraka aminy eo amin'ireo vahoaka na mandehana any amin'izay sitrakao andehanana." Nanome sakafo sy fanomezana ho azy ny mpifehy ny mpiambina ny mpanjaka, ary avy eo dia nandefa azy. 6 Koa dia nandeha tany amin'i Gedalia zanaka lahin'i Ahikama, tany Mizpa i Jeremia. Niara-nipetraka taminy teo amin'ireo vahoaka izay sisa velona tamin'ilay tany izy. 7 Ary raha mbola tany ambanivohitra ny mpifehin'ireo miaramila Jodeana—izy ireo sy ireo olony—dia nahare fa efa nanao an'i Gedalia zanaka lahin'i Ahikama, ho governoran'ny tany ny mpanjakan'i Babylona. Ren'izy ireo ihany koa fa efa nampiandraiketiny azy ireo lehilahy, ireo vehivavy, ary ireo zaza izay olona mahantra indrindra teo amin'ilay tany, ireo izay tsy natao sesitany tany Babylona. 8 Koa dia nandeha tany amin'i Gedalia tany Mizpa izy ireo. Ireo lehilahy ireo dia Ismaela zanaka lahin'i Netania; Johanana sy Jonatana, zanaka lahin'i Karea; Seraia zanaka lahin'i Tanometa; ireo zanaka lahin'i Efay Neofatita; ary Jazania zanaka lahin'ilay Makatita_izy ireo sy ny olony. 9 Gedalia zanaka lahin'i Ahikama zanaka lahin'i Safana dia nanao fianianana tamin'izy ireo sy ny olony ary nanao tamin'izy ireo hoe: "Aza matahotra ny hanompo ny manam-pahefan'ny Kaldeana. Mitoera eo amin'ilay tany ka tompoy ny mpanjakan'i Babylona, ary hahita soa ianareo. 10 Indro, honina any Mizpa aho mba hihaona amin'ireo Kaldeana izay tonga teto amintsika. Koa mamokara divay, voka-pahavaratra, sy diloilo ary tehirizo ao amin'ny fitehirizanareo ireo. Mitoera amin'ny tanàna izay efa nisy anareo." 11 Ary ny Jiodeana rehetra tany Moaba, teo amin'ireo vahoakan'i Amona, sy ny tao Edoma, ary izay tao amin'ny tany rehetra dia nandre fa namela ny Joda sisa tavela hijanona ny mpanjakan'i Babylona, izay nanendreny an'i Gedalia zanaka lahin'i Ahikama zanaka lahin'i Safana teo amin'izy ireo. 12 Koa dia niverina avy tany amin'ny toerana izay nanaparitahany avy ny Jodeana rehetra, ho any Gedalia tany Mizpa. Namokatra divay sy voka-pahavaratra maro dia maro izy ireo. 13 Johanana zanaka lahin'i Karea sy ireo mpifehy tafika rehetra tany an-tsaha tonga tao amin'i Gedalia tany Mizpa. 14 Hoy izy ireo taminy hoe: "Moa fantatrao ve fa i Balisa mpanjakan'ny vahoakan'i Amona no nandefa an'i Ismaela zanaka lahin'i Netania mba hamono anao?" Kanefa i Gedalia zanaka lahin'i Ahikama tsy nino azy ireo. 15 Koa dia niteny mangina tamin'i Gedalia i Johanana zanaka lahin'i Karea ary nanao taminy hoe: "Mamelà ahy handeha hamono an'i Ismaela zanaka lahin'i Netania. Tsy hisy hiahiahy ahy. Nahoana izy no hamono anao? Nahoana no navela hiparitaka ny Joda rehetra izay efa niangona teo aminao ary ireo sisa tavela tao Joda rehetra ho rava?" 16 Fa Gedalia zanaka lahin'i Ahikama niteny tamin'i Johanana zanaka lahin'i Karea hoe: "Aza manao izany zavatra izany, fa miampanga lainga momba an'i Ismaela ianao."