1 "Loza ho an'ireo mpiandry ondry izay mamotika sy manaparitaka ny ondrin'ny ahitra maitsoko—izany no fanambaran'i Yaveh." 2 Noho izany Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely, dia milaza izao mahakasika an'ireo mpiandry ondry izay miandry ny olony: "Naparitakareo ireo ondriko ary noroahinareo. Tsy niraharaha azy ireo ianareo. Koa hanasazy anareo Aho nohon'ny ratsy izay nataonareo—izany no fanambaran'i Yaveh. 3 Izaho tenako no hanangona ny sisa amin'ireo ondriko avy any amin'ny tany rehetra izay nandroahako azy ireo, ary hamerina azy ireo amin'ny toerana misy ahitra, izay hamokaran'izy ireo sy hitomboan'izy ireo Aho. 4 Avy eo Aho hanangana mpiandry ondry eo amin'izy ireo izay hiandry azy ireo mba tsy hatahotra na torotoro intsony izy ireo. Tsy hisy ho very izy ireo— izany no fanambaran'i Yaveh. 5 Indro, ho avy ny andro—izao no fanambaran'i Yaveh—rehefa hanangana rantsana marina ho an'i Davida Aho. Hanjaka toy ny mpanjaka izy; hiasa am-pahendrena izy ary hampisy rariny sy fahamarinana eo amin'ilay tany. 6 Amin'ireo androny dia ho voavonjy i Joda, ary Israely dia hiaina am-pilaminana. Dia izao no anarana hiantsoany azy: Yaveh no fahamarinantsika. 7 Noho izany indro, ho avy ny andro—izao no fanambaran'i Yaveh—rehefa tsy hiteny intsony izy ireo hoe: 'Raha mbola velona koa Yaveh, ilay nitondra ny vahoakan'Israely hivoka ny tany Egypta.' 8 Fa hilaza kosa izy ireo hoe: 'Raha mbola velona koa Yaveh, ilay nitondra sy nitarika ny taranak'Israely avy tany amin'ny tany avaratra sy ny tany rehetra izay nandroahana azy ireo.' Avy eo dia hiaina any amin'ny tanin'izy ireo ihany izy ireo. 9 Raha ny momban'ireo mpaminany, dia maratra ny foko, ary mangovitra ny taolako rehetra. Lasa toy ny olona mamo aho, toy ny olona izay resin'ny divainy, noho Yaveh sy ireo teniny masina. 10 Fa ilay tany dia feno mpijangajanga. Noho ireo dia maina ny tany. Maina ireo tanin'ahitra any an'efitra. Ratsy ireo lalan'ny mpaminany ireo; tsy miasa amin'ny tokony ho izy ny fahefan'izy ireo. 11 "Fa ireo mpaminany sy ireo mpisorona dia samy maloto. Efa nahita ny faharatsian'izy ireo tao an-tranoko mihitsy Aho!— izany no fanambaran'i Yaveh— 12 noho izany dia ho toy ny toerana malama ao anaty aizina ny lalan'izy ireo. Ho atosika hidina izy ireo. Hianjera eo amin'izany izy ireo. Fa handefa loza eo amin'zy ireo amin'ny taonan'ny fanasazina azy ireo Aho—izany no fanambaran'i Yaveh. 13 Fa efa hitako nanao izay maharikoriko ireo mpaminany tany Samaria: naminany tamin'i Bala izy ireo ary nitarika ny vahoakako Israely amin'ny lalan-diso. 14 Nahita zavatra mahatsiravina teo amin'ireo mpaminany tany Jerosalema Aho: Nijangajanga izy ireo ary nandeha tamin'ny fitaka. Nanamafy ny tanan'ireo mpanao ratsy izy ireo; tsy nisy niala tamin'ny ratsy fanaony. Lasa toa an'i Sodoma avokoa izy rehetra amiko ary ny mponiny dia toa an'i Gomora!" 15 Noho izany Yaveh tompon'ny maro dia milaza izao mahakasika ireo mpaminany: "Indro, hampihinana zava-mahafaty sy hampisotro rano misy poizina azy ireo Aho, satria ny fahalotoana dia nivoaka tamin'ireo mpaminanin'i Jerosalema nankany amin'ny tany rehetra." 16 Yaveh tompon'ny maro dia milaza izao: "Aza mihaino ny tenin'ireo mpaminany izay maminany aminareo. Efa namitaka anareo izy ireo! Izy ireo dia manambara fahitana avy ao an-tsain'izy ireo manokana ihany, fa tsy avy amin'ny vavan'i Yaveh. 17 Milaza foana amin'ireo izay manala baraka Ahy izy ireo hoe: 'Yaveh dia manambara fa hisy fiadanana ho anareo.' Fa ny olona rehetra izay mandeha amin'ny ditran'ny fony dia manao hoe: 'Tsy ho avy aminareo ny loza.' 18 Nefa iza no nitsangana teo amin'ny fivorian'ny synedrionan'i Yaveh? Iza no mahita sy mandre ny teniny? Iza no nanongila-tsofina tamin'ny teniny ary nihaino? 19 Indro, misy rivo-doza ho avy avy any amin'i Yaveh! Mivoaka ny hatezerany, ary misy tafio-drivotra hitsoaka. Mitsoka manodidina ny lohan'ireo ratsy fanahy izany. 20 Tsy hiverina ny hatezeran' Andriamanitra mandra-pahatanterahany sy mandra-pitondrany ny fikasan'ny fony. Amin'ny andro farany, dia ho azonareo izany. 21 Tsy nandefa ireo mpaminany ireo Aho. Nipoitra fotsiny izy ireo. Tsy nanambara na inona na inona tamin'izy ireo Aho, nefa mbola naminany ihany izy ireo. 22 Fa raha nitsangana teo amin'ny fivorian'ny synedrionako izy ireo, dia ahatonga ny oloko handre ny teniko izy ireo; nampivily azy ireo tamin'ireo teny ratsiny sy fanaovan'izy ireo kolikoly. 23 Moa Andriamanitra eo akaiky eo fotsiny ihany ve Aho—izao no fanambaran'i Yaveh—fa tsy Andriamanitra alavitra ihany koa? 24 Misy olona afaka miafina any amin'ny toerana miafina ve ka tsy hitako?—izany no fanambaran'i Yaveh—ary moa tsy mameno ny lanitra sy ny tany Aho?—izany no fanambaran'i Yaveh. 25 Efa reko ny voalazan'ireo mpaminany, ireo izay naminany fitaka tamin'ny anarako. Hoy izy ireo hoe: 'Nanofy aho! Nanofy aho!' 26 Hafiriana no hitohizan'izany, ry mpaminany izay maminany lainga avy ao an-tsain'izy ireo, sy maminany avy amin'ny fitaka ao am-pon'izy ireo? 27 Izy ireo dia mitetika ny hanadinoan'ny oloko ny anarako amin'ireo nofy izay taterin'izy ireo tsirairay avy amin'ny mpiara-monina aminy, tahaka ny nanadinoan'ny razamben'izy ireo ny anarako nohon'ny anaran'i Bala. 28 Ny mpaminany izay manana nofy, aoka izy hitatitra ilay nofy. Fa izay nanambarako zavatra, aoka izy hanambara ny teniko am-pahamarinana. Fa inona no idiran'ny mololo amin'ny vary?—izany no fanambaran'i Yaveh— 29 Moa tsy toy ny afo ve ny teniko?—izany no fanambaran'i Yaveh—ary toy ny tatanana izay manorotoro vato ho potipotika? 30 Koa indro, manohitra an'ireo mpaminany Aho—izany no fanambaran'i Yaveh—izay rehetra mangalatra teny amin'ny olona hafa ary milaza fa avy amiko ireny. 31 Indro, manohitra an'ireo mpaminany Aho—izany no fanambaran'i Yaveh—izay mampiasa ny lelan'izy ireo mba haminaniana fanambarana. 32 Indro, manohitra an'ireo mpaminany izay manofy amim-pitaka Aho—izany no fanambaran'i Yaveh—ary avy eo manambara ireo ary amin'izany fomba izany dia mamitaka ny oloko amin'ny alalan'ny fitaka sy fiheboheboan'izy ireo. Manohitra azy ireo Aho, satria tsy naniraka na nanome baiko azy ireo Aho. Noho izany dia azo antoka fa tsy hanampy an'ity vahoaka ity izy ireo—izany no fanambaran'i Yaveh. 33 Rehefa manontany anao ireo olona ireo, na ny mpaminany, na ny mpisorona hoe: 'Inona no entan-mavesatr'i Yaveh?' dia hilaza amin'izy ireo ianao hoe: 'Ianareo no entan-mavesatra, ary handroaka anareo Aho'—izany no fanambaran'i Yaveh. 34 Raha ny amin'ireo mpaminany, mpisorona, sy olona izay miteny hoe: 'Ity ny vesatr'i Yaveh' dia hanasazy izany olona izany sy ny ankohonany Aho. 35 Tsy mitsahatra milaza ianareo, ny olona tsirairay amin'ny mpiara-belona aminy ary ny olona tsirairay amin'ny rahalahiny hoe: 'Inona no navalin'i Yaveh?' sy hoe: 'Inona no nambaran'i Yaveh?' 36 Kanefa tsy tokony hiresaka momban'ny 'vesatr'i Yaveh' intsony ianareo, satria ilay vesatra dia ny tenin'ny olona tsirairay manokana, ary ianareo dia nametaveta ny tenin'ilay Andriamanitra velona, ilay Yaveh tompon'ny maro, Andriamanintsika. 37 Izao no ho lazainareo amin'ilay mpaminany hoe: 'Inona no valin-teny nomen'i Yaveh anareo? na hoe: 'Inona no nolazain'i Yaveh' 38 Fa raha miteny ianareo hoe: 'Ilay vesatr'i Yaveh,' dia izao no ambaran'i Yaveh: 'Satria niteny ireo teny ireo ianareo hoe: 'Vesatr'i Yaveh,' rehefa naniraka anareo Aho, niteny hoe: 'Aza miteny hoe: "Vesatr'i Yaveh,"' 39 noho izany, dia indro, haka anareo Aho ary hanipy anareo lavitra Ahy, miaraka amin'ilay tanàna izay nomeko anareo sy ireo razambenareo. 40 Avy eo dia hametraka henatra sy faniratsiràna aminareo mandrakizay izay tsy ho adinoina Aho.'"