Toko faha 22

1 Izao no lazain'i Yaveh: "Midìna any an-tranon'ny mpanjakan'i Joda ary ambarao any izao teny izao. 2 Lazao hoe: 'Ry mpanjakan'i Joda, henoy ny tenin'i Yaveh—ianao izay mitoetra eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida—ianao, sy ireo mpanomponao, ary ireo vahoakanao izay mandalo eo amin'ireo vavahady ireo. 3 Izao no lazain'i Yaveh: "Manaova ny rariny sy fahamarinana, ary izay voaroba—vonjeo eny an-tanan'ny mpampahory izy. Aza manao fomba ratsy amin'ireo vahiny, na kamboty, na mpitondratena eo amin'ny taninao. Aza manao herisetra na mandatsaka ny ràn'ny tsy manan-tsiny amin'ity toerana ity. 4 Fa raha manao ireo zavatra ireo tokoa ianao, dia hiditra eo amin'ireo vavahadin'ity trano ity hitaingina kalesy sy soavaly ireo mpanjaka mipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida, izy, ireo mpanompony, ary ny vahoakany! 5 Fa raha tsy mihaino ireo teny avy amiko izay efa nambarako ireo ianao—izany no fanambaran'i Yaveh—dia ho tonga faharavana ity tranon'ny mpanjaka ity.'" 6 Fa izao no lazain'Yaveh mahakasika ny tranon'ny mpanjakan'i Joda: 'Ianao dia tahaka an'i Gileada, na tahaka ny tendron'i Libanona amiko. Na izany aza ho avadiko tany efitra ianao, ho tanàna tsy misy mponina. 7 Fa efa nanendry ireo mpandrava ho avy hanohitra anao Aho! Hanapaka ireo sederanao tsara indrindra ireo lehilahy miaraka amin'ny fitaovam-piadiany ary hamela azy ireo hianjera anaty afo. 8 Ary firenena maro no handalo amin'ity tanàna ity. Hifampilaza amin'ny eo akaikiny ny tsirairay hoe: 'Nahoana no nanao izao tamin'ity tanàna lehibe ity Yaveh?" 9 Ary hamaly ny hafa hoe: "Satria nahafoy ny faneken'i Yaveh Andriamaniny izy ireo, ary niankohoka tamin'ireo andriamanitra hafa sy nanompo azy ireo." 10 Aza mitomany izay maty, na misaona ho azy; fa mitomania ho azy izay handeha alavitra, satria tsy hiverina intsony izy ary tsy hahita ny tanindrazany intsony.' 11 Fa izao no lazain'i Yaveh momba an'i Jehoaza zanaka lahin'i Josia mpanjakan'i Joda, izay nanompo tahaka ny mpanjaka raha tokony ho Josia rainy: 'Niala teto amin'ity toerana ity izy ary tsy hiverina. 12 Ho faty any amin'ilay toerana izay nanaovan'izy ireo sesitany azy izy, ary tsy hahita ity tany ity intsony.' 13 Loza ho an'izay manorina ny tranony amin'ny tsy fahamarinana, ny efitranony ambony amin'ny tsy rariny, izay mampiasa maina ny mpiara-belona aminy, ary tsy manome ny karamany; 14 hoy izy hoe: 'Hanorina trano lehibe sy efitrano ambony malalaka ho ahy aho.' Koa manapàha varavarankely lehibe ho izany, ary nasiany valin-drihana sedera izany, ary nolokoiny mena.' 15 Mahatonga anao ho mpanjaka tsara ve ny fanirianaono hanana takelaka sedera? Moa ve tsy nihinana sy nisotro ihany koa ny rainao, fa kosa nanao ny rariny sy fahamarinana? Ary nandeha tsara ny zava-drehetra ho azy. 16 Nanome rariny ny ory sy fadiranovana izy. Ary dia tsara izany. Moa ve izany tsy midika ny fahafantarana Ahy?—izany no fanambaran'i Yaveh. 17 Fa tsy misy na inona na inona ankoatran'ny tahotra eo amin'ny masonao sy ny fonao noho ny amin'ny tombony tsy ara-drariny sy ny amin'ny fandatsahan-dràn'ny tsy manan-tsiny, ny fampahoriana sy fanorotorona ny hafa. 18 Noho izany dia hoy i Yaveh mahakasika an'i Joiakima zanaka lahin'i Josia, mpanjakan'i Joda: Tsy hitomany ho azy izy ireo ka hanao hoe: 'loza, ry rahalahiko!' na 'loza, ry rahavaviko!' Tsy hitomany ho azy izy ireo ka hanao hoe: 'loza, ry tompo!' na 'loza, ry be voninahitra!' 19 Ho alevina toy ny fandevenam-boriky izy, ho taritarihina sy hatsipy any ivelan'ny vavahadin'i Jerosalema izy. 20 Miakara any an-tendrombohitr'i Libanona ka miantsoa mafy. Asandrato ao Basana ny feonao. Miantsoa mafy avy eny amin'ireo tendrombohitr'i Abarima, fa ho ringana ireo namanao rehetra. 21 Niresaka taminao Aho fony nandry ampilaminana ianao, nefa hoy ianao hoe: 'Tsy hihaino aho.' Izany no fombanao hatramin'ny fahatanoranao satria tsy nihaino ny feoko ianao. 22 Hiandry ireo mpiandry ondrinao rehetra ny rivotra, ary ireo namanao dia ho lasan-ko babo. Ary dia ho menatra sy hangahiahy tokoa ianao nohon'ny asa ratsinao rehetra. 23 Ianao izay monina any 'Libanona,' izay manorina akany amin' ny sedera, endrey ny hamindrana fo aminao rehefa tonga aminao ny fanaintainan'ny asa, fanaintainana izay tahaka ny an'ny vehivavy miteraka!" 24 "Raha velona koa Aho—izao no fanambaran'i Yaveh—na dia peratra tombokasen'ny tanako ankavanana aza ianao ry Jekonia, zanaka lahin'i Joiakima, mpanjakan'i Joda, dia ho viraviraiko ianao. 25 Fa efa nomeko ho eo an-tanan'ireo izay mifofo ny ainao ianao ary ho eo an-tanan'ireo izay atahoranao, na ho eny an-tanan'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona sy ireo Kaldeana koa aza. 26 Hanary anao sy ny reninanao niteraka anao any amin'ny tany hafa Aho, tanàna izay tsy nahaterahanao, ary ao ianao no ho faty. 27 Raha ny momba ity tany izay hirian'izy ireo hiveranana ity, dia tsy hiverina aty izy ireo. 28 Moa ve tsy fanaka notsinontsinoavina sy notorotoroina izany? Moa ve tsy vilany izay tsy nahafaly an'iza na iza izany lehilahy Jekonia izany? Nahoana izy sy ny taranany no narian'izy ireo, ka natsipiny tany amin'ny tany izay tsy fantatr'izy ireo? 29 Ry tany, ry tany, ry tany! Henoy ny tenin'i Yaveh! 30 Izao no lazain'i Yaveh: 'Manorata mahakasika ity lehilahy Jekonia ity: tsy hanan-taranaka izy. Tsy ho ambinina mandritra ny androm-piainany izy, ary tsy hisy na iray amin'ireo taranany ahita fahombiazana na hipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida indray ka hanapaka an'i Joda.'"