1 Jakoba, mpanompon'Andriamanitra sy Tompo Jesosy Kristy, ho an'ireo foko roa ambin'ny folo niparitaka: arahaba. 2 Raiso ho fifaliana avokoa izany, ry rahalahy, rehefa misedra olana samihafa ianareo. 3 Fantatrareo fa ny fitsapana ny finoanareo dia mahantonga faharetana. 4 Avelao ny faharetana hahatanteraka ny asany, mba tena hivoatra sy ho feno tanteraka ianareo, ka tsy ho ory na inona na inona. 5 Fa raha misy aminareo mila fahendrena, aoka izy hangataka izany amin'Andriamanitra, ilay iray izay manome an-tsitrapo sy tsy mandatsa izay rehetra mangataka, ary omeny azy izany. 6 Fa avelao izy hangataka amin'ny finoana, tsy misalasala amin'inona na inona. Fa izay misalasala dia tahaka ny onjan-dranomasina izay entin'ny rivotra sy mitopatopa. 7 Fa izany olona izany dia tsy tokony hieritreritra ny handray na inona na inona avy amin'ny Tompo. 8 Ny olona tahaka izany dia miroa saina, miovaova amin'ny lalany rehetra. 9 Aoka ny rahalahy mahantra hanao ny fisandratany ho reharehany, 10 fa ny olona manan-karena amin'ny fietreny, satria izy dia hilofika tahaka ny voninkazo-dia eny amin'ny ahitra. 11 Fa ny masoandro dia miposaka amin'ny hafanana mahamay ary manamaina ny ahitra. Ny voninkazo dia mihintsana, ary ny hatsarany dia ho levona. Toy izany koa, ny olona manan-karena dia halazo eny amin'ny atsasaky ny diany. 12 Sambatra ny olona izay miaritra fitsapana. Satria rehefa avy nandalo fitsapana izy, dia handray ny satroboninahitry ny fiainana, izay nampanantenaina tamin'ireo izay tia an' Andriamanitra. 13 Rehefa misy halaim-panahy dia aoka izy tsy hiteny hoe: "Andriamanitra no naka fanahy ahy," satria Andriamanitra tsy azon'ny ratsy alaina fanahy, sady tsy mba maka fanahy na an'iza na iza. 14 Fa samy alaim-panahy amin'ny faniriany manokana ny olona tsirairay, izay mampiemotra sy mandresy azy. 15 Rehefa avy torontoronina ny faniriana, dia miteraka fahotana izany. Ary rehefa mitombo tanteraka ny ota, dia miteraka fahafatesana. 16 Aza mety ho fitahina, ry rahalahy malalako. 17 Ny fanomezana tsara rehetra sy ny fanomezana tonga lafatra rehetra dia avy any ambony. Izany dia midina avy amin'ny Rain'ny fahazavana. Miaraka aminy dia tsy misy fiovana na aloka nohon'ny fiodinana. 18 Andriamanitra dia nisafidy ny hanome fahaterahana antsika amin'ny tenin'ny fahamarinana, mba ho karazana voaloham-bokatr'ireo zavatra rehetra izay noforoniny isika. 19 Fantatrareo izany, ry rahalahy malalako: aoka ny olona rehetra halaky hihaino, tsy hiteny haingana, ary tsy halaky ho tezitra. 20 Fa ny hatezeran'ny olona dia tsy ahefana ny fahamarinan'Andriamanitra. 21 Koa esory ny fahalotoana rehetra sy ny faharatsiana rehetra. Amim-panetre-tena dia raiso ny teny efa napetraka, izay afaka mamonjy ny fanahinareo. 22 Aoka ho mpankatoa ny teny ianareo fa tsy mpihaino fotsiny ihany, ka mamitaka ny tenanareo. 23 Fa raha misy mpihaino ny teny nefa tsy mpankatoa, dia tahaka ny olona izay mandinika ny tarehiny voajanahary anaty fitaratra izy. 24 Mandinika ny tenany izy ka mandeha avy eo ary manadino avy hatrany ny momba azy. 25 Fa ny olona izay mandinika tsara ny lalànan'ny fahafahana tonga lafatra, sy manohy manao izany, fa tsy hoe mpihaino fotsiny izay manadino, dia ho tahiana amin'ireo asany izany olona izany. 26 Raha misy mihevi-tena ho mpivavaka, nefa tsy mifehy ny lelany, dia mamitaka ny fony izy, ary tsy misy vidiny ny fivavahany. 27 Ny fivavahana madio sy tsy misy pentina eo anoloan' Andriamanintsika sy ny Raintsika dia izao: hanampy ireo kamboty sy ireo mpitondratena amin'ny fahorian'izy ireo, ary miaro ny tena mba tsy hisy pentina avy amin'izao tontolo izao.