1 Fa i Saoly, dia mbola niteny fandrahonana foana eny fa na hatramin'ny famonoana manohitra ireo mpianatry ny Tompo aza, nandeha tany amin'ny mpisoronabe 2 ary nanontany azy ireo taratasy ho an'ireo synagoga tao Damaskosy, ka raha mahita na iza na iza eo amin'ny Lalany izy, na lehilahy na vehivavy, dia entiny hifatotra any Jerosalema izy ireo. 3 Raha mbola nandeha izy, dia izao no nitranga rehefa tonga teo akaikin'i Damaskosy izy, tampoka teo dia nisy hazavana namirapiratra nanodidina azy avy any an-danitra; 4 ary nianjera tamin'ny tany izy ka nandre feo niteny taminy hoe: "Saoly, Saoly, nahoana ianao no manenjika ahy?" 5 Saoly namaly hoe: "Iza ianao, Tompo?" Hoy ny Tompo: "Izaho no Jesosy izay enjehinao, 6 fa mitsangàna, midira ao amin'ny tanàna, ary ho lazaina aminao izay tsy maintsy ho ataonao." 7 Ny lehilahy izay niara-dia tamin'i Saoly dia nijoro tsy nahateny, nandre ny feo, fa tsy nahita an' iza na iza. 8 Nitsangana avy tamin'ny tany i Saoly, ary rehefa nanokatra ny masony izy, dia tsy afaka nahita na inona na inona izy; ka notantanan'izy ireo tamin'ny tanany izy ary nentina tany Damaskosy. 9 Tsy nahiratra izy nandritry ny telo andro, ary tsy nihinana izy no sady tsy nisotro. 10 Ary nisy mpianatra tao Damaskosy antsoina hoe Ananiasy. Niteny taminy tamin'ny fahitana ny Tompo: "Ananiasy!" Hoy izy: "Indro, inty aho, Tompo." 11 Niteny taminy ny Tompo: "Mitsangàna, ary mandehana any amin'ny lalana izay antsoina hoe Mahitsy, ary rehefa ao an-tranon'i Jodasy dia mangataha amin'ilay lehilahy avy any Tarsosy antsoina hoe Saoly, fa mivavaka izy. 12 Efa nahita tamin'ny fahitana ny fihavian'ny olona antsoina hoe Ananiasy izy ary hametraka ny tanany eo aminy, ka mety hahita indray izy." 13 Fa namaly Ananiasy hoe: "Tompo, efa nandre tamin'ny maro momba io olona io aho, mahakasika ny ratsy nataony tamin'ny olonao masina tao Jerosalema. 14 Nanana fahefana tamin'ireo lohan'ny mpisorona izy mba hisambotra izay rehetra miantso ny anaranao eto." 15 Fa ny Tompo niteny taminy hoe: "Mandehana, fa izy dia fitaovana nofidiko, mba hitondra ny anarako eo anoloan'ny Jentilisa sy ireo mpanjaka ary ny zanak'Israely; 16 fa ho asehoko azy hoe ahoana ny fijaliany noho ny amin'ny anarako." 17 Ka lasa i Ananiasy, ary niditra tao amin'ny trano. Nametraka ny tanany teo aminy, dia niteny izy hoe: "Rahalahy Saoly, ny Tompo Jesosy, izay niseho taminao teny an-dalana rehefa nakaty ianao, no nandefa ahy taty mba mety hahiratanao ary ho feno ny Fanahy Masina." 18 Teo no ho eo dia zavatra toy ny kiran-trondro no niendaka avy hatrany teo amin'ny mason'i Saoly, ary nahiratra izy; nitsangana izy ary natao batisa; 19 ary nihinana izy ka nahazo hery. Nipetraka niaraka tamin'ireo mpianatra tao Damaskosy nandritry ny andro maro izy. 20 Avy hatrany dia nanambara an'i Jesosy tao amin'ny Synagoga izy, nilaza fa Izy no Zanak'Andriamanitra. 21 Izay rehetra nandre azy dia gaga ary niteny hoe: "Tsy io olona io ve no namono ireo tany Jerosalema izay niantso tamin'io anarana io? Tonga teto izy mba haka azy ireo ho fatorana ho any amin'ny mpisorombe." 22 Fa lasa nihanahery i Saoly, ary nampahory ny Jiosy izay nonina tao Damaskosy ka nanaporofo fa Jesosy no Kristy. 23 Taorian'ny andro maromaro, niara- nanao drafitra mba hamono azy ireo Jiosy. 24 Fa lasa fantatr'i Saoly ny tetik'izy ireo. Ary niandry ny vavahady andro aman'alina mba hamono azy izy ireo. 25 Fa naka azy tamin'ny alina ireo mpianany ary namela azy hidina tamin'ny rindrina, nampidina azy tao anaty harona. 26 Rehefa tonga teo Jerosalema izy, dia nanandrana ny hanatona ireo mpianatra i Saoly, nefa natahotra azy daholo ireo, tsy nino fa mpianatra izy. 27 Fa naka azy i Barnabasy ary nitondra azy teo amin'ireo Apostoly, ary nilaza tamin'ireo izy hoe ahoana no nahitan'i Saoly ny Tompo teny an-dalana sy ny nitenenan'ny Tompo taminy, ary ahoana no nitorian'i Saoly am-pasahiana tamin'ny anaran'i Jesosy tao Damaskosy. 28 Nihaona tamin'izy ireo izy rehefa niditra ary nivoaka an'i Jerosalema. Niteny am-pasahiana tamin'ny anaran'i Jesosy Tompo izy 29 ary niady hevitra niaraka tamin'ireo Jiosy Grika; nefa mbola niezaka ny hamono azy ihany izy ireo. 30 Rehefa fantatr'ireo rahalahy izany, dia nentin'izy ireo nidina tany Kaisaria izy ary nalefany ho any Tarsosy izy. 31 Ary avy eo, ny fiangonana nanerana an'i Jodia rehetra, Galilia, ary Samaria nanana fiadanana ary voaorina; ary, nandeha tamin-tahotra ny Tompo sy tamin'ny fampiononan'ny Fanahy Masina, ka nitombo isa ny fiangonana. 32 Dia tonga izany ankehitriny, raha nandeha nanerana ny faritra manontolo Petera, dia nandeha nidina tany amin'ireo mpino izay nipetraka tao amin'ny tananan'i Lyda ihany koa izy. 33 Nahita olona antsoina hoe Aenasy tao izy, izay efa teo am-pandriany nandritry ny valo taona, satria nalemy izy. 34 Petera niteny taminy hoe: "Aenasy, manasitrana anao Jesosy Kristy. Mitsangàna ary amboary ny fandrianao," ary niaraka tamin'izay dia nitsangana izy. 35 Fa izay rehetra nipetraka tao Lyda sy tao Sarona dia nahita ny lehilahy ka nitodika tamin'ny Tompo izy ireo. 36 Ary nisy mpianatra iray antsoina hoe Tabita tao Jopa, izay adika hoe "Dorkasy." Nanao asa soa betsaka io vehivavy io ary nanao fanampiana feno asa fiantrana izay nataony ho an'ny mahantra. 37 Tamin'ireo andro ireo dia narary izy ary maty; rehefa nanasa azy izy ireo, dia napetrak'izy ireo tao amin'ny efitrano ambony izy. 38 Satria efa nanakaiky an'i Lyda i Jopa, ary nandre ireo mpianatra fa tao Petera, dia nandefa olona roa tany aminy izy ireo, niangavy azy: "Tongava re any aminay tsy misy hatak'andro." 39 Nitsangana Petera ary nandeha niaraka tamin'izy ireo. Rehefa tonga izy, dia nitondra azy tao amin'ny efitra ambony izy ireo, ary ny mpitondratena rehetra nitsangana teo anilany nitomany, nampiseho azy akanjo sy ny lamba izay nataon'ireo Dorkasy fony izy niaraka tamin'izy ireo. 40 Nalefan'i Petera tany ivelan'ny efitra izy rehetra, nandohalika, ary nivavaka; avy eo, nitodika tamin'ilay razana, niteny izy hoe: "Tabita, mitsangàna." Dia nanokatra ny masony izy avy eo, ary nahita an'i Petera izy dia niarina. 41 Avy eo nanolo-tanana azy Petera ary nampitsangana azy; ary rehefa niantso ireo mpino sy ireo mpitondratena izy, dia nasehony tamin'izy ireo ny fahavelomany. 42 Lasa fantatra nanerana an'i Jopa rehetra izany zavatra izany, ary olona maro no nino ny Tompo. 43 Tamin'izany Petera dia nipetraka andro maromaro niaraka tamin'ilay lehilahy iray antsoina hoe Simona tao Jopa, izay mpandoko hoditra.