Toko faha 11

1 Nony hitan'i Atalia, renin'i Ahazia, fa maty ny zanany, dia nitsangana izy ary namono ny zanaky ny mpanjaka rehetra. 2 Nefa i Joseba, zanaka vavin'i Jehorama Mpanjaka aryy anabavin'i Ahazia, dia naka an'i Joasy zanak'i Ahazia, ary nanafina azy lavitra teo amin'ireo zanaky ny mpanjaka izay novonoina, miaraka amin'ny mpitaiza azy; nataony tao amin'ny efitrano fatoriana izy ireo. 3 Nafenin'izy ireo an'i Atalia izy mba tsy hovonoina. Niaraka tamin'i Joseba izy, nafenina tao an-tranon'i Yaveh, nandritra ny enin-taona, raha mbola nanjaka teo amin'ny tany i Atalia. 4 Ary tamin'ny taona fahafito, dia nandefa hafatra sy nitondra ireo mpifehy ny Karita sy ny mpiambina an-jatony i Joiada, ary nitondra azy ireo ho azy, tao an-tempolin'i Yaveh. Dia nanao fanekena tamin'izy ireo izy, ka nasainy nanao voady tao an-tranon'i Yaveh izy ireo. Avy eo dia nasehony azy ireo ny zanaky ny mpanjaka. 5 Nibaiko azy ireo izy, nanao hoe: "Izao no tsy maintsy ataonareo. Ny telo aminareo izay tonga amin'ny andro Sabata dia hiambina ny tranon'ny mpanjaka, 6 ary ny telo ho ao amin'ny Vavahadin'ny Sora, ary ny telo ao am-bavahady ao ahorian'ny trano fiambenana." 7 Ireo vondrona roa hafa izay tsy manompo amin'ny andro Sabata, dia tsy maintsy miambina ny tranon'i Yaveh ho an'ny mpanjaka ianareo. 8 Tokony mihodidina ny mpanjaka ianareo, ary ny olona rehetra miaraka amin'ny fitaovam-piadiany eny an-tanany. Na iza na iza miditra eo an-daharanareo, dia aoka hovonoina izy. Tsy maintsy hanaraka ny mpanjaka ianareo rehefa mivoaka, sy rehefa miditra izy. 9 Ary ireo mpifehy an-jatony dia nankatò ny zavatra rehetra izay nandidian'i Joiada mpisorona. Samy naka ny olony ny tsirairay, ireo izay niditra mba hanompo tamin'ny Sabata, sy ireo izay hitsahatra hanompo tamin'ny Sabata; dia nandeha tany amin'i Joiada mpisorona izy ireo. 10 Ary nomen'i Joiada mpisorona ny mpifehy an-jatony ny lefona sy ny apinga izay an'i Davida Mpanjaka sy izay tao an-tranon'i Yaveh. 11 Ary nitsangana ireo mpiambina, ny olona tsirairay miaraka amin'ny fitaovam-piadiany eny an-tanany, teo ankavanan'ny tempoly hatrany ankavia, akaikin'ny alitara sy ny tempoly, miodidina ny mpanjaka. 12 Dia nentin'i Joiada nivoaka i Joasy zanaky ny mpanjaka, nametrahany satro-boninahitra, ary nomeny azy ny didy fanekena. Dia nataony mpanjaka sy nosoran'izy ireo izy. Nitehaka izy ireo ary niteny hoe: "Ho ela velona anie ny mpanjaka!" 13 Rehefa ren'i Atalia ny tabataban'ireo mpiambina sy ny olona, dia nankao amin'ny olona tao an-tranon'i Yaveh izy. 14 Nijery izy, ary indro, ny mpanjaka nitsangana teo akaikin'ny tsangam-bato, araka ny fanao, ary ireo kapiteny sy ireo mpitsoka trompetra dia teo anilan'ny mpanjaka. Ary ny olona rehetra teo amin'ny tany dia nifaly sy nitsoka trompetra. Dia nandriatra ny akanjony i Atalia ka nihiaka mafy hoe: "Mpamadika! Mpamadika!" 15 Avy eo i Joiada mpisorona nandidy ireo mpifehy an-jatony izay teo amin'ny tafika, nanao hoe: "Avoay eo an-daharana izy. Na iza na iza manaraka azy, dia vonoy amin'ny sabatra izy." Fa ny mpisorona nilaza hoe: "Aza avela hovonoina ao an-tranon'i Yaveh izy." 16 Ka nisambotra azy izy ireo raha tonga teo amin'ilay toerana izay fidiran'ny soavaly ao an-kianjan'ny lapa izy, ary teo no namonoana azy. 17 Ary nanao fanekena teo amin'i Yaveh sy ny mpanjaka ary ny vahoaka i Joiada, ary teo amin'ny mpanjaka sy ny olona ihany koa , mba ho olon'i Yaveh izy ireo. 18 Ary ny olona rehetra teo amin'ny tany nankany amin'ny tranon'i Bala ka nanimba izany. Namotipotika ireo alitaran'i Bala sy ny sampiny vosokitra izy ireo, ary namono an'i Matana, ilay mpisoron'i Bala teo anoloan'ireo alitara izy ireo. Ary Joiada mpisorona nanendry ireo mpiambina hifehy ny tempolin'i Yaveh. 19 Nentin'i Joiada nanaraka azy ny mpifehy an-jatony, ireo Karita, ny mpiambina, ary ny olona rehetra teo amin'ny tany, ary niaraka nitondra ny mpanjaka nidina avy tany an-tranon'i Yaveh izy ireo, ka niditra tao an-tranon'ny mpanjaka, miditra amin'ny lalana eo am-bavahadin'ireo mpiambina. Naka ny toerany teo amin'ny seza fiandrianan'ny mpanjaka i Joasy. 20 Ary nifaly ny olona rehetra teo amin'ny tany, ka nilamina ny tanàna taorian'ny namonoana an'i Atalia tamin'ny sabatra tao an-tranon'ny mpanjaka. 21 Fito taona i Joasy no nanomboka nanjaka.