Toko faha 10

1 Ary nanana taranaka fitopolo tany Samaria i Ahaba. Nanoratra taratasy i Jeho ka nandefa izany tany Samaria, ho an'ireo mpanapaka an'i Jezirela, tao anatin'izany ireo loholona sy ireo mpiambina ny taranak'i Ahaba, nilaza hoe: 2 "Eo aminareo ireo taranaky ny tomponareo, ary manana kalesy sy soavaly ary tanàna voaaro sy akanjo fiarovana ihany koa ianareo. Noho izany, raha vao tonga eo aminareo ity taratasy ity, 3 dia safidio izay tsara sy mendrika indrindra amin'ireo taranaky ny tomponareo ka apetraho ho eo amin'ny seza fiandrianan-drainy izy, ary miadia ho an'ny fianakavian'ny mpanjaka tomponao." 4 Fa nihorohoro izy ireo ka nifampilaza hoe: "Indro, mpanjaka roa aza tsy nahajanona teo anatrehan'i Jeho. Koa ahoana moa no hahajanonantsika?" 5 Avy eo ilay lehilahy izay misahana ny lapa, sy ilay lehilahy nanapaka ny tanàna, sy ireo loholona ihany koa, ary ireo izay nitaiza ireo zaza, dia nandefa teny niverina tany amin'i Jeho, nilaza hoe: "Mpanomponao izahay. Hataonay izay rehetra handidianao anay, tsy hametraka olona ho mpanjaka izahay. Ataovy izay fantatrao fa mety eo imasonao." 6 Ary nanoratra taratasy fanindroany ho azy ireo i Jeho, nilaza hoe: "Raha miandany amiko ianareo, ary raha mihaino ny feoko ianareo, dia tsy maintsy tapahinareo ny lohan'ireo lehilahy taranaky ny tomponareo, ary mankanesa aty amiko aty Jezirela rahampitso amin'ny ora toy izao." Ankehitriny ireo taranaky ny mpanjaka, miisa fitopolo, dia niaraka tamin'ireo lehilahy manan-danja teo an-tanàna, izay nitaiza azy ireo. 7 Ka rehefa tonga teo amin'izy ireo ilay taratasy, dia nalainy ireo zanaka lahin'ny mpanjaka ka novonoiny, olona fitopolo, nataony tao anaty sobika ny lohan'izy ireo, ary nalefany tany amin'i Jeho tany Jezirela ireo. 8 Nisy mpitondra hafatra tonga teo amin'i Jeho, nilaza hoe: "Efa nitondra ny lohan'ireo zanaka lahin'ny mpanjaka izy ireo." Ka hoy izy: "Ataovy antontan-javatra roa ho eo amin'ny vavahady fidirana izy ireo mandra-maraina." 9 Ny maraina i Jeho dia nivoaka ka nitsangana, ary niteny tamin'ny vahoaka rehetra hoe: "Tsy manan-tsiny ianareo. Indro, nikomy tamin'ny tompoko aho ka namono azy, fa iza no namono ireto rehetra ireto? 10 Ankehitriny dia tokony ho tsapanareo tokoa fa tsy nisy tamin'ny tenin'i Yaveh, ny teny izay nolazainy mahakasika ny fianakavian'i Ahaba, hiraraka amin'ny tany, satria Yaveh no nanao araka izay nolazainy tamin'ny alalan'i Elia mpanompony." 11 Ka novonoin'i Jeho izay sisa tavela tamin'ny fianakavian'i Ahaba tany Jezirela, sy ireo lehilahy manan-danjany, ireo namany akaiky, ireo mpisorony, mandra-pahalany tamingana azy ireo. 12 Avy eo dia nitsangana i Jeho ka lasa; nankany Samaria izy. Ary raha vao tonga tao Bet-ekedan'ny mpiandry ondry izy, 13 dia nifanena tamin'ireo rahalahin'i Ahazia mpanjakan'i Joda. Hoy i Jeho tamin'izy ireo: "Iza ianareo?" Namaly izy ireo hoe: "Rahalahin'i Ahazia izahay, ary hidina mba hiarahaba ireo zanaky ny mpanjaka sy ireo zanak'i Jezebela Mpanjakavavy izahay." 14 Hoy i Jeho tamin'ireo lehilahiny: "Ataovy sambo-belona izy ireo." Ka nataon'izy ireo sambo-belona izy ireo ary novonoiny tany amin'ny lavaka famorian-dranon'i Bet-ekda, ireo roa amby efapolo lahy. Tsy nisy navelany ho velona izy ireo. 15 Rehefa niala teo i Jeho, dia nifanena tamin'i Jonadaba zanaka lahin'i Rekaba ary nanatona azy. Niarahaba azy i Jeho ka nilaza taminy hoe: "Miaraka amiko ve ny fonao, tahaka ny foko izay miaraka amin'ny anao?" Namaly i Jonadaba hoe: "Izany tokoa." Hoy i Jeho: "Raha izany tokoa no izy, dia atolory ahy ny tananao." Ka natolotr'i Jonadaba azy ny tanany, ary nampiakarin'i Jeho niaraka taminy teo amin'ny kalesiny i Jonadaba. 16 Hoy i Jeho "Miaraha amiko ka jereo ny zotom-poko ho an'i Yaveh." Ka niara-nandeha taminy tao amin'ny kalesiny i Jonadaba. 17 Raha tonga tany Samaria izy, dia novonoin'i Jeho avokoa ny taranak'i Ahaba izay sisa tavela tany Samaria, mandra-pandringanany ny fianakavian'i Ahaba mpanjaka, araka izay efa nolazaina tamin'izy ireo tany aloha tamin'ny alalan'ny tenin'i Yaveh, izay nolazainy tamin'i Elia. 18 Ary nampivory ny olona rehetra niaraka i Jeho ka niteny tamin'izy ireo hoe: "Ahaba dia nanompo an'i Bala kelikely ihany, fa i Jeho kosa hanompo azy fatratra. 19 Ankehitriny ary antsoy ho eto amiko avokoa ireo mpaminan'i Bala rehetra, sy ireo mpanompo azy rehetra, ary ireo mpisorony rehetra. Aoka tsy hisy tavela, satria manana fanatitra lehibe hatolotra ho an'i Bala aho. Izay rehetra tsy tonga dia tsy ho velona." Fa nataon'i Jeho izany mba ho famitahana, tamin'ny fikasany hamono ireo mpanompon'i Bala. 20 Hoy i Jeho: "Manokàna fotoana iray mba hanaovana fivoriana ho an'i Bala." Ka nambaran'izy ireo izany. 21 Ary naniraka manerana an'Israely rehetra sy ireo mpanompo an'i Bala rehetra i Jeho, mba tsy hisy olona tavela ka tsy tonga. Tonga tao amin'ny tempolin'i Bala izy ireo, ary feno na hatraiza na hatraiza. 22 Nilaza tamin'ilay lehilahy mpitahiry ny akanjon'ny mpisorona i Jeho hoe: "Mamoaha akanjo ho an'ireo mpisoron'i Bala rehetra." Ka namoaka akanjo ho azy ireo ilay lehilahy. 23 Ary lasa niaraka tamin'i Jonadaba zanaka lahin'i Rekaba ho ao an-tranon'i Bala i Jeho, ary hoy izy tamin'ireo mpanompon'i Bala: "Zahao, ary ataovy azo antoka fa tsy hisy avy amin'ny mpanompon'i Yaveh ny iray aminareo eto, fa mpanompon'i Bala ihany." 24 Dia nandeha nanolotra sorona sy fanatitra dorana izy ireo. Ary nifidy lehilahy valopolo hitsangana eo ivelany i Jeho, ary hoy izy tamin'izy ireo: "Raha misy tafatsoaka amin'ireo lehilahy izay entiko eo an-tananareo, na iza na iza mamela izany olona izany handositra, dia ho esorina aminy ny ainy ho solon'ilay tafatsoaka." 25 Ary vantany vao vitan'i Jeho ny fanolorana ny fanatitra dorana, dia hoy izy tamin'ilay mpiambina sy ireo kapiteny: "Midira ka vonoy izy ireo. Aza avela hisy ho tafavoaka." 26 Ka novonoin'izy ireo tamin'ny lelan-tsabatra ireo, ary ny mpiambina sy ireo kapiteny nanipy azy ireo tany ivelany ary niditra tao an'efitra anatin'ny tranon'i Bala. Notarihin'izy ireo nivoaka ny andry vato tao an-tranon'i Bala, ary nodoran'izy ireo izany. 27 Avy eo dia narodan'izy ireo ny andrin'i Bala, ka noravainy ny tranon'i Bala ary nataony trano fivoahana, ary mandraka ankehitriny izany. 28 Toy izany no nandravan'i Jeho ny fanompoana an'i Bala tany Israely. 29 Kanefa tsy nandao ireo fahotan'i Jeroboama zanaka lahin'i Nebata i Jeho, izay nampanotàny ny Israely_izay fanompona ny ombilahy kely volamena tany Betela sy Dana. 30 Ka hoy i Yaveh tamin'i Jeho hoe: "Satria ianao nanao izay tsara tamin'ny fanatanterahana izay marina teo imasoko, ary nanao ny ankohonan'i Ahaba araka izay rehetra tato am-poko, ireo taranakao dia hipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'Israely hatramin'ny taranaka fahefatra." 31 Fa tsy niraraha izay handeha amin'ny lalàn'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely, tamin'ny fony manontolo i Jeho.Tsy niala tamin'ny fahotan'i Jeroboama izy, izay nampanotàny ny Israely. 32 Tamin'ireo andro ireo i Yaveh no nanomboka nametra ny faritr'Israely, ary i Hazaela nandresy ireo Israelita teny amin'ny sisin-tanin'ny Israely, 33 hatrany Jordana no ho miantsinanana, ny tanin'i Gileada rehetra, ny Gadita, ary ny Robenita, sy ny Manasita, avy any Aroera, izay avy eo amin'ny lohasahan'i Arnona, hatrany Gileada ka hatrany Basana. 34 Raha ny amin'ireo raharaha hafa mahakasika an'i Jeho, sy izay rehetra nataony, sy ny fahefany rehetra, moa tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'Israely ve izany? 35 Nodimandry niaraka tamin'ireo razambeny i Jeho, ary nalevin'izy ireo tany Samaria izy. Ary i Joahaza zanany lahy no lasa mpanjaka nandimby azy. 36 Valo amby roapolo taona ny fotoana nanjakan'i Jeho teo amin'Israely tany Samaria.