Tôko 1

1 Avy amin'ny lôholona ka hahatrany amin'ny viavy voafidy sy iré zanakany, izay tiáko amin'ny fahamarinagna - ary tsy zaho foagna, fô iré jiaby izay nahafantatra ny marigna foagna koà - 2 nohon'ny fahamarinagna izay mitoetra akô anatintsika ké hiaraka amitsika mandrakizay. 3 Ho amitsika ane ny fahasoavagna, ny famindram-pô, ndraiky fiadanagna avy amin'Andriamanitra Ray sy avy amin'i Jesosy Kristy, Zanaky ny Ray, amin'ny fahamarinagna sy fitiavagna. 4 Faly indrindra zaho satrià nahita ny sasany amin'iré zanakanahy mandeha amin'ny fahamarinagna, karaha ny nandraisantsika izégny didy izégny avy tamin'ny Ray. 5 Ké mangataka aminà zaho, raviavy - tsy karaha ny manôratra didy vaovao aminà zaho, fô izay nananantsika letrin'ny vôlôhagny - de ny tôkony hifankatiavantsika samby antsika. 6 Izao no fitiavagna, de ny mbô handehanantsika karaha irè didy. Izao no didy, karaha ny regninarè letrin'ny vôlôhagny, de tôkony handehananarè amin'izègny. 7 Fô be irè mpamitaka efa lasana agny amin'izao tontôlo izao, ary zare ré de tsy magneky fô Jesosy Kristy de tônga tamin'ny nôfo. Izégny no mpamitaka sy antikristy. 8 Zahavo ny tegnanaré, mbô tsy hahavery irè raha izay efa vitantsika jiaby, fô mbô handraisanaré valim-pitia feno. 9 Na zôvy na zôvy mandeha aké alôha ké tsy mitoetra akô amin'ny fampianaran'i Kristy de tsy managna an'Andriamanitra. Ilay araika izay mitoetra akô amin'ny fampianaragna, izégny araka izégny de managna ny Ray sy ny Zanaka. 10 Kô misy ôlogno tônga aké aminà ké tsy mitôndra izégny fampianaragna izégny, de aza mandray ananjy ho akô an-tragnonà ary aza magnotsafa ananjy. 11 Fô izay magnotsafa ananjy de miombona amin'ny ratsy atony. 12 Managna raha maro ho soratagna aminarè zaho, kanèfa zaho tsy magniry hanôratra izégny amin'ny taratasy sy ranomainty. Na izégny anefa, manantegna ny ho tônga agny aminaré zaha ké hikoragna mivantana, mbô ho tanteraka ny fifaliànarè. 13 Magnano vilôma anà irè zanaky ny rahavavinà voafidy.