1 Voho gny reo mpitariky gny longon-drazambeny gny longo maron'i Gileada gnanak'i Makira(gnanak'i Manase), baka ami-gny reo fotony gny taranak'i Josefa, la avy ka nisafa fagnatrehan'i Mosesy ndraiky tagnatrehany reo mpitariky lohany gny longom-drazambeny gny vahoakany gny Israely, 2 Hoy gnasan-drozy: " Yaveh ro nibaibo gnanao, ry tomponay, mba hagnomea anjara tany ho gnany gny vahoakany gny Israely amigny filoka. Nibaikon'i Yaveh iha mba hagnomea gny anjaran'i Zelofada rahalahiny ho gnany reo gnanak'ampelany. 3 Nefa laha manambaly johary baka ami-gny fokony gny vahoakany gny Israely hafa gnanak'ampelany reo, la hala tsy ho anajarany gny razambentsika gny anjaran-drozy. Hagnampy gny anjarany reo foko andehanan-drozy zay. 4 Aminy zay, lafa avy gny taom-Jobiliny gny vahoakany gny Israely, la hikamba ami-gny anjarany gny foko nandehanany gny Israely, la hikamba ami-gny anjarany gny foko mandehanan-drozy gn'anjarany. Ka zay, ro hangala gn'anjarany rozy ami-gny anjarany gny fokon-drazambentsika 5 La nagnomean-dily gny vahoakany gny Israely, tami-gny safan'i Yaveh i Mosesy. Hoy ie: " To gny nisafagniny gny taranak'i nJosefa. 6 Zay ro ibaikoan'i Yaveh mikasiky gny reo gnanak'ampelan'i Zelofada. Hoy ie Engao rozy hanambaly zedinihiny fa soa, fe hanambaly gnany zay ami-gny fokon-drainy ao avao rozy. 7 Tsy misy anjarany gny vahoakany gny Israely hiova foko ho ami-gny foko hafa. Gny kiraidraiky ami-gny vahoakany gny Israely la hita gn'anjarany gny fokon-drazambeny. 8 Gn'ampelany gny vahoakany gny Israely kiraidraiky managn'anjara ami-gny fokony la tsy maintsy manambaly olo bakao ami-gny reo longom-beny gny fokon-drainy. Zay la mba hanagnany gny vahoakany gny Israely lova kiraidraiky baka ami-gny reo razambeny. 9 Tsy tokony hisy anjara hifalo tagna ho gnany gny foko hafa. Gny gn'olo iaby ami-gny fokony gny vahoakany gny Israely reo la hita gny lovany avao." 10 La nanao araky ze nibaikoan'i Yaveh gnani Mosesy gny reo gnanak'ampelan'i Zelofada. 11 Mahala, Tirza, Hogla, Milka, voho Noa, reo gnanak'ampelan'i Zofoloda, la nanambaly gny taranak'i Manesa. 12 Nanambaly tami-gny reo longombeny reo taranak'i Manase gnanak'i Josefa rozy. Ka zay, ro nipetrahany gny lovan-drozy ami-gny foko gnany longoben-drainy reo ao. 13 Reo ro lily ndraiky lalagna namean'i Yaveh tami-gny alalan'i Mosesy hoe gnany gny vahoakany gny Israely ami-gny reo lemak'i Moaba amoron'i Jordana ta Jeriko ao.