Genesis 36
Genesis 36:1
Tamin'ny anarana hafa inona no niantsoana ireo taranak'i Esao?
Nantsoina ihany koa hoe Edoma ireo taranak'i Esao.
Avy taiza no nakan'i Esao ireo vadiny?
Naka ireo vadiny avy amin'ireo Kananita i Esao.
Genesis 36:6
Nahoana no nifindra niala an'i Jakoba rahalahiny i Esao?
Nifindra niala an'i Jakoba rahalahiny i Esao satria tsy nahazaka azy roa ireo niaraka ny tany satria maro loatra ny fananan'izy ireo.
Taiza no nitoeran'i Esao?
Nitoetra teo amin'ny tany havoan'i Seira i Esao.
Genesis 36:9
Iza no anaran'ny zanaka lahy naterak'i Timna, vaditsindranon'i Elifaza zanaka lahimatoan'i Esao?
Ny anaran'ny zanaka lahy naterak'i Timna dia Amaleka.
Genesis 36:20
Iza no rain'ireo mponin'ny tany izay nipetrahan'i Edoma?
Seira ilay Horita no rain'ireo mponin'ny tany izay nipetrahan'i Edoma.
Genesis 36:31
Inona no azon'ny vahoakan'i Edoma talohan'ny nahazoan'Israely azy ireo?
Nanana ireo mpanjaka talohan'ny mpanjaka nanjaka tamin'ireo Israelita ny vahoakan'i Edoma.
Genesis 36:40
Iza no rain'ireo Edomita?
Esao no rain'ireo Edomita.