1 Tonga tamiko ny tenin'i Yaveh tompon'ny maro, nanao hoe: 2 "Izao no lazain'i Yaveh tompon'ny maro: Tia fatratra an'i Ziona amin'ny zotom-po lehibe Aho ary saropiaro nohon'ny aminy amin'ny hatezerana lehibe Aho! 3 Izao no lazain'i Yaveh tompon'ny maro: hiverina any Ziona Aho ary hitoetra ao afovoan'i Jerosalema, fa efa nantsoina hoe ilay Tanànan'ny Fahamarinana i Jerosalema ary ny tendrombohitr'i Yaveh tompon'ny maro dia ho antsoina hoe Ilay Tendrombohitra Masina! 4 Izao no lazain'i Yaveh tompon'ny maro: Lahy antitra sy vavy antitra indray no ho eny an-dalam-ben'i Jerosalema, ary ny olona tsirairay hila tehana ho eny an-tanany satria efa niha-antitra izy. 5 Ho feno tovolahy sy tovovavy milalao eny amin'ireo lalam-ben'ny tanàna. 6 Izao no lazain'i Yaveh tompon'ny maro: Amin'izany andro izany raha misy zavatra tsy hay atao eo imason'ireo vahoaka sisa tavela, dia tokony tsy ho hay atao eo imasoko koa ve izany?—izany no fanambaran'i Yaveh. 7 Izao no lazain'i Yaveh tompon'ny maro: Indro, eo an-dalam-panavotana ny oloko amin'ny tany fiposahan'ny masoandro Aho ary eo amin'ny tany filentehan'ny masoandro! 8 Fa hitondra azy ireo hiverina Aho, ary honina ao afovoan'i Jerosalema izy ireo, mba ho vahoakako indray izy ireo, ary ho Andriamanitr'izy ireo amin'ny marina sy amin'ny fahamarinana Aho! 9 Izao no lazain'i Yaveh tompon'ny maro: Ianao izay manohy mihaino ireo teny mitovy izay nivoaka avy tamin'ny vavan'ny mpaminany rehefa napetraka ny fototry ny tranoko—ity tranoko ity, Yaveh tompon'ny maro: Atanjaho ireo tananao mba ho voatsangana ny tempoly . 10 Fa talohan'izany andro izany dia tsy nisy vokatra voaangon'ny olona, tsy nisy tombony na ho an'ny olona na ho an'ny biby, ary tsy nisy fiadanana ho an'izay olona mivoaka na miditra avy tamin'ireo fahavalo. Efa nametraka ny olona tsirairay hanohitra ny namany Aho. 11 Fa ankehitriny izany dia tsy ho toy ny tamin'ny andro fahiny, homba ny sisan'ity vahoaka ity Aho— izany no fanambaran'i Yaveh tompon'ny maro. 12 Fa hafafy ny voan'ny fiadanana; dia hanome ny voany ny hazo voaloboka ary ny tany hanome ny vokam-pamboleny; hanome ny andony ny lanitra, fa hampandovaiko izany zavatra rehetra izany ny sisa amin'ity vahoaka ity. 13 Ohatra ho an'ireo firenen'ny ozona hafa ianareo, ry taranak'i Joda sy taranak'Israely. Koa dia hamonjy anareo Aho ary ho fitahiana ianareo. Aza matahotra; aoka hatanjaka ny tananareo! 14 Fa izao no lazain'i Yaveh tompon'ny maro: tahaka ny nanomanako hanao ratsy aminareo rehefa nampatezitra Ahy ireo razambenareo—hoy Yaveh tompon'ny maro—ary tsy nilefitra Aho, 15 no hanomanako hanao zavatra tsara indray ho an'i Jerosalema sy ny taranak'i Joda ihany koa amin'izany andro izany! Aza matahotra! 16 Ireto no zavatra izay tsy maintsy hataonareo: Milazà ny marina, ny olona tsirairay amin'ny namany. Mitsarà amin'ny marina, rariny, ary fiadanana eo amin'ny vavahadinareo. 17 Aza manao fikasan-dratsy ao am-ponareo amin'ny hafa, ary aza mitia fianianan-diso—satria mankahala ireo zavatra ireo Aho!—izany no fanambaran'i Yaveh." 18 Dia tonga tamiko ny tenin'i Yaveh tompon'ny maro, manao hoe: 19 "Izao no lazain'i Yaveh tompon'ny maro: Ny fifadian-kanina amin'ny volana fahefatra, volana fahadimy, volana fahafito, ary ny volana fahafolo dia ho lasa fotoanan'ny fifaliana, firavoravoana, ary fotoana mahafinaritra ho an'ny tarakan'i Joda! Noho izany tiavo ny fahamarinana sy ny fiadanana! 20 Izao no lazain'i Yaveh tompon'ny maro: Ho tonga indray ny vahoaka, na dia ireo izay monina amin'ireo tanàna maro samihafa aza. 21 Handeha ho any amin'ny tanàna hafa ny mponin'ny tanàna iray ka hanao hoe: "Aoka handeha faingana eo anoloan'i Yaveh isika ka hitady an'i Yaveh tompon'ny maro! Handeha ihany koa isika. 22 Vahoaka maro sy firenena mahery maro no ho tonga hitady an'i Yaveh tompon'ny maro any Jerosalema ary hiangavy ny fankasitrahan'i Yaveh! 23 Izao no lazain'i Yaveh tompon'ny maro: Amin'izany andro izany dia lehilahy folo avy amin'ny fiteny sy firenena rehetra no hiazona ny sisin'ny akanjonao ary hiteny hoe: 'Aoka hiaraka aminao izahay, fa efa renay fa momba anao Andriamanitra!'"