1 Ampaherezo izy ireo hanaiky ireo mpanapaka sy ireo manam-pahefana, hankatoa azy ireo, ho vonona amin'ny asa tsara rehetra. 2 Ampatsiahivo izy ireo tsy haneso na iza na iza, hiala amin'ny adihevitra, hamela ny hafa hanaraka ny lalany, ary hampiseho fanetren-tena amin'ny olona rehetra. 3 Fa teo aloha ny tenantsika dia tsy nanan-tsaina ary tsy nankàtoa. Voatarika tamin'ny lalan-diso isika ary nandevozin'ny filàna sy ny fahafinaretana samihafa. Niaina tao amin'ny faharatsiana sy ny fialonana isika. Nankahalaina izahay ary nifankahala isika. 4 Fa rehefa niseho ny hatsaram-panahin'Andriamanitra mpamonjy antsika sy ny fitiavany ny olombelona, 5 dia tsy tamin'ny asan'ny fahamarinana nataontsika izany, fa tamin'ny famindram-pony no namonjeny antsika. Izy dia namonjy antsika tamin'ny alalan'ny fanadiovan'ny fahateraham-baovao sy ny fanavaozana tamin'ny Fanahy Masina. 6 Andriamanitra nandrotsaka betsaka tamintsika ny Fanahy Masina tamin'ny alalan'i Jesosy Kristy Mpamonjy antsika. 7 Nataony izany mba, ho voamarina tamin'ny fahasoavana, dia ho tonga mpandova isika amin'ny alalan'ny fahatokisana ny fiainana mandrakizay. 8 Izany hafatra izany dia mendri-pitokisana. Tiako hilaza momba izany zavatra izany am-pahatokisana ianareo, mba ireo izay mahatoky an'Andriamanitra dia hikasa hanao ireo asa tsara izay efa napetrany teo alohan'izy ireo. Izany zavatra izany dia sady tsara no mahasoa ho an'ny olona rehetra. 9 Fa ialao ny adihevitra adala sy ny tantaram-pirazanana ary ny fifandiranana sy ny ady momban'ny lalàna. Ireo zavatra ireo dia zava-poana sy tsy mahasoa. 10 Mandà izay olona rehetra miteraka fizarazarana eo anivonareo, aorian'ny fampitandremana indray na indroa, 11 ary fantaro fa ny olona ohatr'izany dia niala tamin'ny lalana marina ary manota sy manameloka ny tenany. 12 Rehefa naniraka an'i Artema na Tykiko any aminareo aho, dia faingàna ary mankanesa any amiko any Nikopolia, izay nanapahako hevitra andaniana ny ririnina. 13 Faingàna ary alefaso Zena, ilay mpahay lalàna, sy Apolosy, mba tsy hanan-java-mahory izy ireo. 14 Ny olontsika dia tsy maintsy mianatra manao asa tsara izay ilaina maika mba tsy ahatonga azy ireo tsy hamokatra. 15 Ireo rehetra miaraka amiko dia manao veloma anareo. Manaova veloma ireo izay tia antsika amin'ny finoana. Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavana.