1 Fihirana fiakarana. Rehefa namerina ny haren'i Ziona i Yaveh, dia toy ireo manonofy isika. 2 Avy eo feno fihomehezana ny vavantsika ary hira ny lelantsika. Dia hoy izy ireo tamin'ireo firenena hoe: "Nanao zavatra lehibe ho azy ireo Yaveh." 3 Nanao zavatra lehibe ho antsika Yaveh; endrey ny hafaliantsika! 4 Avereno ny harenay, ry Yaveh, tahaka ny riaka ao Negeva. 5 Ireo izay mamafy am-pitomaniana dia hijinja amin'ny hikam-pifaliana. 6 Izay mandeha mitomany, mitondra voa hafafy, dia hiverina amin'ny hikam-pifaliana indray, mitondra ny amboarany miaraka aminy.