Salamo faha 113

1 Derao Yaveh. Derao Izy, ianareo mpanompon'i Yaveh; derao ny anaran'i Yaveh. 2 Isaorana anie ny anaran'i Yaveh,na izao na ho mandrakizay. 3 Hatrany amin'ny fiposahan'ny masoandro ka hatramin'ny fodiany, tokony hoderaina ny Anaran'i Yaveh. 4 Asandratra ambonin'ny firenena rehetra i Yaveh, ary ny voninahiny mahatratra mihoatra ny lanitra. 5 Iza no tahaka an'i Yaveh Andriamanitsika, izay mipetraka eny amin'ny avo, 6 izay mijery ambany eny amin'ny lanitra sy ety an-tany? 7 Manandratra ny mahantra hiala amin'ny loto Izy ary manangana ireo fadiranovana amin'ny antontan-davenona, 8 mba hahafahany hametraka azy miaraka amin'ireo andriana, miaraka amin'ireo andrian'ireo vahoakany. 9 Hanome trano fonenana ho an'ny vehivavy momba Izy, manao azy ho renin-jaza falifaly Izy. Derao Yaveh!