Salamo faha 111

1 Derao Yaveh. Hanome fisaorana ho an'i Yaveh amin'ny foko manontolo aho ao amin'ny fiangonan'ny marina, ao amin'ny fivondronan'izy ireo. 2 Lehibe ireo asan'Andriamanitra, nandrasan'izay rehetra naniry azy ireo tamim-paharisihana. 3 Malaza sy be voninahitra ny asany, ary ny fahamarinany maharitra mandrakizay. 4 Manao zava-mahafinaritra izay hotsaroana Izy; mpamindra fo sy feno famindram-po Yaveh. 5 Manome sakafo ho an'ireo mpanaraka mahatoky Azy Izy. Hampahatsiaro ny fanekem-pihavanany mandrakariva Izy. 6 Nasehony tamin'ny olony ireo asa-maheriny amin'ny fanomezany azy ireo ny lovan'ireo firenena. 7 Mendri-pitokisana sy marina ireo asan-tanany; azo antoka ireo fampianarany rehetra. 8 Mitoetra mandrakizay ireo, mba hitandremana amim-pahatokiana sy amin'ny tokony ho izy. 9 Nanome fandresena ny olony Izy; nampisy ny fanekeny mandrakizay izy; masina sy mahatalanjona ny Anarany. 10 Ny fanomezan-boninahitra an'i Yaveh no fiandoham-pahendrena; ireo izay manatanteraka ireo torolalany no manana ny fahazavan-tsaina tsara. Maharitra mandrakizay ny fiderany.