1 Tsy miantso mafy ve ny Fahendrena? Tsy manandra-peo ve ny Fahazavan-tsaina? 2 Eo amin'ireo tampon-kavoana akaikin'ny lalana, ao amin'ireo sampanan-dalana, no hijoroan'ny Fahendrena. 3 Eo anoloan'ireo vavahady ao amin'ny fidirana mankany an-tanàna, eo amin'ny fidirana mankao an-tanàna, no hiantsoany. 4 ''Ianareo, ry vahoaka, no antsoiko; ny feoko dia ho an'ireo zanak'olombelona. 5 Ianareo izay bado, mianara fahendrena; ary ianareo izay adala, manàna fahazavan-tsaina ianareo. 6 Henoy, satria miresaka ireo zavatra mendri-kaja aho, ary rehefa misokatra ny molotro dia hilaza zavatra marina aho . 7 Fa ny vavako milaza izay mendri-pitokiana, ary ny faharatsiana maharikoriko ny molotro. 8 Ny tenin'ny vavako rehetra dia marina; tsy nisy miolakolaka na fitaka amin'ireo. 9 Mahitsy ho an'ny olona izay mahatakatra azy ireo; iireo teniko dia marina ho an'ireo izay mahita fahalalana. 10 Mandraisa ny fampianarako fa tsy ny volafotsy; mandraisa fahalalana fa tsy ny volamena tsy mifangaro. 11 Fa tsara noho ny firavaka ny Fahendrena; tsy misy harena mitovy aminy. 12 Izaho, Fahendrena, dia miara-monina amin'ny Fitandremana, ary manana fahalalana sy fahamalinana. 13 Ny tahotra an'i Yaveh dia mba hankahalana ny ratsy. Halako ny fieboeboana sy fiavonavonana, ny fomba ratsy, sy ny teny ratsy. Halako ireo. 14 Manana torohevitra tsara sy fahendrena marina aho; lalin-tsaina aho; ahy ny hery. 15 Amin'ny alalako no anjakan'ireo mpanjaka—ireo lehilahy manan-kaja ihany koa, sy ny rehetra izay mifehy amin'ny fahamarinana. 16 Amin'ny alalako no anapahan'ireo andriandahy, ireo manan-kaja, sy ny rehetra izay mifehy amin'ny fahamarinana. 17 Tiako izay tia ahy, ary ireo izay mitady ahy fatratra, dia hahita ahy. 18 Ao amiko ny harena sy voninahitra, harena maharitra ary fahamarinana. 19 Ny vokatro dia tsara noho ny volamena, eny na ny volamena tsara indrindra aza; tsara noho ny volafotsy madio ny vokatro. 20 Mandeha amin'ny lalan'ny fahamarinana, afovoan'ireo lalan'ny marina aho. 21 Vokatr'izany, dia ataoko mandova harena ireo izay tia ahy; fenoiko ny fitehirizan-drakitr'izy ireo. 22 Nahary ahy Yaveh tamin'ny fiandohana, ny asany voalohany tamin'izany. 23 Fahiny ela be dia ary aho—hatrany am-boalohany, hatramin'ny fiandohan'ny tany. 24 Talohan'ny nisian'ny ranomasina, dia teraka aho—talohan'ny nahatondraka rano ireo loharano. 25 Talohan'ny nametrahana ireo tendrombohitra ary talohan'ireo havoana, dia teraka aho. 26 Efa teraka aho talohan'ny naharian'Andriamanitra ny tany na ny saha, eny fa na dia ny vovoka voalohany tamin'izao tontolo izao aza. 27 Efa teo aho fony nametraka ny lanitra Izy, fony Izy nanoritra boribory tany amin'ny faritry ny lalina. 28 Efa teo aho fony Izy nametraka ny rahona ambony ary fony namboarina ireo loharano tany amin'ny lalina. 29 Efa teo aho fony Izy namaritra ny fetran'ny ranomasina, koa dia tsy nihoatra ny fandidiany ireo rano, ary fony namaritana ny fanorenana ny tany maina. 30 Mpanao asa tanana tena mahay teo anilany aho; izaho no fifaliany isan'andro isan'andro, mifaly mandrakariva teo anoloany aho. 31 Nifaly tao amin'ny tontolony rehetra aho, ary ny fifaliako dia tao amin'ireo zanak'olombelona. 32 Ankehitriny, ry zanako, mihainoa ahy, fa ireo izay mitandrina ireo lalako dia ho voatahy. 33 Mihainoa ny fampianarako ka hendre; aza manao tsinontsinona izany. 34 Izay mihaino ahy dia ho voatahy. Hiambina isan'andro eo am-baravarako izy, miandry akaikin'ireo tsangatsangan'ireo varavarako. 35 Fa na iza na iza mahita ahy, dia mahita fiainana, ary hahita sitraka amin'Andriamanitra izy. 36 Fa izy izay tsy mahita, dia manimba ny ainy ihany; ireo rehetra izay mankahala ahy dia tia fahafatesana.''