1 Mihainoa, ny fampianaran'ny ray, ry zanako, ary mitandrema mba hahafantaranareo ny atao hoe fahazavan-tsaina. 2 Manome fampianarana tsara anao aho; aza mahafoy ny fampianarako. 3 Tamin'ny mbola naha-zanaky ny raiko ahy, ilay mora fanahy ary zanaka tokan'ny reniko, 4 dia nampianatra ahy izy ary niteny tamiko hoe: "Aoka ny fonao hihazona mafy ireo teniko; tandrovy ireo didiko dia ho velona ianareo. 5 Mahazoa fahendrena sy fahazavan-tsaina; aza manadino ary aza mandà ireo tenin'ny vavako; 6 aza afoy ny fahendrena ary hiambina anareo izy; tiavo izy dia hiaro anareo. 7 Ny fahendrena no zava-dehibe indrindra, koa mahazoa fahendrena ary lanio izay anananareo rehetra mba hahazoanareo fahazavan-tsaina. 8 Aoka ho lalainao ny fahendrena dia hanandratra anareo izy; hanaja anareo izy raha mamihina azy ianareo. 9 Hametraka fehiloham-panajana eo ambonin'ny lohanareo izy; ary hanome anareo satro-boninahitra tsara tarehy." 10 Mihainoa, ry zanako, ary tandremo ny teniko, dia hanana taona maro hiainana ianao. 11 Hanoro lalana anao amin'ny lalam-pahendrena aho; ary hitarika anao ho amin'ireo lalana mahitsy aho. 12 Rehefa mandeha ianao, dia tsy hisy olona hijoro amin'ny lalanao ary raha mihazakazaka ianao, dia tsy ho tafintohina. 13 Hazony ireo torolalana, aza avela handeha; tazony, fa fiainanao izany. 14 Aza manaraka ny lalan'ny ratsy fanahy ary ary aza mandeha manaraka ny lalan'ireo izay manao ratsy. 15 Handosiro izany, ary aza mandeha amin'izany; mialà amin'izany ary mandehàna amin'ny lalan-kafa. 16 Fa tsy afa-matory izy ireo mandra-panaovany ratsy ary very torimaso izy ireo mandra-panafintohiny olona. 17 Fa izy ireo dia mihinana ny mofon'ny faharatsiana ary misotro ny divain'ny herisetra. 18 Fa ny lalan'ny olo-marina dia toy ny hazavana voalohany izay mihamazava; mamirapiratra izany mandra-pihavian'ny andro mazava. 19 Ny lalan'ny ratsy fanahy dia toy ny aizina— tsy fantatr'izy ireo izay manafintohina azy ireo. 20 Ry zanako, tandremo ny teniko; atongilano amin'ny teniko ny sofinao. 21 Aza avela hiala amin'ny masonao ireo; tano ao am-ponao izany. 22 Fa ny teniko dia aina ho an'ireo izay mahita azy ary fahasalamana ho an'ny vatan'izy ireo iray manontolo. 23 Arovy ny fonao ary ambeno amin'ny fahazotoana rehetra izany, fa avy amin'izany no hikorianan'ny loharanon'ny fiainana. 24 Esory eo aminao ny teny mivilambilana ary ny teny manimba lavitra anao. 25 Aoka ny masonao hijery mahitsy sy handinika am-pahitsiana ny eo alohanao. 26 Manamboara lalana mahitsy ho an'ny tongotrao; dia hilamina ny lalanao rehetra. 27 Aza mivily ho amin'ny ankavia na ankavanana; alaviro amin'ny ratsy ny tongotrao.