Toko faha 28

1 Mandositra ny ratsy fanahy raha tsy misy olona manenjika azy akory, fa ny olo-marina dia sahy tahaka ny liona tanora. 2 Nohon'ny fandikan-dalàn'ny tany, dia manana mpanapaka maro izy, fa raha miaraka amin'ny olona manana fahazavan-tsaina sy fahalalana, dia haharitra ela izany. 3 Ny olona mahantra izay mampahory olona mahantra hafa dia toy ny orana mivatravatra izay tsy mamela hanina. 4 Ireo izay mahafoy ny lalàna dia midera olona ratsy fanahy, fa ireo izay mitandrina ny lalàna dia hiady amin'izy ireo. 5 Ny olon-dratsy dia tsy mahatakatra ny rariny, fa ireo izay mitady an'i Yaveh no mahatakatra ny zava-drehetra. 6 Tsara kokoa ho an'ny olona mahantra ny mandeha amin'ny fahitsiana, noho ny ho an'ny olona mpanankarena izay meloka amin'ny lalany. 7 Izay mitandrina ny lalàna no zanaka manana fahazavan-tsaina, fa izay naman'ny tendan-kanina mahamenatra ny rainy. 8 Izay mihary ny hareny amin'ny zana-bola be loatra dia manangona ny hareny ho an'ny hafa izay hanam-piantrana amin'ny olona mahantra. 9 Raha misy olona mamily ny sofiny tsy hihaino ny lalàna, na ny fivavahany aza maharikoriko. 10 Na iza na iza mamily lalana ny mahitsy amin'ny lalàn-dratsy dia hilatsaka ao amin'ny lavany ihany, fa ny tsy misy tsiny no hanana lova tsara. 11 Ny olona manan-karena dia mety ho hendry eo imasony ihany, fa ny olona mahantra izay manana fahazavan-tsaina no hahita azy. 12 Rehefa misy fandresena ho an'ny olo-marina, dia misy voninahitra lehibe, fa rehefa mitsangana ny ratsy fanahy, dia miafina ny olona. 13 Izay manafina ny fahotany tsy ho ambinina, fa izay miaiky sy mahafoy ireo no hanehoana famindram-po. 14 Ho tahiana izay miaina amin'ny fanehom-panajana mandrakariva, fa izay rehetra manamafy ny fony dia ho tra-pahoriana. 15 Tahaka ny liona mierona na bera miremby ny mpanapaka ratsy fanahy eo amin'ny olona mahantra. 16 Ny mpanapaka tsy ampy fahazavan-tsaina dia mpampahory lozabe, fa izay mankahala ny tsy fahamarinana no hampitombo ny androny. 17 Raha meloka ny olona iray satria nandatsaka ràn'olona, dia ho mpandositra mandra-pahafatiny izy ary tsy hisy olona hamonjy azy. 18 Na iza na iza mandeha amin'ny fahitsiana dia ho arovana, fa ilay iray izay mandeha amin'ny lala-meloka no ho lavo tampoka. 19 Izay miasa ny taniny dia hanana hanina maro, fa na iza na iza manaraka ny zava-poana dia hahazo fahantrana be. 20 Ny olona mahatoky dia hanana fitahiana lehibe, fa izay malaky mahazo harena dia tsy ho afa-maina. 21 Tsy tsara ny maneho fiangarana, fa ho an'ny sombi-mofo no hanaovan'ny olona ny tsy mety. 22 Ny olona kahihitra dia manenjika harena faingana, saingy tsy fantany fa ny fahantrana no ho tonga eo aminy. 23 Na iza na iza mananatra olona, dia hahita sitraka bebe kokoa avy aminy noho ny avy amin'ny ilay iray izay mandoka azy amin'ny lelany aorian'izany. 24 Na iza na iza mandroba ny rainy sy ny reniny ary miteny hoe: "Tsy fahotana izany," dia naman'ilay iray izay manimba izy. 25 Ny olona tsy mahonon-tena manetsika fifandirana, fa izay matoky an'i Yaveh no hambinina. 26 Izay matoky ny fony ihany dia adala, fa na iza na iza mandeha am-pahendrena dia handositra ny loza. 27 Izay manome ny mahantra dia tsy ho ory na inona na inona, fa na iza na iza mihirim-belona amin'izy ireo dia handray ozona maro. 28 Rehefa mitsangana ny olona ratsy fanahy, dia miafina ny olona, fa ny olona ratsy fanahy dia ho foana, ary hitombo ny olo-marina.