1 Ireo ohabolan'i Solomona zanak'i Davida, mpanjakan'Israely. 2 Ireto ohabolana ireto dia natao mba hampianatra fahendrena sy torolalana, hampianatra ireo tenin'ny fahalalana, 3 hahazoanao torolalana mba hiaina amin'ny fanaovana ny marina, rariny, ary ny hitsiny. 4 Ireto ohabolana ireto ihany koa dia natao hanome fahendrena ho an'ny kely saina, ary hanome fahalalana sy fahamalinana ho an'ny tanora. 5 Aoka ny olon-kendry hihaino ka hampitombo ny fahalalany, ary aoka ny olona mahay manavaka hahazo tari-dalana, 6 mba hahatakatra ireo ohabolana, ireo oham-pitenenana, sy ny tenin'ny olon-kendry mbamin'ireo ankamantany. 7 Ny tahotra an'i Yaveh no fiandoham-pahalalana— ny adala manamavo ny fahendrena sy ny fampianarana. 8 Ry zanako, henoy ny fampianaran-drainao ary aza miala amin'ny fitsipiky ny reninao; 9 ho fehiloha tsara tarehy ho an'ny lohanao ireny ary rado mihantona eo amin'ny tendanao. 10 Ry zanako, raha mitady haningotra anao ho amin'ny fahotan'izy ireo ny mpanota, dia aza manaiky hanaraka azy. 11 Raha hoy izy ireo hoe: "Avia hiaraka aminay, andeha isika hanotrika hamono olona, andeha isika hiafina ka hamely olona tsy manan-tsiny amin'ny tsy misy antony. 12 Andeha hatelintsika velona ireny, tahaka ny fakàn'ny Fiainan-tsy Hita ireo izay salama, ary hanao azy ireo ho toy ireo izay milatsaka an-davaka. 13 Ho hitantsika ireo karazan-javatra sarobidy rehetra; ho fenointsika amin'izay hangalarintsika amin'ny hafa ny tranontsika. 14 Atsipazo miaraka aminay ny filokanareo; hanana poketra iray ihany isika rehetra." 15 Ry zanako, aza mandeha midina amin'izany lalana izany miaraka amin'izy ireo ; aza avela hikasika izay halehany ny tongotrao; 16 mihazakazaka ho amin'ny ratsy ny tongony ary maika handatsa-drà izy ireo. 17 Fa tsy misy dikany ny hamelarana harato hamandrihana vorona raha mitazana ilay vorona. 18 Mikotrika hamono ny tenany ihany ireny olona ireny— manao vela-pandrika ho an'ny tenany izy ireo. 19 Toy izany koa ny lalan'ny olona rehetra izay mahazo harena amin'ny tsy rariny; ny harena azo amin'ny tsy rariny manaisotra ny ain'ireo izay mifikitra amin'izany. 20 Mivazavaza eny an-dalana ny fahendrena, mampiakatra ny feony eny ankalamanjana izy; 21 eny amin'ireo loha-lalana mikotaba no hitabatabany, eny amin'ny fidirana eny amin'ny vavahadin'ny tanàna no hitenenany hoe: 22 "Ho mandra-pahoviana, ianareo ry olona kely saina, no hitia ny habadoana? Ho mandra-pahoviana, ianareo ry mpandrabiraby, no hankamamy ny fandrabirabiana, ary ho mandra-pahoviana, ianareo ry adala, no hankahala ny fahalalana? 23 Tandremo tsara ny fananarako; hararako aminareo ny fihevitro; hataoko fantatrareo ny teniko. 24 Efa niantso aho, ary nandà ny hihaino ianareo; naninjitra ny tanako aho, saingy tsy nisy niraharaha. 25 Fa nodianareo fanina ny fampianarako rehetra ary tsy nohenoinareo ny fananarako. 26 Hihomehy ny lozanareo aho, handatsa anareo aho rehefa tonga ny horohoro— 27 rehefa tonga tahaka ny tafiotra ny fandringanana mampatahotra ary mifaoka anareo tahaka ny tadio ny loza, rehefa tonga aminareo ny fahoriana sy ny fangirifiriana. 28 Dia hiantso ahy izy ireo, fa tsy hamaly aho; hiantso ahy fatratra izy ireo, fa tsy hahita ahy. 29 Satria mankahala fahalalana izy ireo ary tsy nifidy ny tahotra an'i Yaveh, 30 tsy nanaraka ny fampianarako izy ireo, ary nanamavo ny fananarako rehetra. 31 Hihinana ny vokatry ny lalany izy ireo, ary ny vokatry ny teti-dratsin'izy ireo no hameno azy. 32 Fa voavono ny kely saina rehefa mivily, ary hamotika azy ny tsy firarahian'ny adala. 33 Fa na iza na iza mihaino ahy dia hiaina am-pilaminana ary ho voaaro tsy hatahotra loza."