1 Noho izany, ry rahalahy malalako izay mahamanina ahy, fifaliako sy satro-boninahitro, amin'izany dia mijoroa tsara ao amin'ny Tompo, ry namako malala. 2 Miangavy an'i Eodia aho, ary miangavy an'i Syntyke, miraisa saina ao amin'ny Tompo. 3 Ary, mangataka aminao ihany koa aho, ry namako mpiray zioga: Ampio ireo vehivavy ireo. Satria izy ireo dia niara-niasa tamiko tamin'ny fampielezana ny Filazantsara niaraka tamin'i Klementa sy ireo sisa namana mpiara-miasa amiko rehetra, izay efa ao amin'ny Bokin'ny Fiainana ny anaran'izy ireo. 4 Mifalia hatrany ao amin'ny Tompo. Hoy ihany aho, mifalia. 5 Avelao ho fantatry ny olona rehetra ny fahatsoram-ponareo. Efa akaiky ny Tompo. 6 Aza manahy na amin'inona na amin'inona. Fa kosa, amin'ny zava-drehetra amin'ny alalan'ny vavaka sy fangatahana, miaraka amin'ny fisaorana, avelao ny fangatahinareo ho fantatr'Andriamanitra. 7 Ary ny fiadanan'Andriamanitra, izay mihoatra ny fahalalàna rehetra, hiaro ny fonareo sy ny fisainanareo rehetra ao amin'i Kristy Jesosy. 8 Ary farany, ry rahalahy, na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona ara-drariny, na inona na inona madio, na inona na inona mahafinaritra, na inona na inona nolazaina fa tsara, raha misy na inona na inona tena tsara, raha misy na inona na inona tokony ho deraina, dia mihevera an'ireny zavatra ireny. 9 Ireo zavatra izay nianaranareo sy noraisinareo sy henonareo ary hitanareo tamiko, ataovy ireny zavatra ireny, ary ny Andriamanitry ny fiadanana hiaraka aminareo. 10 Mifaly be ao amin'ny Tompo aho satria nohavaozinareo ihany ankehitriny ny fiheveranareo ahy. Efa nihevitra ahy tokoa ianareo teo aloha, fa tsy nisy fahafahana ho anareo mba hanampy. 11 Tsy milaza izany aho satria ao anatin'ny tsy fahampiana. Fa efa nianatra ny hifaly amin'izay toe-java-miseho rehetra aho. 12 Fantatro ny hoe mahantra ary fantatro koa ny hoe manam-be. Amin'ny fomba rehetra sy amin'ny zavatra rehetra dia nianatra ny tsiambaratelon'ny fihinanam-be sy ny hanoanana aho, ary ny hoe manam-be sy ny hoe ao anatin'ny tsy fahampiana. 13 Afaka manao ny zavatra rehetra aho amin'ny alalan'Ilay mampahery ahy. 14 Kanefa, ianareo nanao ny tsara tamiko tamin'ny fahasahiranako. 15 Ary ianareo Filipiana mahafantatra fa tamin'ny fiandohan'ny filazantsara, rehefa nandao an'i Makedonia aho, dia tsy nisy fiangonana nanohana ahy raha ny mahakasika ny fanomezana sy fandraisana afa-tsy ianareo irery. 16 Na tamin'izaho tany Tesalonika aza, dia nandefa fanampiana ho an'izay nilaiko mihoatra ny indray mandeha ianareo. 17 Tsy hoe mitady fanomezana aho. Fa kosa, mitady ny vokatra izay mampiakatra ny voninahitrareo aho. 18 Nandray ireo zavatra rehetra aho, ary manana be dia be. Fa feno aho. Voaraiko avy tamin'i Epafrodito ireo zavatra avy aminareo. Ireo dia hanitra manim-pofona, izay fanatitra azo ekena sy ankasitrahan'Andriamanitra. 19 Ary ny Andriamanitro hameno izay rehetra ilainareo araka ny haren'ny voninahiny ao amin'i Kristy Jesosy. 20 Ary ho an'Andriamanitra sady Raintsika anie ny voninahitra mandrakizay doria. Amena. 21 Manaova veloma an'ny mpino rehetra ao amin'i Kristy Jesosy. Ireo rahalahy izay miaraka amiko dia manao veloma anareo. 22 Ireo mpino rehetra izay eto manao veloma anareo, indrindra ireo izay avy ao amin'ny ankohonan'i Kaisara. 23 Ny fahasoavan'ny Tompo Jesosy Kristy anie ho amin'ny fanahinareo. [Fanamarihana: Misy ireo fandikana sasany manampy hoe: "Amena."]