1 Niresaka tamin'i Mosesy i Yaveh ary nanao hoe: 2 "Manaova valifaty amin'ireo Midianita nohon'ny nataon'izy ireo tamin'ireo Israelita. Rehefa vita izany, dia ho faty ianao ary hangonina eo amin'ny olonao." 3 Koa niresaka tamin'ireo vahoaka i Mosesy. Hoy izy hoe: "Rongoy fiadina ho amin'ny ady ny sasany amin'ireo olonareo mba handehanan'izy ireo hanohitra an'ireo Midiana sy hanatanteraka valifatin'i Yaveh amin'izany. 4 Ny foko rehetra manerana an'Israely dia tsy maintsy mandefa miaramila ho any an'ady." 5 Koa tamin'ireo olona an'arivorivon'Israely, dia avy any amin'ny foko rehetra ho an'ny ady ny an'arivony, roa arivo sy iray alina no fitambarany. 6 Avy eo nalefan'i Mosesy an'ady izy ireo, arivo avy amin'ny foko rehetra, niaraka tamin'i Finehasa zanaka lahin'i Eleazara mpisorona, sy niaraka tamin'ny fanaka sasany avy ao amin'ny fitoerana masina ary trompetra eny an-tanany mba hitsofana ny fanairana. 7 Niady tamin'ny Midiana izy ireo, araka ny nandidian'i Yaveh an'i Mosesy. Novonoin'izy ireo ny olona rehetra. 8 Novonoiny ireo mpanjakan'i Midiana niaraka tamin'ny sisan'ny matin'izy ireo: Evy, Rekema, Zora, Hora, ary Reba, ireo mpanjaka dimin'i Midiana. Novonoin'izy ireo tamin'ny sabatra ihany koa Balama zanaka lahin'i Beora. 9 Nalain'ny tafik'Israely ho babo ireo vehivavin'i Midiana, ny zanak'izy ireo, ny biby fiompin'izy rehetra, ireo ondry aman'osin'izy ireo, ary ny fananan'izy rehetra. Nalain'izy ireo ho babo avokoa ireo. 10 Nodoran'izy ireo ny tanànany rehetra izay nonenan'izy ireo ary ireo tobiny rehetra. 11 Nalain'izy ireo avokoa ireo babo sy gadra rehetra, na olona na biby. 12 Nentin'izy ireo tany amin'i Mosesy, Eleazara mpisorona, ary tany amin'ny fianakaviamben'ny olon'Israely ireo gadra, ny babo, ary ireo zavatra azo. Nentin'izy ireo tany amin'ny toby tany amin'ireo tany hain'i Moaba, amoron'i Jordana akaikin'i Jeriko ireo. 13 Nandeha nivoaka nitsena azy ireo tany ivelan'ny toby i Mosesy, Eleazara mpisorona, sy ireo mpitarika ny fianakaviambe rehetra. 14 Fa Mosesy dia tezitra tamin'ireo manam-pahefan'ny tafika, ireo mpifehy ny arivo sy ireo kapitenin'ny zato, izay tonga avy any an'ady. 15 Hoy Mosesy tamin'izy ireo hoe: "Navelanareo ho velona ve ny vehivavy rehetra? 16 Indro, nataon'ireo vehivavy ireo nanota tamin'i Yaveh ny amin'i Peora tamin'ny alalan'i torohevitr'i Balama ny olon'Israely, rehefa niparitaka teo amin'ny fiangonan'i Yaveh ny areti-mandoza. 17 Ankehitriny ary, vonoy ny zazalahy eo amin'ny madinika rehetra, ary vonoy ny vehivavy rehetra izay efa niara-nandry tamin'ny lehilahy. 18 Fa ento ho anareo ny tovovavy rehetra izay tsy mbola niara-nandry tamin'ny lehilahy mihitsy. 19 Tsy maintsy mitoby ivelan'ny tobin'Israely mandritra ny fito andro ianareo. Ianareo rehetra izay efa namono olona na nikitika olona maty—tsy maintsy manadio ny tenanareo ianareo amin'ny andro fahatelo sy amin'ny andro fahafito—ianareo sy ireo gadranareo. 20 Tsy maintsy manadio ny akanjonareo rehetra sy ny zavatra rehetra vita amin'ny hodi-biby sy volon'osy, ary ny zavatra rehetra vita amin'ny hazo ianareo." 21 Eleazara mpisorona dia nilaza tamin'ireo miaramila izay nandeha tany an'ady hoe: "Ity dia lalàna voadidy izay nomen'i Yaveh an'i Mosesy: 22 Ny volamena, volafotsy, varahina, vy, vifotsy, sy firaka, 23 ary ny zavatra rehetra izay tsy andairan'ny afo, dia tsy maintsy ataonareo anaty afo, ka hadio izany. Avy eo tsy maintsy diovinareo amin'ny rano fandiovana ireo zavatra ireo. Na inona na inona tsy afaka mandalo amin'ny afo dia tsy maintsy diovinareo amin'izany rano izany. 24 Amin'ny andro fahafito dia tsy maintsy sasanareo ny fitafianareo, ary avy eo ianareo hadio. Aorian'izany dia ho tonga ao amin'ny tobin'Israely ianareo." 25 Avy eo Yaveh niresaka tamin'i Mosesy ary niteny hoe: 26 "Isao ireo zavatra babo rehetra izay azo, na olona na biby. Ianao, Eleazara mpisorona, ary ireo mpitarika ny fianakaviamben'ireo fokon'ny razambenao 27 dia tsy maintsy mizara ireo babo ho fizarana roa. Zarao eo amin'ireo miaramila izay nandeha an'ady sy ireo ambin'ny fianakaviambe rehetra izany. 28 Avy eo mitakia hetra avy amin'ireo miaramila izay nandeha an'ady mba homena Ahy. Izany hetra izany dia tsy maintsy iray isan-dimanjato, na olona, biby fiompy, boriky, ondry, na osy. 29 Alaivo amin'ny antsasak'ireo izany hetra izany ary omeo an'i Eleazara mpisorona izany mba ho fanatitra hatolotra ho Ahy. 30 Ary avy amin'ny antsasaky ny Israely ihany koa, dia tsy maintsy maka iray isan-dimam-polo ianao—avy amin'ireo olona, biby fiompy, boriky, ondry, ary osy. Omeo an'ireo Levita izay mikarakara ny tabernakeliko ireo." 31 Koa dia nataon'i Mosesy sy Eleazara mpisorona araka ny nandidian'i Yaveh. 32 Ary ny babo izay sisa tamin'ireo azon'ireo miaramila dia ondry 675.000, 33 omby roa arivo sy fito alina, 34 boriky arivo sy enina alina, 35 ary vehivavy roa arivo sy telo alina izay tsy mbola niara-nandry tamin'ny lehilahy mihitsy. 36 Ny antsasany izay nohazonin'ireo miaramila dia ondry miisa 337.000. 37 Ny anjaran'i Yaveh dia ondry 675. 38 Ireo omby dia enina arivo sy telo alina ary roa amby fito-polo no hetran'i Yaveh. 39 30.500 ny isan'ireo boriky ary iraika amby enim-polo no anjaran'i Yaveh. 40 Enina arivo sy iray alina ireo olona ka roa amby telopolo no hetran'i Yaveh. 41 Nalain'i Mosesy ny hetra izay tokony ho fanatitra atolotra ho an'i Yaveh. Nomeny an'i Eleazara mpisorona izany, araka ny nandidian'i Mosesy. 42 Raha ny amin'ireo antsasaky ny olon'Israely izay nalain'i Mosesy avy amin'ireo miaramila izay nandeha tany an'ady— 43 dia ondry 337.500, 44 omby enina arivo sy telo alina, 45 boriky 30.500, 46 ary vehivay enina arivo sy iray alina no an'ny antsasaky ny fianakaviambe. 47 Avy amin'ireo antsasaky ny olon'Israely, dia naka iray isan-dimam-polo i Mosesy, na olona na biby. Nomeny an'ireo Levita izay nikarakara foana ny tabernakelin'i Yaveh ireo, araka ny nandidian'i Yaveh azy mba hatao. 48 Avy eo ireo manam-pahefan'ny tafika, ireo mpifehy ny arivo sy ireo kapitenin'ny zato, tonga tany amin'i Mosesy. 49 Hoy izy ireo taminy hoe: "Nisain'ireo mpanomponao ireo miaramila izay ambanin'ny fifehezanay, ary tsy misy na iray aza tsy ao. 50 Nentinay ny fanatitr'i Yaveh, izay hitan'ny olona tsirairay, fanaka volamena, fehin-tanana sy haba, peratra fanombohan-kase, kavina, ary rojo, mba hanaovana fanavotana ho anay eo anoloan'i Yaveh." 51 Mosesy sy Eleazara dia nandray ny volamena sy ireo fanaky ny asa tanana rehetra avy amin'izy ireo. 52 Ireo volamena rehetra tamin'ny fanatitra izay nomen'izy ireo an'i Yaveh—ireo fanatitra avy amin'ireo mpifehy ny arivo sy avy amin'ireo mpifehy ny zato—dia milanja sekely 16.750. 53 Ny miaramila tsirairay dia samy naka babo, olona tsirairay ho an'ny tenany. 54 Mosesy sy Eleazara mpisorona dia naka volamena avy amin'ireo mpifehy ny arivo sy ireo kapitenin'ny zato. Nentin'izy ireo tao amin'ny trano-lay fihaonana izany ho fahatsiarovana ny olon'Israely ho an'i Yaveh.