Toko 1

1 Niteny tamin'i Mosesy teo amin'ny trano-lay fihaonana tany an-tany efitr'i Sinay i Yaveh. Nitranga izany tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana faharoa nandritra ny taona faharoa taorian'ny nivoahan'ny vahoakan'Israely avy tany amin'ny tany Egypta. Hoy i Yaveh: 2 "Mitaria fanisam-bahoaka amin'ireo lehilahin'Israely rehetra isan'antokony, ao amin'ny fianakavian-drain'izy ireo. Isao amin'ny anarany izy ireo. Isao ny lahy rehetra, ny lehilahy tsirairay avy 3 izay roapolo taona na mihoatra. Isao daholo ireo izay afaka miady ho miaramila ho an'i Israely. Aoka ho raketinao sy Arona an-tsoratra ny isan'ireo lehilahy amin'ny vondron'izy ireo mitam-piadiana. 4 Lehilahy iray avy amin'ny foko tsirairay avy, lohan'antoko iray, no aoka hanompo miaraka aminao ho mpitari-pokony. Ny mpitarika tsirairay avy dia tsy maintsy mitarika ireo lehilahy izay hiady ho an'ny fokony. 5 Ireto ny anaran'ireo mpitarika izay tsy maintsy miady miaraka aminao: Avy amin'ny fokon'i Robena, Elizora zanak'i Sedeora ; 6 avy amin'ny fokon'i Simeona, Selomiela zanak'i Zorisaday; 7 avy amin'ny fokon'i Joda, Nasona zanak'i Aminadaba; 8 avy amin'ny fokon'i Isakara, Netanela zanak'i Zoara; 9 avy amin'ny fokon'i Zebolona, Eliaba zanak'i Helona; 10 avy amin'ny fokon'i Efraima zanak'i Josefa, Elisama zanak'i Ahimoda; avy amin'ny fokon'i Manase, Gamaliela zanak'i Pedazora; 11 avy amin'ny fokon'i Benjamina, Abidana zanak'i Gideony; 12 avy amin'ny fokon'i Dana, Ahiezera zanak'i Amisaday; 13 avy amin'ny fokon'i Asera, Fagiela zanak'i Okrana; 14 avy amin'ny fokon'i Gada, Eliasafa zanak'i Doela; 15 ary avy amin'ny fokon'i Naftaly, Ahira zanak'i Enana." 16 Ireo no lehilahy voatondro teo amin'ny olona. Nitarika ny fokon'ny razambeny izy ireo. Izy ireo no mpitarika ireo antoko tao Israely. 17 Nalain'i Mosesy sy Arona ireo lehilahy ireo, izay noraketina an-tsoratra araka ny anarana, 18 ary niaraka tamin'ireo lehilahy ireo dia nangonin'izy ireo ny lehilahy rehetra tamin'Israely tamin'ny andro voalohan'ny volana faharoa. Ary ny lehilahy roapolo taona na mihoatra tsirairay avy dia namantatra ny razambeny. Tsy maintsy nanome anarana ireo antoko sy fianakaviana taranaka avy amin'ny razambeny izy. 19 Dia noraketin'i Mosesy an-tsoratra ny isan'izy ireo tany an-tany efitr'i Sinay, araka ny nandidian'i Yaveh hataony. 20 Nisaina ny anaran'ny lehilahy rehetra izay roapolo taona na mihoatra afaka mandeha an'ady avy amin'ny taranak'i Robena, lahimatoan'i Israely, avy amin'ny firaketana an-tsoratra ny antokon'ireo razambeny sy ny fianakavian'izy ireo. 21 Niisa 46.500 lahy izy ireo avy amin'ny fokon'i Robena. 22 Nisaina ny anaran'ny lehilahy rehetra izay roapolo taona na mihoatra afaka mandeha an'ady avy amin'ny taranak'i Simeona, avy amin'ny firaketana an-tsoratra ny antokon'ireo razambeny sy ny fianakavian'izy ireo. 23 Niisa 59.300 lahy izy ireo avy amin'ny fokon'i Simeona. 24 Nisaina ny anaran'ny lehilahy rehetra izay roapolo taona na mihoatra afaka mandeha an'ady avy amin'ny taranak'i Gada, avy amin'ny firaketana an-tsoratra ny antokon'ireo razambeny sy ny fianakavian'izy ireo. 25 Niisa 45.650 lahy izy ireo avy amin'ny fokon'i Gada. 26 Nisaina ny anaran'ny lehilahy rehetra izay roapolo taona na mihoatra afaka mandeha an'ady avy amin'ny taranak'i Joda, avy amin'ny firaketana an-tsoratra ny antokon'ireo razambeny sy ny fianakavian'izy ireo. 27 Niisa 74.600 lahy izy ireo avy amin'ny fokon'i Joda. 28 Nisaina ny anaran'ny lehilahy rehetra izay roapolo taona na mihoatra afaka mandeha an'ady avy amin'ny taranak'i Isakara, avy amin'ny firaketana an-tsoratra ny antokon'ireo razambeny sy ny fianakavian'izy ireo. 29 Niisa 54.400 lahy izy ireo avy amin'ny fokon'i Isakara. 30 Nisaina ny anaran'ny lehilahy rehetra izay roapolo taona na mihoatra afaka mandeha an'ady avy amin'ny taranak'i Zebolona, avy amin'ny firaketana an-tsoratra ny antokon'ireo razambeny sy ny fianakavian'izy ireo. 31 Niisa 57.400 lahy izy ireo avy amin'ny fokon'i Zebolona. 32 Nisaina ny anaran'ny lehilahy rehetra izay roapolo taona na mihoatra afaka mandeha an'ady avy amin'ny taranak'i Efraima, avy amin'ny firaketana an-tsoratra ny fianakaviam-ben'ireo razambeny sy ny fianakavian'izy ireo. 33 Niisa 40.500 lahy izy ireo avy amin'ny fokon'i Efraima. 34 Nisaina ny anaran'ny lehilahy rehetra izay roapolo taona na mihoatra afaka mandeha an'ady avy amin'ny taranak'i Manase, avy amin'ny firaketana an-tsoratra ny antokon'ireo razambeny sy ny fianakavian'izy ireo. 35 Niisa 32. 200 lahy izy ireo avy amin'ny fokon'i Manase. 36 Nisaina ny anaran'ny lehilahy rehetra izay roapolo taona na mihoatra afaka mandeha an'ady avy amin'ny taranak'i Benjamina, avy amin'ny firaketana an-tsoratra ny antokon'ireo razambeny sy ny fianakavian'izy ireo. 37 Niisa 35.400 lahy izy ireo avy amin'ny fokon'i Benjamina. 38 Nisaina ny anaran'ny lehilahy rehetra izay roapolo taona na mihoatra afaka mandeha an'ady avy amin'ny taranak'i Dana, avy amin'ny firaketana an-tsoratra ny antokon'ireo razambeny sy ny fianakavian'izy ireo. 39 Niisa 62.700 lahy izy ireo avy amin'ny fokon'i Dana. 40 Nisaina ny anaran'ny lehilahy rehetra izay roapolo taona na mihoatra afaka mandeha an'ady rehetra avy amin'ny taranak'i Asera, avy amin'ny firaketana an-tsoratra ny antokon'ireo razambeny sy ny fianakavian'izy ireo. 41 Niisa 41.500 lahy izy ireo avy amin'ny fokon'i Asera. 42 Nisaina ny anaran'ny lehilahy rehetra izay roapolo taona na mihoatra afaka mandeha an'ady rehetra avy amin'ny taranak'i Naftaly, avy amin'ny firaketana an-tsoratra ny antokon'ireo razambeny sy ny fianakavian'izy ireo. 43 Niisa 53.400 lahy izy ireo avy amin'ny fokon'i Naftaly. 44 Niara-nanisa ireo lehilahy rehetra ireo, niaraka tamin'ny lehilahy roa ambin'ny folo izay nitarika ny foko roa ambin'ny folon'i Israely i Mosesy sy Arona. 45 Ka ireo lehilahin'Israely roapolo taona na mihoatra rehetra, ireo rehetra afaka miady any an'ady, dia nisaina tsirairay tamin'ny fianakavian'izy ireo. 46 Niisa 603.550 lahy izy ireo. 47 Fa tsy nisaina ireo lehilahy izay taranak'i Levy, 48 satria nilaza tamin'i Mosesy i Yaveh hoe:" 49 Tsy mahazo manisa ny fokon'i Levy ianao na mampiditra azy amin'ny tamba-ben'ny vahoakan'i Israely. 50 Fa kosa, tendreo ireo Levita hitandrina ny tabernakelin'ny didim-panekena, sy hikarakara ny fanaka rehetra ao amin'ny tabernakely sy ny zavatra rehetra ao amin'izany. Aoka hilanja ny tabernakely ny Levita, ary aoka hitondra ireo fanaky ny tabernakely izy ireo. Aoka hikarakara ny tabernakely sy hitoby manodidina izany izy ireo. 51 Rehefa mila afindra ho amin'ny toeran-kafa ny tabernakely, dia aoka hanala izany ny Levita. Rehefa tokony hapetraka ny tabernakely, dia aoka hametraka izany ny Levita. Izay olon-kafa manatona ny tabernakely dia tsy maintsy ho faty. 52 Rehefa mametraka ireo lainy ny vahoakan'Israely, dia aoka anao izany eo akaikin'ny faneva izay an'ny vondrony mitam-piadiana ny lehilahy tsirairay avy. 53 Na izany aza, aoka hametraka ny lainy manodidina ny tabernakelin'ny didim-panekena ny Levita mba tsy ho tonga amin'ny vahoakan'ny Israely ny fahatezerako. Aoka tsy hikarakara ny tabernakelin'ny lalàn'ny fanekem-pihavanana ny Levita." 54 Nanao izany zavatra rehetra izany ny vahoakan'Israely. Nataon'izy ireo izay rehetra nandidian'i Yaveh tamin'ny alalan'i Mosesy.