Toko 1

1 Ny Bokin'ny razan'i Jesosy Kristy zanak'i Davida zanak'i Abrahama. 2 Abrahama no rain'Isaka, ary Isaka no rain'i Jakoba, ary Jakoba no rain'i Joda sy ireo rahalahiny. 3 Joda no rain'i Fareza sy Zara avy tamin'ny Tamara, Fareza no rain'i Herzona, ary Herzona no rain'i Rama. 4 Rama no rain'i Aminadaba, ary Aminadaba no rain'i Nasona, ary Nasona no rain'i Salmona. Salmona no rain'i Boaza tamin'ny 5 Rahaba, Boaza no rain'i Obeda tamin'ny Rota, Obeda no rain'i Jese. 6 Ary Jese no rain'i Davida mpanjaka, Davida no rain'i Solomona tamin'ny alalan'ny vadin'ny Oria. 7 Solomona no rain'i Rehoboama, Rehoboama no rain'i Abia, ary Abia no rain'i Asa. 8 Asa no rain'i Jaosafata, ary Jaosafata no rain'i Jorama, ary Jorama no razan'i Ozia. 9 Ozia no rain'i Jotama, Jotama no rain'i Ahaza, Ahaza no rain'i Hezekia. 10 Hezekia no rain'i Manase, Manase no rain'i Amona, ary Amona no rain'i Josia. 11 Josia no razan'i Jekonia sy ireo rahalahiny tamin'ny fotoanan'ny fandroahana ho any Babylona. 12 Taorian'ny fandroahana ho any Babylona, dia Jekonia no rain'i Sealtiela, ary Sealtiela no razan'i Zerobabela. 13 Zerobabela no rain'i Abihoda, Abihoda no rain'i Eliakima, ary Eliakima no rain'i Azora. 14 Azora no rain'i Zadoka, Zadoka no rain'i Akima, ary Akima no rain'i Elihoda. 15 Elihoda no rain'i Eliazara, Eliazara no rain'i Matana, ary Matana no rain'i Jakoba. 16 Jakoba no rain'i Josefa izay vadin'i Maria, ilay niteraka an'i Jesosy, izay nantsoina hoe Kristy. 17 Ny taranaka rehetra manomboka amin'i Abrahama ka hatrany amin'i Davida dia taranaka efatra ambin'ny folo, manomboka amin'i Davida ka hatrany amin'ny fandroahana ho any Babylona dia taranaka efatra ambin'ny folo, ary manomboka amin'ny fandroahana ho any Babylona ka hatrany amin'i Kristy dia taranaka efatra ambin'ny folo. 18 Tahaka izao no nitrangan'ny fahaterahan'i Jesosy Kristy. Ny reniny, Maria, dia efa natokana hanambady an'i Josefa, saingy talohan'ny niarahan'izy ireo, dia hita fa nitoe-jaza izy avy tamin'ny Fanahy Masina. 19 Josefa, vadiny, dia lehilahy marina, no sady tsy ta-hanala baraka azy ampahibemaso. Ka nanapa-kevitra izy ny hamarana mangingina ny fifanekeny taminy. 20 Ary raha izy mbola nieritreritra mahakasika ireo zavatra ireo iny, dia niseho taminy tamin'ny nofy ny anjelin'ny Tompo, manao hoe: "Josefa, zanaka lahin'i Davida, aza matahotra ny haka an'i Maria ho vadinao, satria ilay iray izay notorontoronina ao anatiny dia ny Fanahy Masina no nampitoetra azy. 21 Hiteraka zaza lahy izy, ary ianao hiantso ny anarany hoe Jesosy, fa izy no hamonjy ny olony hiala amin'ny fahotan'izy ireo." 22 Izany rehetra izany dia nitranga mba hahatanteraka izay nambaran'nyTompo tamin'ny alalan'ilay mpaminany, manao hoe: 23 "Indro, ny virjiny hitoe-jaza ka hiteraka zazalahy, ary izy ireo hiantso ny anarany hoe Imanoela" _izay midika hoe: "Amintsika Andriamanitra." 24 Nifoha tamin'ny torimasony Josefa ary nanao arak'izay nandidian'ny anjelin'ny Tompo azy ary naka azy ho vadiny. 25 Saingy tsy niray taminy izy mandram-piterany zazalahy. Ary nantsoiny hoe Jesosy ny anarany.